
Sasantsasany amin'ny sioka miresaka ny saripikan'i Alon Skuy avy amin'ireo mpisera @LanC_02, @gussilber, @BIZKID_WORLD ary @LeMondZuid
Nisy sary [1] nopihana tamin'ny 26 Janoary 2016, teo ivelan'ny Fitsarana Ambony tao Johannesburg, Afrika Atsimo, nisintona ny fifantohana amin'ny hatsan'ny fidirambola ao Afrika Atsimo taorian'ny apartheid.
Ny pika nalain'i Alon Skuy, Afrikana Tatsimo mpaka sary iray miasa ho an'ny gazety Afrikana Tatsimo, The Times, dia mampiseho fifangarihana [2] eo amin'ny olo-malazan'ny radio Afrikana Tatsimo Gareth Cliff miaraka amin'ny mpisolovavany, Dali Mpofu, nandeha teo akaikin'ny lehilahy iray toa mihady ao amin'ny fako.
Nampirongatra sahotaka tao amin'ny Twitter i Gareth Cliff [3] vao tsy ela akory izay rehefa nanome ny heviny tao amin'ny Twitter momba ny fanehoan-kevitra iray manavakava-bolonkoditra [4] nataon'ny mpivarotra tany sy/na trano antsoina hoe Penny Sparrow milaza ny Afrikana-Tatsimo mainty hoditra mpandeha eny amin'ny tora-pasika ho ‘ragidro’ izy. Hoy i Cliff tamin'ny famaliana ny hevitra manafintohina nataon'i Sparrow, “tsy azon'ny olona akory ny atao hoe fahalalaham-pitenenana”.
Taorian'ny sahotaka, dia nesorina [5] avy amin'ireo vondron'olona mpitsara tamin'ny fifaninanan-kira amin'ny fahitalavitra South African Idols [6] i Cliff. Nandresy [7] izy raha nitondra ny raharahan'ny fanesorana azy teny amin'ny fitsarana ka nilaza ny mpitsara tao fa ny raharaha dia miompana amin'ny fifanarahana fa tsy amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra na fahalalaham-pitenenana.
Cliff, izay Afrikana Tatsimo fotsy hoditra, dia nosoloan'i Dali Mpofu, Afrikana Tatsimo mainty hoditra vava tao amin'ny Fitsarana. Mpofu no filohan'ny the Economic Freedom Fighters [8], [Mpiadin'ny Fahalalahana ara-Toekarena] antoko sosialista mpanohana ny mainty ao Afrika Atsimo.
Ny sary voalaza, izay nozaraina fatratra tao amin'ny media sosialy, dia heverin'ny mpaneho hevitra ho hita maso maneho indrindra an'i Afrika Atsimo post-apartheid [taorian'ny vanimpotoanan'ny fanavakavaha-bolonkoditra] , izay nihalalina ny hantsan'ny fidirambola eo amin'ny vondronolona samihafa [9] hatramin'ny nifaranan'ny fitondran'ny fotsy hoditra vitsy an'isa tamin'ny 1994. Iray amin'ireo ahitana fitsinjarambola mifanalavitra indrindra [10] amin'ny olona ao aminy eto ambonin'ny tany i Afrika Atsimo.
#Inequality [11] always in the background & never the focus. It’s up to us to change this #SouthAfrica [12]
Photo by Alon Skuy pic.twitter.com/W61W7y9NPJ [13]
— Elle West (@elle_west_ct) January 29, 2016 [14]
Mbola ao ambadika hatrany ny [hantsan'ny fidirambola] fa tsy mety ifantohana mihitsy. Antsika no manova izany
South Africa… 🇿🇦
We have a looonnnggg way to go.
Thank You Alon Skuy. pic.twitter.com/uvdXv4EVbo [15]
— #YMS∞ (@BIZKID_WORLD) January 29, 2016 [16]
Afrika Atsimo… 🇿🇦
Mbola laaaavitra be ny lalana alehantsika.
That pic by Alon Skuy:A summary of Post-Apartheid SA.
— Zimbali Mncube (@Zimbali_Mncube) January 29, 2016 [17]
Izato sarin'i Alon Skuy: Fehin'i Afrika Atsimo taorian'ny fanavakavaham-bolonkoditra.
Tao amin'ny Twitter, mpiserasera iray nanontany, nanonona ny antokon'ilay mpisolovavan'i Cliff, ny Economic Freedom Fighters [Mpiadin'ny Fahalalahana ara-Toekarena] :
Whose economic freedom is it, anyway? The powerful photograph shot by Alon Skuy https://t.co/1w4C91DJTe [18] pic.twitter.com/WevL3YXi4H [19] RT
— Internet Activist ZA (@TupacZA) January 29, 2016 [20]
Izany eo ihany fa fahalalahana ara-toekarenan'iza tokoa moa izy ity? Sary matanjaka nopihan'i Alon Skuy
Nanamarika i Shabtai Gold fa tsy namboamboarina ny sary:
Truly brilliant image from South Africa. not staged. By Alon Skuy https://t.co/z5GRxPZne1 [21]
— Shabtai Gold (@velvetart) January 29, 2016 [22]
Sary tena mamirapiratra tokoa avy ao Afrika Atsimo. Tsy namboamboarina. Avy amin'i Alon Skuy
Raha nankalaza ilay pika kosa i @fullframeSA :
Alon Skuy picture for @SowetanLIVE [23] of Gareth Cliff and Dali Mpofu is photojournalism at its best pic.twitter.com/XStA0n9Tk2 [24]
— Fullframepictures_ (@fullframeSA) January 29, 2016 [25]
Ny sarin'i Alon Skuy ho an'ny @SowetanLIVE [23] ahitana an'i Gareth Cliff sy Dali Mpofu no atao hoe fanaovan-gazety an-tsary amin'ny lafiny tsara indrindra
Nahatonga ny sasantsasany hikaroka sary maro kokoa avy amin'i Skuy io sary io:
Currently on google checking out Alon Skuy's work.
— Summer Reign (@Khuthii) January 29, 2016 [26]
Mijery ny asan'i Skuy ao amin'ny google amin'izao fotoana izao.