- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsarim-Panomezam-Bahana Ny Vehivavy Sy Ny Fifandeferana Ao Indonezia An-Tsary

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifidianana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta
A screenshot of the video promoting tolerance in Indonesian society.

Pikantsarin'ny lahatsary mampiroborobo ny fifandeferana ao amin'ny fiarahamonina Indoneziana.

Misy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) iray namokatra lahatsarim-panoritsoritan-tsary haingana [1] maromaro manandra-teny hamahana fifandirana na olana amin'ny alalan'ny hetsika na asa milamina ao Indonezia.

Ny NGO Search for Common Ground [Mikaroka ny Marimaritra Iraisana] dia nampiasa [2] lahatsary maromaro ao anatin'ny fanentanana ara-panabeazana hampiroboroboana ny fanomezan-tsehatra ny vehivavy, ny fandeferana ary ny fisorohana ny eksitiremisma ao amin'ny fiarahamonina Indoneziana.

Ny lahatsary roa miresaka ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny fitantanam-pitondrana dia mikendry [3] “hanova ny fihetsika sy ny fiheveran'ny olona amin'ny anjara toeran'ny vehivavy ao amin'ny demaokrasia, ao amin'ny fitantanam-pitondrana ary ao amin'ny fitarihana.” Latsaky ny 20 isanjaton'ny mpitarika voafidy ao Indonezia no vehivavy.

Ity lahatsary ity dia manasongadina [4] ny fametrahana an-jorony ny vehivavy ao Indonezia sy ny tokony ifidianana vehivavy mpitarika mba hanesorana ireo lalàna manavakavaka:

Mba hahombiazana amin'ny fampandresena vehivavy kandidà, dia mila miomana sy manangana fepetra handrisihana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy amin'ny fifidianana ny antoko politika.

Ity lahatsary [5] ity manainga ny vehivavy hanao politika:

Namoaka [6] lahatsary roa miresaka fifandeferana sy eksitiremisma ihany koa ny vondrona.

With the spread of extremist and violent doctrines targeting vulnerable youth, the need for alternative messages to violent intolerance that celebrate Indonesia’s spirit of pluralism and unity in diversity is increasingly urgent.

Noho ny fielezan'ny eksitiremisma sy ireo fampianarana maherisetra, dia ilaina haingana dia haingana ny fandefasana hafatra manandratra ny fanahim-pimaroana sy ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana Indoneziana afa-mifaninana amin'ireo [hafatra] maherisetra tsy mahazaka ny hafa

Indonezia no manana mponina miozolomana be indrindra eto ambonin'ny tany. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izao, dia mihamaro ny fifandonana eo amin'ny kristiana sy ny miozolomana ary izany dia manasongadina [7] fa ilaina ny mampiroborobo ny fifandeferana. Ity lahatsary ity dia miezaka ny hamaha izany olana izany [8]:

Lahatsary hafa indray manakivy ny tanora hianjera ao amin'ny sahan'ny fampianarana sy fihetsika ekstiremista [9]: