Aza Voafitaka. Fomba Nentin-Drazana Ekoatoriana Efa Ela Ny Satroka Panamà

Sombreros de Panamá. Foto en Flickr del usuario Fabrizio Cornalba (CC BY 2.0).

Satroka Panamà. Sary amin'ny Flickr avy tamin'ny mpampiasa Fabrizio Cornalba (CC 2.0).

Fantatra amin'ny hoe satroka Panamà io, fa satroka vita amin'ny ravina, be sofina, nentim-paharazana avy any Ekoatora, vita avy amin'ny ravina palmier toquilla na palmier jipijapa narandrana. Tamin'ny fotoana nanamboarana ny Lakandranon'i Panamà no nahazoana ilay anarana, raha nanafaranaan'arivony avy tany Ekoatora io satroka io ho an'ireo mpiasa izay niasa tamin'ilay lakandranomasina mampifandray ny Ranomasimbe Atlantika tamin'ny Ranomasimbe Pasifika.

Araka ny BBC, avy any amin'ireo tanàna Ekoatoriana Montecristi sy Cuenca ireo satroka Panamà tsara indrindra manerana ny tany, fa ireo mponina eo amin'ilay tanàna kely antsoina hoe Pile kosa milaza hoe izy ireo no manamboatra ny “satroka Panamà tsara indrindra manerana ny tany.”

 

Pile es una comunidad de artesanos y pescadores ubicada en la costa manabita a 40 kilómetros de Montecristi, que tiene como actividad principal el tejido de sombreros de paja toquilla. […] Actualmente, cuenta con una población de 750 habitantes aproximadamente. Hombres, mujeres y niños, desde muy temprana edad combinan sus labores domésticas con el tejido de sombreros de paja toquilla.
Ellos aún mantienen en la actualidad la tradición y técnicas del saber ancestral del tejido de sombrero fino. De aquellos maestros que tenían en sus manos el don de convertir a la humilde hebra de toquilla en una magnífica obra de arte, quedan muy pocos.

Vondrom-piarahamonina misy mpanao asa tànana sy mpanarato eo amin'ny morontsiraky Manabi ny Pile, 40 kilometatra [25 miles] miala eo Montecristi, izay ny fanamboarana ireo satroka vita avy amin'ny palmier toquilla no tena foto-draharaha. […] Manana mponina eo amin'ny 750 isa eo ankehitriny. Samy mampifandray ny zavatra ataony andavanandro amin'ny fandrandrànana satroka palmier toquilla daholo ireo lehilahy, vehivavy, ary ankizy, na tena mbola kely aza.
Mbola mitazona ny fomba nentin-drazana sy ireo teknikan'ny fahalalàna hatrizay amin'ny fanamboarana ilay satroka voarandrana tsara tarehy izy ireo. Vitsy sisa no tavela amin'ireo olona tompon'ny fahaizana, izay manana fanomezam-pahasoavana amin'ny fanovàna ireo toquilla ho lasa satroka tsara tarehy.

“Eo amin'ny tsena iraisampirenena, mety miovaova eo amin'ny 100 dolara ka hatramin'ny 30.000 dolara ny vidin'ny satroka iray, miankina amin'ny kalitaony sy ny hatsarany” hoy ny tatitry ny BBC World.

Ny 5 Desambra 2012, nanana antony tsara ny hireharehany amin'ny lovany sy ny fomba nentin-dazany ny Pile, satria nosoratan'ny Unesco ho ao amin'ny Lisitra Mampiseho Ny Lova Ara-Kolontsaina Tsy azo Tsapain-tànana an'ny Zanak'Olombelona  izy:

En este paraje de sencillas casas costeras, enclavado en medio de verdes cerros y el azul del mar del sur manabita, los moradores se sienten muy felices y a la vez humildes por el triunfo alcanzado a nivel mundial producto de su trabajo ancestral

Ao amin'io faritra anà trano tsotra amorontsiraka io, tafalatsaka tanteraka eo anelanelan'ireo tendrombohitra maitso sy ny loko mangan'ny ranomasin'i Manabite atsimo, miaina tena falifaly sady manetry tena ihany ireo mponina ho amin'io fahatanterahana maneran-tany io — vokatry ny asa hatrany amin'ny ntaolo taloha.

Satria entana tena lafo io, misy torohevitra maro mba hitazonana azy ho tsara lalandava, araka ny hazavain'ny vohikala Yoqs. Sombreros, boinas, gorras (Yoqs. Satroka, bere, kasikety). Misy toy izao ireo torohevitra sasany:

En climas secos cuando note que el sombrero esta muy seco y rígido, humidificarlo de vez en cuando con el vapor de una plancha a cierta distancia o dejándolo en el baño mientras se ducha. Así ganará flexibilidad, y será menos quebradizo. En climas húmedos guardar el sombrero en un lugar seco, para evitar que a la paja le salga moho.

Amin'ny fotoan'ny andro maina, rehefa hitanao maina loatra sy mafy ny satroka, lendemo kely amin'ny fera misy entona manalavitra, na ataovy ao amin'ny toerana fandroana sady mandro ianao. Ho lasa malefaka io ary tsy ho mora potika. Amin'ny andro mandomando kosa, ataovy amin'ny toerana maina ny satroka, mba hialàna amin'ny fiforonan'ny bobongolo amin'ilay palmier.

Ao anatin'ireo tsara indrindra sy lafo indrindra maneran-tany, ny satroka Panama vita avy ao Pile, Ekoatora.

Tiako ireo mpankafy, fa ny hoe mahazo fanomezana “satroka Panamà” kosa aloha tena… latsa-pitiavana!

Te-hanana satroka Panamà aho.

Maniry ny hisian'ny lohataona eto aho, amin'izay aho sambany ho afaka manao akanjo ambony manga antitra, ary satroka Panamà.

Soa fa toa hita ho tsara antoka ny ho avin'ny satroka Panamà miaraka amin'ilay taranaka vaovao anà mpanao asa tànana. Ao amin'ilay antsoina hoe “Hat Road” (Làlan'ny Satroka), nokatsahana hatrany ny fitazonana ny fomba nentim-paharazana ho velona amin'ny fanofànana ireo tanora kokoa hanao io asa io :

Pile es también un importante pueblo en esta ruta, ya que produce los sombreros más “Finos” de Paja Toquilla del mundo. Es importante recalcar, que sus habitantes aprenden a tejer estos finos sombreros desde niños en la escuela como una más de sus materias escolares, procurando así mantener viva la tradición que ha venido sobreviviendo por varios siglos.

Tanàna manan-danja amin'io làlana io koa i Pile, satria izy manamboatra ny satroka vita amin'ny toquilla “tsara idrindra” maneran-tany. Tsara ny manipika fa mianatra ny fanaovana io satroka tsara tarehy io ireo mponina ao aminy, hatry ny fony kely, toy ny taranja any an-tsekoly, amin'ny tanjona ny hitazona ho velona ny fomba nentin-drazana iray efa an-jato taonany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.