Tsia, Tsy Manery Ny Lehilahy Hanambady Vehivavy Roa Farafahakeliny i Eritirea

A traditional Eritrean wedding. Photo released under Creative Commons by Flickr user CharlesFred.

Fanambadiana ara-pomban-drazana Eritireana. Sary navoaka ambany fifehezana Creative Commons avy amin'ny mpisera Flickr CharlesFred.

Nisy habobo nivoaka an-tserasera milaza fa nandany lalàna manery ny lehilahy hanambady vehivavy roa farafahakeliny ny governemanta Eritireana fa raha tsy izany dia migadra, niteraka sary namboarina mampihomehy avy amin'ny mpiseraseran'ny Twitter nanerana an'i Afrika izany tantara izany.

Nolazain'ny tantara fa nolaniana ny lalàna noho ny tsy fahampian'ny lehilahy vokatry ny fahavoazana betsaka tamin'ny ady nifanaovana tamin'i Ethiopia. Nitranga nanomboka tamin'ny 1998 ka hatramin'ny 2000 izany ady nifanaovan'i Eritirea sy i Ethiopia izany.

Sahara Reporters, miorina ao New York, mifantoka amin'ny vaovao ao Nizeria, nifampiresaka tamin'ny solontenan'ny governemanta Eritireana ao amin'ny Misiona Eritireana ao amin'ny Firenena Mikambana ao New York, izay nitsipaka ny tsahotsaho.

Nifampiresaka tamin'ny manampahaizana manokana Eritireana Awet Weldemichael, mpanampy ny profesora ao amin'ny Oniversite Queen ao Canada, izay nandà ihany koa ny fahamarinan'ny tantara ny tranonkala. Notsipahan'ny manampahefanan'ny governemanta Eritireana tanteraka ny tantara avy eo.

Raha tsy fantatra mazava ny niavian'ny tantara, maro tamin'ny tranonkalam-baovao izay efa namoaka ilay tantara hosoka no nihemotra ka nanaisotra izany.

Nahita vilona hanaovana sary mampihomehy tamin'ilay tantara hosoka ny mpiseraseran'ny Twitter. Indreto ny santionan'ny sioka mampitokelaka taorian'ny nivoahan'ny tantara an-tserasera :

Raha vao nahare ny vaovaon'ny vady roa isan'olona tao Eritirea ry zalahy Yoruba!

Tsikaritra tao amin'ny Ambasady Eritireana ao Nairobi androany. Mifampitolona hahazoana “visa” mankao Eritirea ny lehilahy. Rehefa nahare fa tsy maintsy manambady ny lehilahy

Lehilahy Ogandey tamin'ny fandrenesana fa Lehilahy Miozolomana ao Eritirea ihany no tadiavin'ny zazavavy Eritireana.

Ny Filoha Uhuru rehefa nahare ny ‘tsy maintsy ananana vady roa’ ao Eritirea

Rehefa mankalaza ny tsingerintaonany ny vadinao Eritireana ary nanampoka azy amin'ny fisian'ny vady vaovao ianao

Ny Nizeriana voalohany naka vady anankiroa avy any Eritirea. Nilaza tamin'ny gazety hoe,”Raha afa-nanao izany aho, dia afaka koa ianao”.

Rehefa niteny tamin'ny vadinao ianao fa tsy maintsy manatrika fivoriana an-tampon'ny Vondrona Afrika maika dia maika any Eritirea

Nahavitana dokambarotra ho an'i Eritirea haingana kokoa ny habobon'ny vady roa noho ny fandoavana fanentanana lafo dia lafo amin'ny CNN.

Rehefa nahare ny vaovao avy any Eritirea aho… nitodi-doha nankany amin'ny masoivoho hahazoako ny “Visa” maimaimpoana..

Tsy hita ny nalehan'ny pasipaoroko. Miahiahy ny vadiko ho nahare momba an'i Eritirea aho.

😅😂😃 Fa nandresy i Eritirea!

Mahasahia ry zazavavy manampoka ny sipanao amin'ity fetin'ny mpifankatia ity amin'ny pasipaoro mankany Eritirea

Efa manova tsikelikely ny vola ogandey hahazoana tapakila an'habakabaka ho any Eritirea

Ry Zimbos manaova ho tahaka… ny pasipaoro, “visa”, fizakana olompirenena ho an'iza? Azonay izany, indreto izahay ry Eritirea!!!

Rehefa nahare ianao fa nofoanana ny VISAnao mankany Eritirea

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.