Baba Marta, Fomban'i Balkan Ifanakalozana Aody Nataon-Tanana

Tree decorated with amulets. Photo by Flickr user Niv Singer (CC BY-SA).

Hazo voaravaka ody. Saripika avy amin'ny mpisera Flickr Niv Singer. (CC BY-SA).

Any amin'ny faritra sasany ao Balkans, misy ny fomba mifandray amin'ny voalohany volana marsa antsoina hoe Baba Marta. Amin'io andro io, dia mifanakalo voan'ny hazo oaka, sahondra na haba voarandrana hanamarihana ny fanantonan'ny lohataona.

Ny ody nataon-tanana dia fantatra amin'ny anarana maro: martinki (Мартинки any Makedonia), mártenitsa (Мартеница any Boligaria), mărţişor (any Romania sy Moldavia), martis ( Μάρτης any Gresy). Anaovana izy ireny, atsatoka amin'ny fitafiana na afatotra amin'ny lanton-tanana mandra-pamelan'ny natiora, ary ahantona amin'ny hazo avy eo. Ity lahatsarim-panabeazana nataon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Romaniana ity no manazava lalindalina kokoa ny Mărţişor :

Firenena efatra–Makedonia, Boligaria, Romania ary Moldavia–no nametraka fangatahana iraisampirenena tamin'i UNESCO tamin'ny 2013 hiarovana ny Baba Marta ho lovan-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana an'ny vahoakan'i Balkan. Tamin'ny Desambra 2015, nasain'ny UNESCO indray ireo firenena ireo hametraka indray ny fangatahana, ary dia mandeha ny paipaika.

Mba ho fampiroboroboana ity fomban-kolontsaina iraisana ity, dia nisy fikambanana sy toeran-kolontsaina efatra avy any Makedonia, Boligaria, Romania ary Serbia nanokatra ny tetikasa ‘Arahaba Nahatratra Baba Marta 2016’. Avoitrany amin'izany ny fampirantiana mandehandeha ireo aody nataon-tanana avy amin'ny firenena telo ary eo ihany koa ny takelaka, fanadihadiana, atrikasam-pamoronana ary bazary izay ahafahan'ny mpanatrika mividy ny aodiny.

Hand made martinka from Macedonia. Photo by HAEMUS. Used with permission.

‘Martinka’ nataon-tanana avy ao Makedonia. Sary avy amin'ny HAEMUS. Nahazoana alalana.

Amin'ny maha-anatin'ny fiarahamiasam-pikambanana miampita sisintany azy ”Mari-panondroam-Pirenena Ao Anatin'i Eoropa Tafaray”, ity fampirantiana mandehandeha izay tsy fantatra ny fitodiana farany ity dia hitsidika an'i Skopje (Makedonia) amin'ny voalohany, avy eo Vidin (Boligaria) ary Buzău (Romania) mandritra ny volana marsa 2016. Ny tetikasa dia midika ho fanohanana mivantana ny fangatahana iraisampirenena ao amin'ny UNESCO hanoratana ny nentim-pahazaran'ny aody ao amin'ny Lisitra Mahasolontena Ireo Vakoka Ara-Kolontsaina Tsy Azo Tsapain-Tanan'ny Zanak'Olombelona.

Tsy mila ferana ao Balkans ny ala hamohamo mifandraika amin'ity fombafomban-dohataona ity. Na aiza na aiza misy anao dia afa-manatevin-daharana ianao amin'ny fanaovanao ny martinka / mártenitsa / mărţişor / martis, anao manokana araka ny hazavaina ao amin'ity lahatsarim-pampianarana avy ao Bulgaria ity.

I Vasilka Dimitrovska dia mpiara-manorina ny HAEMUS – Foibem-Pikarohana Siantifika Sy Fampiroboroboana Ny Kolontsaina, izay iray amin'ny mpanohana ny Baba Marta 2016.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.