- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Notorian'ny Orinasa Mpanolotra Aterineto Eny Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fitsikilovana An'Aterineto I Kremlin

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
Taking on the goliath of Russian Internet surveillance. Original image: Flikr user αndrΩ / David and Goliath. CC 2.0. Edited by Kevin Rothrock. [1]

Manaiky ilay goliatan'ny fanaraha-mason'ny aterineto rosiana. Sary niaingana: mpisera Flickr αndrΩ / David ary Goliath. CC 2.0. Novain'i Kevin Rothrock.

Nifaneken'ny orinasa rosiana roa mpanolotra aterineto ny hitory ny Sampan-dRaharaham-Piarovana Federaly (FSB) hihantsy ny maha-ara-dalàna ny SORM [2]—rafitra fanaraha-maso ampiasain'ny polisy federaly hitsikilovana ny fampiasana aterineto.

Tsy kely izany. Mba hampandeha ny rafitra fitsikilovana an'aterineto rosiana, dia tsy maintsy mametraka fitaovana manokana (sady lafo dia lafo) ireo orinasa mpanolotra aterineto ahafahan'ny FSB mikarokaroka. Araka ny lazain'ny mpanao gazety Andrei Soldatov sy Irina Borogan, ny “vata SORM [3]” dia “iray amin'ny fitaovana tia tsofotsofoka indrindra eto ambonin'ny tany hihainoana, ary ny governemanta rosiana no lohalaharana amin'ny fifanandrinana manatantara indrindra amin'ny hoavin'ny aterineto.”

Nandray ny raharaha ny orinasa mpanolotra aterineto ho eo ambany fitarihan'ny vondrona tsy ara-barotra ao Moskoa Fikambanana Fiarovana ny Aterineto (OZI), izay ny manampahaizana momba ny teknolojoa vaovao Leonid Volkov sy Sergei Boiko. Raha niatomboka tamin'ny Desambra 2015 ny OZI, dia manampikasana ny hihaika ny fanitsakitsahan'ny governemanta ny fahalalahana an'aterineto sy hanosi-bohontanana [4] ireo “fikambanana ara-panjakana na manakaiky ny fanjakana maro izay mandrava hatrany ny aterineto ao Rosia.”

Tsy ny raharaha anoherana ny SORM ihany no ady ataon'ny OZI: ny fikambanana dia eo am-pitadiavana ihany koa [5] mpanolo-tena mpandrafitra lahatrasa [programmers] hampivelarana rafitra hanara-maso ireo fantsona hita maso mampifandray ny RuNet amin'ny tontolo ivelany.

Nilaza i Volkov fa misy 50-200 amin'ireny fantsona ireny amin'izao fotoana, saingy misy ny tsaho mampanahy milaza fa te-hampihena io isa io ho any amin'ny telo na efatra any i Moskoa. Ny fialana amin'ny fifaninanana, araka ny fandresen-dahatr'i Volkov, ny hahafahan'i Kremlin manana fahafaha-manome valisoa itsinjarana ny tsena amin'ireo “orinasa azo atao akama”. Tsy manantena ny OZI fa hampiato ny paika izany, saingy manantena i Volkov fa hanome fotoana ny Rosiana hihetsika alohan'ny fotoana ilazana fa tratra aoriana loatra tsy hahafahana manao na inona na inona intsony ny fanaraha-maso ity raharaha ity. Ny fahavitsian'ny fantsona ihany koa dia tena manamora dia mora ny fampisintahana ny ateineto rosiana amin'ny World Wide Web [tahalaben'ny tranonkalan'izao tontolo izao] raha misy ny krizy ara-politika.

Nandritra ny taona maromaro izao dia iray amin'ireo manampahaizan'ny teknôlôjia fanta-daza amin'ny fitarihana ny hetsika demôkratika ao Rosia i Leonid Volkov, mandrafitra rindrambaiko e-demôkrasia, mitazana avy eo ambony ny fandrotsaham-bato an-tseraseran'ny “Vaomiera Mpandrindra ny Fanoherana” tamin'ny 2012, ary namelona ny fanentanan'i Alexey Navalny, ilay mpikatroka miady amin'ny kolikoly nandritra ny fifidianana ho Ben'ny Tanàna tao Moskoa tamin'ny 2013 (izay kely foana ny tsyy nahombiazany hisian'ny fihodinana faharoa). Ankehitriny i Volkov no Mpitantana ny Tetikasa ao amin'ny “Ekipan'i Navalny,” mandrindra ny ezaka hampisehoana ny kolikoly ao amin'ny fitondram-panjakana rosiana.

Manantena ny OZI hahatontosa antsakany sy andavany ity asa ity miaraka amin'ny ekipa izay mpanolotena no betsaka ao aminy ary ny tetibola dia avy amin'ny fitiatsimbahetra amin'ny ankapobeny, fa raisina tsara ihany koa ny fanomezana avy amin'ny fandraharaham-panohanana.