Potika Ny Asan'ny Vehivavy Iray Olo-Malaza Amin'ny Fahitalavitra Japoney Noho Ny Fanaovany Sipa Tamin'ny Mpihira Iray Efa Manambady

Becky scandal Japan

Ny fantadaza amin'ny fahitalavitra Becky (Havia) sy ny mpihira Kawatani Enon (havanana). Fivakin'ny soratra, avy any ambony ankavia: fanavaozam-baovao fijangajangana! Karajia tao amin'ny LINE niporitsaka mialoha indrindra ny fialantsiny imasom-bahoaka… FA NAHOANA? Sary avy amin'ny YouTube.

Nivadika ny tantaran'ilay olona iray malaza ao amin'ny fahitalavitra Japoney mitondra ny anarana hoe Becky (ベッキー, Bekkī) teo alohaloha teo tamin'ny volana Janoary raha nitatitra ny fampitam-baovao manaitaitra fa manana raharaham-pitiavana izy miaraka amin'i Enon Kawatani, 27 taona, izay mpihira ao amin'ny tarika malaza Gesu no Kiwami Otome.

Koa satria moa lasa resaka atoandro tamin'ireo fandaharana miresadresaka sy amin'ny media sosialy ny antsipirian'ny raharaha nandritra ny volana, dia afa-baraka tanteraka amin'ny maha-mpiresaka amin'ny vahiny nasaina azy ao amin'ny fahitalavitra i Becky, ary potika tanteraka tahaka izany ihany koa ny fifanarahana ara-barotra ahazoany volabe amin'ny fahitalavitra.

Efa mahatratra folo ireo mpanohana ara-dokambarotra no nilaza fa tsy hanavao ny fifanarahana amin'i Becky intsony tamin'ny 31 Janoary. Mandritra izany fotoana izany, mbola manoka-potoana hiseho ao amin'ny tarika misy azy ihany i Kawatani, ny tarika Gesu no Kiwani Otome izay hiseho mandritra ny fandaharana fahitalavitra mozikaly malaza iray hampahafantatra ny rakikira iray vaovao izay nokasaina hivoaka amin'ity volana Febroary ity.

Nanana ny lazany tokoa i Becky, 31 taona, tao amin'ny fahitalavitra japoney tamin'ny 1999. Noho ny rainy Britanika sy ny reniny Japoney, dia fantatra amin'ny maha hafu (olona manana fiaviana metisy ny razambeny) na “manatalenta” (tarento) azy i Becky. Noho ny tanjany, ny mahasariaka azy ary sy ny maha-ikoizana azy eo amin'ny fahadiovana, dia voalaza fa  Becky is said to have appeared in more television commercials than any other tarento in Japan.

Ny marina dia lasa any amin'i Becky avokoa ny asidra voatoraka ao amin'ny media sosialy, raha heverina ho mpiray tsikombakomba be revy kosa i Kawatani.

Raha anaovana karoka amin'ny alalan'ny sary ny sarintavan'i Becky’ ao amin'ny kaonty Twitter-ny dia tonga amin'ny fanasana anao hijery ny “Becky, iray amin'ny tafiditra amin'ny tantaram-pitiavana tsy ara-dalàna iray” ( ベッキー 不倫 相手).”

ベッキー 不倫 相手

Ny karoka amin'ny alalan'ny sarin'i Becky ao amin'ny Twitter dia tonga any amin'ny fanoroan-kevitra hijery ny “Becky, iray amin'ny mpifankatia ao amin'ny tantaram-pitiavana tsy ara-dalàna” ( ベッキー 不倫 相手).

Ny tena anton'izany angamba dia ny lazan'i Becky miohatra amin'i Kawatani.

Na izany aza, araka ny fahatsapan'ny Japoney amin'ny ankapobeny, ny antsipirihan'ny fiarahan'i Becky tamin'i Enon Kawatani dia mifanipaka tanteraka amin'ny endrika ahafantaran'ny besinimaro azy ho “sipa hendry.” Tsy vahiny amin'ny olon'ny fialamboly ao Japan ny miodina manala azy, saingy vehivavy tsy manambady i Becky ary manambady i Kawatani, ary misy dikany lehibe izany amin'ny mpanao dokambarotra.

Araka ny fomba Japoney, raha hita ny porofo fa nisy ny fihaonana tsy ara-dalàna, izay voa tamin'ny raharaha, eto dia ny vadin'i Kawatani, dia mananjò hitaky fanonerana (慰謝料, isharyo) avy amin'i Becky tondroina ho furin aite  (不倫 相手), nahatonga ny raharaha. Koa satria moa tsy nanam-pikasana ny hisaraka amin'ny vadiny izy, dia afa-doza i Kawatani.

Ny tena zava-doza ho an'i Becky dia jerena toa tsy tena amin'ny fony no nanaovany fifonana tamin'ireo mpankasitraka azy rehefa nipoaka ny raharaha. Navoakan'ny gazety mpanaitaitra Shukan Bunshun ny heverina ho resaka tao amin'ny LINE nifanaovan'i Becky sy Kawatani izay samy nanazavan'izy roa ny toe-draharaha.

Misy ireo mpaneho hevitra amin'ny aterineto naminavina fa nosovohan'ny Shukan Bunshun tokoa ny kaonty LINE an'i Becky sy an'i Kawatani ary nivoaka ampahibemaso ny resaka mialoha ny hahafantaran'izy roa fa manana porofom-pijangajangana misy eo amin'izy roa ilay gazety mpanaitaitra.

Toe-javatra mety hiseho ihany koa ny mety ho nilazan'ny vadin'i Kawatani tamin'ny Shukan Bunshun ny raharaha aloha ka nahatonga ny gazety tia mamoaka zava-manaitaitra sy manafintohina hiditra amin'ny kaonty LINE an'ny vadiny, izay efa nikendry ny hamotika tanteraka mihitsy ny lalan'asa izoran'i Becky. Saingy tsy misy ny porofo fa toy izay ny fandehany.

Ny vokany dia raha niverina tsimoramora ao amin'ny fiainany andavanandro tsy maninon-tsy maninona i Kawatani, ao anatin'ny fotoana potika tanteraka kosa ny lalan'asa izoran'i Becky. Raha mifototra amin'ny mozikany ny satan'i Kawatani, ny ahazoan'i Becky tsena kosa dia miankina fotsiny ihany amin'ny endrika maha-madio ara-pitondratena azy, olona tsy mampatahotra, ary potika tanteraka izany endrika izany.

Mety mihenjana be amin'ireo vehivavy manantalenta ny tontolon'ny fialambolin'i Japan. Rehefa nitatitra ny Bunshun fa i  Minegishi Minami, mpikambana mpanorina ny tarika mpihira Japoney ankafizin'ny tanora AKB48, dia mety ho manan-draharaham-pijangajangana, dia nahintsana haingana dia haingana izy ary nivoaka tao amin'ny YouTube voaharatra ny lohany.

峯岸 みなみ

Minami Minegishi miala tsiny noho ny filazana fisian'ny raharaham-pijangajangana. Fivakin'ny soratra: “Mendrika bedesina amin'ny zavatra rehetra aho. Mifona indrindra aho.” Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube.

Ny nanaovana an'i Becky sy Minami ihany koa dia mandravaka ny toerana marefo dia marefo itoeran'ny mpampiala voly eo amin'ny tontolon'ny fialamboly Japoney.

Nahazo ny lohateny lehibe ihany koa ny fiarahan'ny tarika japoney SMAP tamin'ny janoary teo rehefa nilaza ry zareo fa hisaraka rehefa niaraka nandritra ny 30 taona latsaka. Vao maika moa talanjona ireo gazety mpamoaka zava-manaitaitra ao Japan rehefa nivadi-teny indray ny SMAP, ka nilaza fa hanohy ny fiarahana indray ry zareo na izany aza. Raha misy ny mpaneho hevitra sasantsasany manolo-kevitra fa ny fihetsika reraka sy nahazo taona dia mety ho avy amin'ny raboto miendrika olona, ny hafa milaza fa ny fivadihan'ny SMAP tampoka tamin'ny teniny no manaporofo ny herin'ireo sampan-draharaha misahana ireo mpanatalenta ao Japan, ary ny rafitra ara-talentan'i Japan dia toerana bitika iray amin'ny fomba fampiasan'ny Japoney izay tontolo izao amin'ny ankapobeny.

Tahaka ireo mpiasa mpandray karama salantsalany isam-bolana ao Japan, eo amin'ny tapa-dalan'ny sehatrasa toa an'i Becky, dia kely dia kely ny fahafaha-manova asa sy manandrana zava-baovao. Fahadisoam-pamindra monja dia voaroaka any ivelan'ny toeram-piasana.

Tsy ny rehetra anefa na izany aza no maharaka ny tantaran'i SMAP sy Becky.

Lasa matoambaovao indray ny tontolon'ny fialamboly eto Japan. Fa misy inona?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.