- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tranonkala Feno Saripika Avy Eny Ifotony Mampiseho Ny Hakanton'ny Fiainana Andavanandro Ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
 Life of Ferry Boats Yangon, MMR. 2015 © Thet Paing Htay [1]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Thet Paing Htay. Ny fiainan'ireo Sambo Fitaterana mahazaka betsaka. Yangon, Myanmar. 2015. CC License

Amporisihan'ny Featured Collectives [2], tranonkala iray fanoratana bilaogy manome saripika avy eny ifotony, mba hisoratra ao aminy ireo mpakasary mandrakitra ny fiainana isanandron'ireo olontsotra ao Myanmar.

Chit Min Maung [3], ilay mpakasary mitantana sy mandrindra ny tranonkala, nilaza tamin'ny Global Voices fa ikendrena ny hampisehoana ireo fahaizana mamoron'ireo mpakasary ao Myanmar ilay tetikasa ety anaty aterineto, ary mampifandrohy azy ireny  amin'ny vondrom-piarahamonina erantany. Hoy izy:

Eto Myanmar, mahazatra anay ny maka sary ny endrika tanàna midadasika sy sarin'olona, ary tsy mametraka safidy betsaka. Araka izany, tianay ny haneho hoe mbola manana karazana saripika samihafa izahay, ankoatra ireo sokajy roa ireo.

Myanmar, fantatra fahiny tamin'ny hoe Burma, dia teo ambany fifehezan'ny jadona miaramila efa ho 50 taona mahery mandra-pidirany tao anatin'ny tetezamita ho any amin'ny demaokrasia araka ny lalàm-panorenana tamin'ny 2010. Nandritry ny fitondràn'ny miaramila, tapaka tanteraka tsy nifandray tamin'izao tontolo izao i Myanmar, nitahiry kolontsaina tsy manampaharoa sy fomba fiaina toka-miavaka. Tamin'ny taona lasa, nandritry ny fifidianana nanan-tantara izay mety hanokatra vanim-potoana vaovao ho an'ny fiarahamonina ao Myanmar, resin'ny [4] mpanohitra ny antoko tohanan-dry zareo miaramil.

Satria i Myanmar manomana ny hitohizany mankany aminà fanavaozana misimisy kokoa ato anatin'ny volana vitsivitsy ho avy, tena zavadehibe ireo tranonkala toy ny “Featured Collectives” amin'ny fandraketana sy fitaterana ny fiainana andavanandro ao anatin'ny fiarahamonina iray haingam-piova iray.

Manasongadina andrana malalaka ahitana saripika sy sarin'olontsotra napetrak'ireo mpakasary avy amin'ny lafy roa, ivelany sy anatin'ny firenena, ilay bilaogin-tsary. Ohatra, asehon'ny sary voafantina ny lehilahy iray manamboatra vàkana vita amin'ny hazo.

Myanmar photography 1 [5]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i ThuYein. © ThuYein Photography. Lisansa CC

Mivaky toy izao ilay andrana malalaka:

ပုတီးဟာ မြန်မာလူမျိုးတွေရဲ့ မရှိမဖြစ်အသုံးအဆောင်ပစ္စည်းဖြစ်ပါတယ်။ အမျိုးသမီးများရဲ့ အဆင်တန်ဆာအဖြစ် အသုံးပြုခဲ့ကြခြင်းကတော့ အထင်အရှားပါပဲ။ လွန်ခဲ့တဲ့ နှစ်ပေါင်း ၂၀၀၀ ကျော် ပျူခေတ်က ပျူပုတီးတွေဟာ ထင်ရှားတယ်။… အဆင်တန်ဆာပုတီးကိုသာ ကင်းအောင်နေနိုင်သူရှိချင်ရှိမယ်။ စိပ်ပုတီးကိုတော့ မြန်မာလူမျိုးတိုင်း မကင်းနိုင်ကြပါဘူး။… စိပ်ပုတီးကို အများဆုံးပြုလုပ်တာကတော့ သစ်သားနဲ့ပါ။ အထွတ်အမြတ်အနေနဲ့မို့ မွှေးရနံ့သင်းတဲ့ နံ့သာဖြူ၊ နံ့သာနီ၊ ကရမက်အသားတွေနဲ့လည်း ပြုလုပ်တယ်။… တစ်ပြည်လုံးအတွက် စိပ်ပုတီးတွေကို မန္တလေးက ပြုလုပ်ဖြန့်ချိတာများပါတယ်။… ပုတီးစေ့တွေကို ပန်းပွတ်စက်နဲ့ပြုလုပ်ပြီး ကျလာတဲ့ လွှစာမှုန့်တွေ ပုတီးဖောက်ပြီး အသားပြားလေးတွေကလည်း ပစ်စရာမလိုဘူး။ တစ်နှစ်လုံးစာစုထားပြီး တပို့တွဲလ မဟာမုနိဘုရားကြီးပွဲတော်ရောက်တော့ တပို့တွဲလဆန်း ၁၄ ရက်က လပြည့်အကူး အရုဏ်တက်မှာ ရုပ်ရှင်တော်မြတ်ကြီးကို မီးပုံးထင်းပူဇော်တော့ ဒီပစ္စည်းတွေနဲ့ မီးပုံးထင်းအဖြစ်ပူဇော်ကြတာပါ။…”

Zavatra manandanja ho an'ny olona ao Myanmar ny vàkana. Mazava loatra fa endrika firavaka ihany koa ho an'ireo vehivavy izy. Nalaza ny rojom-bàkanaavy tany amin'ny vanim-potoana Pyu efa 2.000 taona tany aloha tany. […] Mety tsy ny olona rehetra no mampiasa ny vàkana fanao  haingon-trano, saingy manana  ny lanjany be kosa ho an'nireo Bodista ao Myanmar ny vàkana  fanaovana fandinihantena. […] Avy amin'ny hazo no tena fanamboarana ny vàkana fanaovana fandinihantena. Satria raisina ho zava-masina izy, dia hazo manitra no nanamboarana azy ireny. […] Mandalay no ivo fiaingàn'ny ankamaroan'ireo vàkana fanaovana fandinihantena izay miparitaka manerana ny firenena. […] Tsy hoe ariana eny rehetra eny fotsiny ny ambin'ireo hazo avy nanamboarana vàkana. Hiasa izy ireny rehefa tonga ny fetibe masina, antsoina hoe Da Poe Twe, mba hanomezana afo ny sarin'i Buddha.

Ireto ny sasany amin'ireo saripika ankafizinay manokana, izay mampiseho ny endriky ny arabe isanandro ao Myanmar. Aza adino ny mitsidika ilay tranonkala [2] mba hahitàna sary mahafinaritra bebe kokoa.

[6]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Phyo Hein Kyaw. Fahazazàna. Mandalay, Myanmar. 2015. Lisansa CC

Myanmar photography 3 [7]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Khant Min Htun. Mandalay, Myanmar. 2016. Lisansa CC

tumblr_nzpqi0LV2v1ug1uzyo1_1280 [8]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Thant Zaw. Toerana fivarotana kafe. Yangon, Myanmar. 2015. Lisansa CC

Myanmar photography 5 [9]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Myat Thu. Fanjakan'i Rakhine, Myanmar. 2015. Lisansa CC

Myanmar Photography 7 [10]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Zarni Phyo.Novices. Lashio, Fanjakàn'i Shan, Myanmar. 2015. Lisansa CC

Myanmar photography 6 [11]

Sary avy amin'ny “Featured Collectives”, an'i Zarni Phyo. Yangon, Myanmar. 2015. Lisansa CC