- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosiana Pastafariana Voalohany Manana Ny Fahazoandàlana Mamily Fiara Miaraka Amin'ny Sary Misatroka Fitantavànana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
Pastafarian Andrei Filin got his wish: here he is getting his driver's license photo taken wearing a colander. Screencap from YouTube.

Tanteraky ny Pastafarian Andrei Filin ny faniriany : eto izy dia eo am-pakàna ny sary miaraka amin'ny satroka toy ny fitantavànana, hataony amin'ny fahazoany mamily fiara. Dikasary avy amin'ny Youtube.

Andrei Filin, mpivavaka ao amin'ny  Fiangonan'ny  Flying Spaghetti Monster [1] (Spaghetti Goavam-be Mampahatahotra Manidina) sady antokom-pivavahana fantatra amin'ny hoe ‘Pastafarianism’, no Pastafarian voalohany any Rosia manana fahazoandàlana mamily fiarakodia misy ny sariny misatrokà fitantavànana.

Ny vadin'i Filin no nanao ilay satroka vita amin'ny bà, fa tsy metaly, heverina fa famantarana tsy maintsy entin'ny vondrom-piarahamonina Pastafarianisma.

Nozarain'i Filin tao amin'ny Twitter ny vaovaon'ny fahombiazany, amin'ny tenifototra hoe #Ramen—fanovàna ny lohahevitra patin'ny Pastafarian amin'ilay mahazatra bebe kokoa hoe “Amen”—.

Fandresena iray ho an'ny Pastafarianisma ao anatin'ny federasiona Rosiana ! R'amen ry rahalahy sy ranabavy !!! Voalohan'ny amin'ny fahazoandàlana mamily fiarakodia miaraka amin'ny fitantavànana any Rosia ! Tena andro lehibe ! #Ramen

Ankoatr'ireo fanontaniana vary raraka ( sy ireo andrana sasany tsy ahavitana ilay zavatra atao), tsy nanana olana i Filin nandritra ny fakàna sary sy ny fangalàny ny fahazoandàlany, araka izay hita ao amin'ny lahatsary [5] nakàriny ao amin'ny Youtube ho toy ny karazana torolàlana DIY (taovinao irery) ho an'ireo Pastafariana nàmany, amin'ny firaketana ny làlana nalehany.


Hazavain'i Filin fohy ao anatin'ilay lahatsary ny fototr'ilay fivavahana hafahafa ary lazainy ao ny momba ny vondrom-piarahamonina Pastafariana Rosiana, [6] mialoha ny nitantarany ilay ezaka hafakely nataony mba hahazoany izay ilainy.

Noho ny tahotra ny ratsy indrindra, dia efa niomana ny amin'izay mety ho ady am-pahavononana hiatrehana ireo tompon'andraikitra misahana ny fampiharana ny làlana i Filin ka nentiny ireo antotan-taratasy vita printin'ny lahatsoratra feno avy amin'ny Lalàna momba ny Fahalalahan'ny Fisainana sy ireo Fikambanana ara-pinoana [7]ary ny fehezandalàna Rosiana momba ny heloka bevava.

Fa na dia tsy mbola nekena ôfisialy ho fikambanana ara-pinoana any Rosia aza ny Flying Spaghetti Monster, dia arovan'ny lalàna mifehy ny fikambanana ara-pinoana ny zon'ireo olona izay tsy avelan'ny finoany hihanjaka loha imasom-bahoaka ireo.

Etsy andanin'izany, ny toromarika [8]avy amin'ny Ministeran'ny Atitany tamin'ny 2009 [8] mamaritra ny endrika ivelan'ny fahazoandàlana mamily fiara dia mamela ny ” fisian'ny sary misatroka tsy manakona  endrika ” ho an'ireo olona izay tsy avelan'ny finoany handeha tsy misy satroka.

Nisy fifanoheranà vondrom-pitsipika niseho niaraka tamin'ity endrika vaovaon'ny taratasy fahazoandàlana mamily ity, nankatoavin'i [9] Rosia tamin'ny Aprily 2014 ireo lalàna mandrara ny fanaovana satroka na zavatra hafa manarona ny loha rehefa alaina sary. Saingy toa ny toromarika tamin'ny 2009 indray no manan-danja kokoa noho ilay torolàlana vaovao momba ny endrika ivelany.

Haingana be ny fihanak'ilay vaovao : fotoana fohy taorian'ny fandresena miezinezina azon'i Filin, dia tsikaritry ny tao amin'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny fifamoivoizana tao Mosko fa niparitaka be tamin'ny haino aman-jery mahazatra ilay raharaha. Ny 12 Janoary, nambaran'ny [10]foibeny fa hanadihady tsara ny sarin'ilay moskovita “manao satroka tsy mahazatra”  ary mety hanapa-kevitra ry zareo raha tokony ho foanany ny fahazoandàlany mamily fiara.

Andro roa sy fanadihadiana iray taty aoriana, mbola nijanona ho mpandresy i Filin. Nomena ilay Pastafariana ny fahazoan-dàlany mamily fiara, saingy : manao ilay satroka bà fitantavànana izy rehefa mamily fiara. Raha toa ka tratra tsy manao io satroka io izy, dia very ny fahazoandàlana maha-mpamily azy, hoy [11]ny filoha lefitry ny mpanara-maso ny fifamoivoizana ao amin'ny fanjakan'i Maosko, Vladmir Kuzin. Tsy te-hanaraka ireo fepetra ireo i Filin izy tenany.

Eto isika izao. R'amen!
[…]
Tsy mahakasika ahy ny baiko anatin'ny Ministeran'ny Atitany. […] Hitondra fiara manao satroka bà miendrika fitantavànana aho, na satroka vita amin'ny gazety, na kasikety ‘baseball’. Ataoko izany na sola aho na be volo.

Ankoatry ny maha-Pastafariana hiringiriny azy, dia mpikatroka mafana fo amin'ny resaka zo sivily  sady mpanorina ny “Dvizhenie [14]” ( teny Rosiana midika hoe ” Hetsika” sy ” Fifamoivoizana”) — tetikasanà olom-pirenena izay manara-maso  ny asan'ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana ao Maosko i Filin.

Naorin'i Bobby Henderson avy any Oregon, Etazonia tamin'ny 2005, ny Fiangonan'ny Flying Spaghetti Monster.  Hamafisin'i Filin fa manodidina ny 170.000 ireo olona any Rosia mihevitra ny tenany fa mpino ao amin'io antokom-pinoana io. Hamafisin'ny fiangonana fa ny fiarovana ny fahalalahan'ny safidy, sy ny fanasongadinana ny fanahy mitsikera, ny fanesoana ary ny fanesoana ny tena no iraka ampanaovina azy. Raha mihevitra ilay antokom-pivavahana ho zava-dehibe ireo mpanara-dia ny Pastafarianisma, ny sasany kosa mahita izany ho toy ny antokom-pivavahana izay mamazivazy  ireo antokom-pivavahana voarindra, ny finoan'izy ireny, ny fomba amam-panaony, ny fiakanjony.

YEP!

Niko Alm,  solombavambahoaka ao amin'ny Parlemanta Aotrisiana no Pastafariana voalohany manerantany nandresy tamin'ny ady tamin'ny manampahefana nandritra ny telo taona ary nahazo sary misatroka fitantavànana paty natao tao amin'ny taratasy fahazoandàlany mamily fiara tamin'ny 2011.  Hamafisin'i Filin fa mitovy endrika sy loko aminà fitantavànana paty plastika izay nomen'i Alm azy nandritra ny fihaonany tamin'ny 2014 ilay satroka bà miendrika fitantavànana nisatrohany.