Rameva Mankafy Ranomandry Ao Arabia Saodita

Saudi camels enjoying the snow in Tabouk, Saudi Arabia, tweets Aysha bint Abdulaziz (@ayosh70)

Rameva saodiana mankafy ranomandry ao Tabouk, Arabia Saodita, nosiahan'i Aysha bint Abdulaziz (@ayosh70)

Manatri-maso ranomandry ny ampahany amin'ny tany hay ao amin'ny fitondram-panjakan'i Arabia Saodita — ary mirohotra an-tserasera ny mpiserasera handrakitra izany. Na amin'ny saripika na amin'ny lahatsary, na amin'ny Twitter na amin'ny Facebook, ary na amin'ny Instagram na amin'ny Snapchat, dia mifahana isa-minitra ny fomba iainan'ny Saodiana amin'izany ranomandry izany.

Na dia tsy fahita aza ny ranomandry any Arabia Saodita, dia mahazatra kokoa any Tabuk, any avaratra atsinanan'i Arabia Saodita sy manakaiky ny sisintany Jordaniana, izay voarakitra fa misy firotsahan'ny ranomandry isaky ny telo ka hatramin'ny efa-taona.

Mizara ity sombim-baovao ity ny Foibe misahana ny Tadio:

Arabia Saodita: Orampanala eny amin'ny tomandavan'i Dhahr ao Tabouk. Saripikan'i Turki Alhuwaiti

Nisioka i Musleh Elharbi:

Mirotsaka ny fanala ao amin'ny tomandavan'i Aldhahr ary lasa fotsy ny tany. Jereo ny sombin-tsary ao amin'ny kaontiko Snapchat.

Mizara ny sary heverina fa nopihana talohaloha nandritra ny andro nivezivezen'ny ondry sy ny rameva anaty ranomandry i Aysha bint Abdulaziz:

Rameva any amin'ny tany hay azon'ny ranomandry ary ny tena meva dia ity andian'ondry ity

Ary i Fahad Aldhorfari niraza ny firotsahan'ny orampanala amin'ny fitaratry ny fiara (tsy vazivazy), izay nozaraina mihoatra ny im-70 tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.