Vonona Hihaona Amin'ny Kintan'ny Baolina Fandaka I Murtaza Ilay Afghan Dimy Taona

Messi and Murtaza. Photo shared on the Facebook group of Shoja Designi.

Messi sy Murtaza. Saripika nozaraina tao amin'ny vondrona Facebook Shoja Designi.

Efa ho iray volana izay, nalaza haingana tao amin'ny media sosialy ny sarin'ilay zazalahy dimy taona nilalao baolina fandaka teo akaikin'ny tranony tao Afghanistan atsinanana, mitafy harona plastika misy ny anaran'ilay olomangan'ny football, Lionel Messi, nosoratana tamin'ny marker.

Ankehitriny izao tontolo izao manantena hahita an'i Murtaza Ahmadi hihaona amin'ilay laharana faha-10 amin'ny ekipan'i Barcelona sy Arzantina.

Notairin'i Murtaza ny fampitam-baovao ao an-toerana sy ny sampam-baovao iraisampirenena noho ny fitiavany tanteraka an'ilay iray amin'ny mpilalao football kinga indrindra hatramin'izay, satria tsy afaka ny manome akanjo tena izy filalaovan'i Lionel Messi ho azy ny fianakaviany.

Ny akanjon'i Murtaza vonjimaika dia namboamboarin'ny zokiny lahy Homayoon Ahmadi, izay namoaka ny sariny tao amin'ny Facebook.

Niresaka tao amin'ny fantsona fahitalavitra tao an-toerana Ariana TV ny rainy Mohammad Arif Ahmadi: “Tia football izy ary tia an'i Messi. Efa imbetsaka izy no nangataka tamiko ny hividianana akanjo Messi ho azy saingy tsy afa-manoatra aho satria tsy misy akanjo toy izany any amin'ny tanàna onenanay.”

Murtaza and His father, Mohammad Arif Ahmadi.

Murtaza sy ny rainy, Mohammad Arif Ahmadi. Sary nifampizarana fatratra.

Nilaza ny faniriany hahita ny kianja filalaovam-baolina ao amin'ny distrikan'i Jaghori ao Ghazni izay onenan'i Murtaza ihany koa i Ahmadi.

“Tsy manana faniriana manokana izahay fa ny antenainay dia ny ahafahan'ny zanakay hanana hoavy tsaratsara kokoa.”

Raha vao nahita ilay zazalahy tsy fantatra ny vahiny mpisera aterineto dia nandeha ny tsaho fa Kiorda avy any Iràka izy.

Vao maika moa nihamafy izany tsaho izany rehefa nitatitra ny fahitalavitra kiorda fa ny zazalahy antsoina hoe Homin, ao amin'ny faritanin'i Dohuk , Iràka, ilay hita ao amin'ny sary.

Fa nilaza avy eo i @illMindOfRobin mpisera Twitter fa izy no nanao ilay tantara hanintonana ny fifantohana any amin'ny tanàna niavian'ny ray aman-dreniny.

Tsy Iràka iny. Tany Duhok no nahaterahan'ny ray aman-dreniko ka izay no nanaovako an'iny. Milaza an'i Iràka tsy maka ny loharanom-baovao avy amiko daholo ny fampitam-baovao

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo dia nasain'ny Federasionan'ny Football ao Afghanistan hankao Kabul i Murtaza sy ny fianakaviany. Nampanantena ny hanao izay hampihaonana azy amin'i Messi i Keramuddin Karim, filohan'ny federasiona.

“Efa nifandray tamin'ny ekipan'i Barcelona izahay ary hamaly hiresaka ny toerana sy ny fotoana tiany hihaonana amin'i Murtaza ao anatin'ny 4-5 andro,” hoy ny lehiben'ny federasiona.

Murtaza hita saripika manao ny akanjo ofisialin'i Barcelona.

Nahazo ny akanjo ambony tena izy mitondra ny anaran'i Messi ihany ilay Murtaza Ahmadi zazalahy 5 taona ❤️💙

Namosaka ny heviny ny Afghan iray mpisera Facebook :

Every one is waiting to meet #kingMessi
Messi is waiting to Meet our little #Murtaza
Because of that we love Messi and soccer

Ny rehetra miandry ny hihaona amin'ny mpanjaka Messi
Messi miandry ny hihaona amin'i Murtaza
Noho izany no itiavantsika an'i Messi sy ny baolina fandaka

Na dia tsy namoaka fanambarana ofisialy aza ny Barcelona, dia nitatitra ny BBC amin'ny teny Persiana fa hiezaka ny Masoivoho Espaniola ao Kabul hanao izay hampihaonana an'i Murtaza amin'i Messi. Nilaza ny rainy fa hotontosaina ao amin'ny kianja malazan'ny ekipa ao Nou Camp, Barcelona ny fihaonana.

Mety ho zavatra mampihomehy ny hoe milahatra ny firenena eoropeanina hanakatom-baravarana amin'ny firenena ravan'ny ady toa an'i Afghanistan, saingy lavitry ny hitsipaka ny hifankazaran'ny zanany amin'ny mpilalao ankafiziny kosa ny fianakavian'i Murtaza.

Mandritra izany fotoana izao dia nampiseho ny fitsiriritany ny mpankafy football manerana izao tontolo izao:

Inona no mitranga rehefa hitan'ny olona fa nanambintana hihaona amin'i Messi ny zazalahy iray nitafy harona plastika ho akanjo plastika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.