- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampihena Ny Didy Famonoana Ho Faty Ho Famonjana Valo Taona Poeta Iray I Arabia Saodita

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Haisoratra, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Ashraf Fayadh .. via Instagram

Ashraf Fayadh .. via Instagram

Navadik'i Arabia Saodita ho famonjana valo taona sy kapoka an-karavasy miisa 800 ny didy famonoana ho faty [1] [mg] ilay Palestiniana poeta Ashraf Fayadh, voampanga ho nihemotra tamin'ny finoana sy ireo faniratsirana an'Andriamanitra izay vesatra tsipahiny, hoy ny nambaran'ny mpisolovavany tamin'ny alalan'ny Twitter androany.

Tao amin'ny sioka iray, izay nahitana famoahana an-gazety amin'ny teny arabo mipaingotra aminy ny mpisolovavany Abdulrahman Al-Lahim no nilaza fa nanaisotra ny didy famonoana ho faty ny fitsarana, ary nanolo izany ho famonjana sy fikapohana an-karavasy imasom-bahoaka, kapoka 50 isan-kerinandro, sy ny fandidiana an'i Fayadh tsy hamoaka ny tontonkalony amin'ny fampitam-baovao ofisialy Saodiana :

Notazonin'ny mpisolovava fa tsy meloka i Fayadh ary notakiany ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro avy any am-ponja.

Fayadh, izay teraka sy niaina any Arabia Saodita, dia nikarakara seho ara-javakanto [5] tao Jeddah nandritra ny roa taonan'ny fampirantian'i Venizy sady mitarika manana ny lanjany ao amin'ny Edge of Arabia [6], fikambanana ara-javakanto Britanika-Saodiana iray. Notazonin'ny polisy ara-pivavahana [7], fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Komity Fampiroboroboana ny Fahadiovam-pitondratena sy Fisorohana ny Faharatsiam-pitondratena [8] ao Abha, ao atsimo andrefan'i Arabia Saodita, i Fayadh tamin'ny Aogositra 2013 tamin'ny voalohany.

Navotsotra noho ny fandoavana onitra mifanaraka amin'izany ity lehilahy 35 taona ity raha nosamborina indray tamin'ny voalohany Janoary 2014, rehefa nodidiana higadra efa-taona any am-ponja sy hahazo kapoka karavasy 800 izy. Taorian'ny fampakarana ny fitsarana nataon'ny mpisolovavany, dia notsarain'ny manampahefana ara-pitsarana indray ny raharahany teo anoloan'ny andiam-pitsara vaovao, izay nandidy an'i Fayadh hovonoina ho faty tamin'ny Novambra 2015, noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny tsy-finoana an'Andriamanitra tao amin'ireo angona tononkalo nataony nivoaka tamin'ny 2008 mitondra ny lohateny hoe Instructions Within.

Araka ny Human Rights Watch [9]:

Prosecutors charged him with a host of blasphemy-related charges, including: blaspheming “the divine self” and the Prophet Muhammad; spreading atheism and promoting it among the youth in public places; mocking the verses of God and the prophets; refuting the Quran; denying the day of resurrection; objecting to fate and divine decree; and having an illicit relationship with women and storing their pictures in his phone.

Niampanga azy amin'ny vesatra mifandraika amin'ny faniratsirana an'Andriamanitra ireo mpitsara, ka tafiditra amin'izany ny fitenenan-dratsy ny ‘Andriamanitra tenany’ sy ny Mpaminany Muhammad; ny fampielezana ny tsy-finoana an'ANdriamanitra sy ny fampiroboroboana izany amin'ny tanora eny amin'ny sehatry ny vahoaka; fanimbazimbana ny tenin'Andriamanitra sy ny mpaminany; fitsipahana ny Korany, fandavana ny androm-pitsanganana avy amin'ny fahafatesana; fandavana ny didy sy ny lahatr'Andriamanitra ary ny fiarahana tsy ara-dalàna amin'ireo vehivavy sy ny fitehirizana ny sarin'izy ireo ao amin'ny findainy.

Ao amin'ny Twitter, maro ireo mbola manohy mitsikera an'i Arabia Saodita sy ny vitany eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona, na dia eo aza ny fampihenan-tsazy nomena an'i Fayadh. Misioka i Zena:

Misento fa najanona ny didy famonoana ho faty an'i Ashraf Fayadh. Saingy tsy rariny ny famonjana 8 taona sy ny kapoka 800.

Nanampy i Bandar Almogtrb:

Ny rariny dia ny famotsorana avy hatrany an'i Ashraf Fayadh sy ny fanonerana aminy izay natao taminy sy ny fianakaviany tamin'izao zava-nitranga rehetra izao

Ary i Naser Al-marshdi nilaza fa fotoana izao hananan'i Arabia Saodita lalàna voasoratra hisorohana ny lfamariparitana nataony ho didiko fe lehiben'ny mpitsara:

Porofo mazava ny raharaha Ashraf Fayadh fa ilaina ny lalàna voasoratra hankatoavin'ny mpitsara fa tsy hanankinana ny didy avoakany amin'ny fahatsapany sy ny heviny ary ny fomba fandraisany manokana ny raharaha

Mandritra izany fotoana izany dia tohina i Shatha Nour amin'ireo mankalaza izao fanapahan-kevitra izao ho fandresen'ny fitsarana saodiana :

Tohina aho amin'ireo mankalaza ny fitsarana [rariny] saodiana. Rariny ny famonjana azy valo taona? Sa rariny ny kapoka 800? Fa rariny [fitsarana] inona no lazainareo?