- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rameva Mankafy Ranomandry Ao Arabia Saodita

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Saudi camels enjoying the snow in Tabouk, Saudi Arabia, tweets Aysha bint Abdulaziz (@ayosh70) [1]

Rameva saodiana mankafy ranomandry ao Tabouk, Arabia Saodita, nosiahan'i Aysha bint Abdulaziz (@ayosh70 [1])

Manatri-maso ranomandry ny ampahany amin'ny tany hay ao amin'ny fitondram-panjakan'i Arabia Saodita — ary mirohotra an-tserasera ny mpiserasera handrakitra izany. Na amin'ny saripika na amin'ny lahatsary, na amin'ny Twitter na amin'ny Facebook, ary na amin'ny Instagram na amin'ny Snapchat, dia mifahana isa-minitra ny fomba iainan'ny Saodiana amin'izany ranomandry izany.

Na dia tsy fahita aza ny ranomandry any Arabia Saodita, dia mahazatra kokoa any Tabuk [2], any avaratra atsinanan'i Arabia Saodita sy manakaiky ny sisintany Jordaniana, izay voarakitra fa misy firotsahan'ny ranomandry isaky ny telo ka hatramin'ny efa-taona.

Mizara ity sombim-baovao ity ny Foibe misahana ny Tadio:

Arabia Saodita: Orampanala eny amin'ny tomandavan'i Dhahr ao Tabouk. Saripikan'i Turki Alhuwaiti

Nisioka i Musleh Elharbi:

Mirotsaka ny fanala ao amin'ny tomandavan'i Aldhahr ary lasa fotsy ny tany. Jereo ny sombin-tsary ao amin'ny kaontiko Snapchat.

Mizara ny sary heverina fa nopihana talohaloha nandritra ny andro nivezivezen'ny ondry sy ny rameva anaty ranomandry i Aysha bint Abdulaziz:

Rameva any amin'ny tany hay azon'ny ranomandry ary ny tena meva dia ity andian'ondry ity

Ary i Fahad Aldhorfari niraza ny firotsahan'ny orampanala amin'ny fitaratry ny fiara (tsy vazivazy), izay nozaraina mihoatra ny im-70 tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity: