- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hitan'izao Tontolo Izao Ihany Ireo Hatsaran'ny Fizahantany Ao Azia Afovoany Ihany Nony Farany

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Ozbekistan, Tajikistan, Tiorkmenistana, Mediam-bahoaka, Tsidika

Irkht, Badakhshan, Tajikistan. Sary avy tamin'i Bakhriddin Isamutdinov. Nahazoana fahazoandàlana

Mba mahazo rivotra madio kely ao anatin'ny laza iraisampirenen'ny ao amin'ny faritra  ilay hatsaràna natoraly be  voninahitra ao Azia Afovoany, matetika voaloto noho ireo mpitondra mpanao jadona izay mitondra any.

Eo amin'ny faharoa no laharan'i Tajikistan ao anatin'ilay lisitr'ireo toerana nivoatra haingana falehan'ny mpizaha tany, izay navoakan'ny Fikambanana Manerantany Momba Ny Fivezivezena ao  amin'ny Firenena Mikambana vao haingana, nandrakitra [1] fitomboana 94%-n'ny mpitsidika nandritra ny taona 2015.

Ary tapabolana lasa izay, vitan'i Kyrgyzstan ny niditra ho anatin'ny lisitr'ireo toerana fito tsara aleha indrindra ho an'ny taona 2016 an'ilay gazety Britanika the Financial Times [2], hoy ireo mahay ny ativilanin'ilay indostria.

Fiovàna tsara ho an'i Azia Afovoany ny hoe ireo Stans Sovietika manintona ny media maneran-tany ho toy ny toerana falehan'ny mpizahantany mbola tsy nisy nahita, miavaka, virijiny, izay tsy mba fahita matetika ao amin'ireo media iraisampirenena noho ireo tranganà herisetra, fifandonan'ireo miaramila, fanitsakitsahana zon'olombelona, fahapotehan'ny toekarena, ary ireo lalàna tsy misy dikany.

Iny taona lasa iny, nampiseho ny natiora tsara tarehin'i Tajikistan tamin'ny alalan'ny sary [3] ny Global Voices, ary nanome torolàlana momba ireo toerana tena tsara jerena ho an'ireo mety handeha ho any. Ankehitriny, ndeha hiverenana io resaka io, ary hanopy maso ny hatsaran'ireo Stans dimy ao Azia Afovoany, amin'ny alalan'ny fakàna sary amin'ny drone (fitaovana manidina) sy ireo lahatsary fampahafantarana.

Kazakhstan

Ilay firenena fahasivy lehibe indrindra [4] eto an-tany amin'ny habe, manana zavatra betsaka omena i Kazakhstan, amin'ilay kolontsainany mifindrafindra monina sy Astana renivohitra vao naorina, ka hatramin'ireo lemaka midadasika, ny taiga (ala matevina itambaran”ireo karazan-kazo antsoina hoe conifères) sy ireo vatovato hadilanana any an-tendrombohitrany.

Kyrgyzstan

Manana torohevitra [2] vitsivitsy ho an'ireo mpamaky azy izay mitsidika an'i Kyrgyzstan ny Financial Times:

Fandehandehanana an-tongotra any amin'ireo tendrombohitr'i Tian Shan, mandeha an-tsoavaly eny amin'ireo tany lava volo na mandeha bisikileta amin'ilay làlana fahiny “Làlan'ny Landy”, ary mipetraka amin'ireo yourtes (fonenana) nentimpaharazana didinin'ny tany efitra.

Tajikistan

Ho an'ireo tia natiora, feno tendrombohitra amin'ny 93 % ny tanin'i Tajikistan miaraka amin'ireo farihy kelikely miparitaritaka eny rehetra eny [3]. Ho an'ireo tia tantara, feno ady nifanaovana tamin'ireo mpananibohitra ny lasan'ilay firenena, niantomboka tamin'i Alexander Lehibe ka hatramin'i Cengiz Khan. Ary ho an'ny mpitady ny ara-panahy indray, afaka mahita ny tsangambato lehibe indrindra an'i Bouddha ianao ao nirvana, mitsidika ilay tempoly tranainin'i Zoroastrian, ary miteny ny fitenin-drazan'ny Imam al-Bukhari [5].

Turkmenistan

Ireo soavaly Akhal-Teke [6] malaza maneran-tany, ireo “tapis” vita tànana avo lenta [7] , ny tany efitra sy ireo rameva, ireo tanàna feno tsangambato volamena – ao Turkmenistan izany rehetra izany, ilay  firenena faha-efatra erantany manana tahirin'entona natoraly betsaka indrindra [8].

Uzbekistan

Meteza ianao ho babon'ireo tanàna tranainin'i Bukhara sy Samarqand, ivereno hiainana ny tantaran'ireo fanjakàna taloha amin'ny Làlan'ny Landy, ary jereo ireo sivilizasiôna Tiorka sy Persiana any Ouzbekistan, izay antsoina matetika hoe vakam-potsin'i Azia.