Ny Planina Nazi Hamindra Ny Jiosy Ho Eto Madagasikara, Iray Amin'ny ‘Ahoana Raha Toa’ Nohadinoina Momba Ny Ady Lehibe Faharoa

Soldiers on the beach of Madagascar - via Blog My asa with permission

Miaramila amin'ny morontsirak'i Madagasikara – nahazoana alalana avy amin'ny blaogy My asa

Feno ‘ahoana raha’ ny Tantara. Tia mieritreritra ny zavatra hafa mety ho niseho amin'ny tranga nisy iray ihany koa ireo mpanoratra na tantara foronina na tantaram-pirenena raha hafa kokoa ny fizotrany. Ohatra, Ahoana raha ny Teza no nandresy tamin'ny Ady Lehibe Faharoa (araka ny noeritreretin'ny Amerikanina mpanoratra Philip K. Dick)? Ahoana raha nahomby tamin'ny fananiham-bohitra an'i Rosia i Napoleon tamin'ny 1811? Ary ahoana raha mbola velona tamin'ny namonoana azy ny Filohan'i Etazonia John F. Kennedy tamin'ny 1963?

Iray amin'ireo ‘ahoana raha tsy dia fantatra ny Planina Madagasikara, izay saika tontosa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Ny Planina Madagasikara dia politika novolavolain'ny governemanta Nazi tao Alemaina hamindra ny vahoaka jiosy avy ao Eoropa ho ao amin'ny Nosy Madagasikara tamin'ny fotoana nampangotraka ny ady. Ny hevitra izay natolotr'i Franz Rademacher, lehiben'ny Departemanta Jiosy tao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny, dia ny hanomezana an'i Madagasikara, zanatany frantsay tamin'izany fotoana izany, ho an'i Alemaina ao anatin'ny fepetra fibabohan'i Frantsa aminy. Nankatoavin'i Adolf Hitler ny kinasa ary tamin'ny 15 Aogositra 1940, nomeny baiko i Adolf Eichmann hanomboka ny famindra-toerana jiosy iray tapitrisa isan-taona eto Madagasikara mandritra ny efa-taona, toerana fehezin'ny SS ny firenentsika amin'izany fotoana izany. Heverina ho nahisaka izany kinasa izany raha nisafidy ny handripaka ny vahoaka jiosy ny Nazis avy eo.

Magnus Brechtken, Alemana profesora mpiara-miasa ao amin'ny Oniversiten'i Nottingham izay naka fahaizana manokana amin'ity Ady Lehibe Faharoa ity, no nanazava tamin'ny antsipirihany tao amin'ity lahatsary manaraka ity (amin'ny teny anglisy) ny nentin'ny Planina Madagasikara :

Iray amin'ny antony nandaozana ny Planina Madagasikara dia mifandray tamin'ny tsy nandresen'i Alemaina ny Fanjakana Britanika hifehezana ny zotra an-dranomasina, dingana tsy maintsy atao hametrapetrahana ny fitaovana sy izay ilaina amin'ny famindra-toerana. Mbola noeritreretin'i Hitler ihany ny kinasa mandra-pahatongan'ny taona 1942, rehefa nitolona hifehy an'i Madagasikara ny tafika britanika hanaisotra azy amin'ny Frantsa fehezin'i Vichy, izay namarana tanteraka ny planina.

Notsiponin'ny blaogy Malagasy My Asa ny arisivan-tantara manoritsoritra ireo fifandonana nisy teo amin'ny Tafika Britanika sy i Frantsan'i Vichy teto Madagasikara tamin'ny 1942. Indreto ny sasantsasany amin'ny saripika sy ny lahatsary tamin'izany fotoana izany hita tao amin'ny tsanganana blaogy:

RAF in Madagascar via My asa blog with permission

RAF teto Madagasikara nahazoana alalana avy amin'ny My asa blaogy

Ny lahatsary manaraka dia mampiseho ny fahatongavan'ny andiantsambon'ny Tafika Britanika niaraka tamin'ny Tafika Frantsay Afaka teto Madagasikara:

Ny ampitson'ny Holocaust Memorial Day [Androm-Pahatsiarovana ny Fanatitra Dorana] notontosaina tao amin'ny Fitondram-Panjaka Mitambatra (27 Janoary), dia niditra tamin'ny aterineto ny Malagasy hieritreritra ny fiantraikan'ny fanontaniana manao hoe, “Ahoana raha tontosa ny Planina Madagasikara?”

Tomavana, Malagasy blaogera iray monina ao Zeneva, Soisa, nanoratra fa maro loatra ny singa mila apetrapetraka hahitana mazava ny mety ho fihodin'ny tantara:

Bien que l'idée 1) d'épargner plusieurs milliers de vies me soit séduisante, j'avoue manquer d'imagination pour imaginer un monde meilleur avec seulement des “si”.  Jour après jour, mon action est plutôt dictée par le désir de léguer à nos descendants un monde moins pire que celui que nous avons reçu de nos parents … et inutile de dire que ce n'est pas aussi aisé

Na dia mety ho mahafinaritra ahy aza ny hevitra 1) hamonjena ain'olona an'arivony maro, dia miaiky aho fa sarotra ho ahy ny maka sary an-tsaina tontolo tsaratsara kokoa mifototra amin'ny ‘raha toa moa’ maro dia maro. Isan'andro ny zavatra ataoko dia toa baikoan'ny faniriana hametraka zavatra tsy ratsy kokoa noho izay navelan'ny ray aman-drenintsika ho antsika … ary tsy ilaina ny miteny hoe tsy mora ihany koa izany.

Randiana, Malagasy monina ao Frantsa, manontany tena raha hitovy amin'ny toe-draharaha misy amin'izao fotoana izao ao Palestinina ny zavamisy eto Madagasikara raha tafapetraka ny Planina Madagasikara :

Given the conflict in the occupied territories in Palestine today, the most pessimistic voices during the implementation of the Balfour Plan (the establishment in Palestine of a national home for the Jewish people) have now been overtaken by the harsh reality. Imagination, at that time, wasn't gloomy enough to predict the human tragedy of modern Middle East. (As for Madagascar), the Colonial period had left too many wounds, and some of them were still wide open long after liberation. A nation, after all, reacts to difference like an individual. You can only accept the other if you are at peace with yourself. Anyway, the Madagascar Plan had the same evil roots as the Ghetto and the Final solution plan: a racial pyramid, glorifying the Aryen race, where Africans, of which Malagasy, Tziganes were not even considered as humans.

Raha jerena ny fifandirana misy any amin'ireo tanin'i Palestinina voabodo amin'izao fotoana izao, ny feon'ny tsy resy lahatra indrindra tamin'ny fametrahana ny Planina Balfour (ny fametrahana ao Palestinina firenena iray ho an'ny vahoaka jiosy) dia efa voasongon'ny hasarotry ny toe-draharaha misy. (Tahaka izany koa ho an'i Madagasikara), namela ratra maro loatra ny fotoanan'ny fanjanahantany, ary mbola misokatra aza hatramin'izao fotoana ela taorian'ny fanafahana izao ny sasantsasany amin'izany. Mamaly ny fahasamihafana, tahaka ny olona iray, ny firenena iray. Afa-manaiky ny hafa ianao raha manaiky ny tenanao sy ny momba anao. Izany eo ihany fa mitovy fototra sain-dratsy amin'ny Ghetto sy ny ‘Vahaolana Farany’ ihany ny Planina Madagasikara: foko apetraka an-tanatohatra, manandratra ny foko Aryanina, izay tsy hiheverana akory ny Malagasy, ny Tziganes ho olombelona.

Tsy ho fantatsika intsony izay mety hitranga raha nahapetraka ny Planina Madagasikara i Alemaina. Saingy fantatsika fa maro dia maro ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa noho i Madagasikara, ary efa tsy noraharahiana, tahaka ny fanapahan-kevitra maro natao tamin'izany fotoana izany, ny momba ny vahoaka ao aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.