- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andro Ririnina Tsy Fahita Firy Tao Taiwan

Sokajy: Azia Atsinanana, Taiwan (ROC), Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana
A snowman at Yangmingshan National Park. Photo by Chi-Hung Lin. CC BY-SA 2.0 [1]

Sariolona vita ranomandry tao amin'ny Kianja Nasionaly Yangmingshan. Sary an'i Chi-Hung Lin. CC BY-SA 2.0

Raha jerena ny toetrandro mafàna sy mando ananany, tsy mahazatra ny mahita ranomandry ao amin'ny Nosy Taiwan, raha tsy hoe any amin'ireo faritra tendrombohitra manana haavo hatramin'ny 3.000 metatra ambonin'ny ranomasina no misy anao mandritry ny ririnina. Na izany aza, noho ny fidinana ambany loatra hita tany amin'ny tendrontany avaratra (arktika),  nandòna an'i Taiwana ny hatsiaka namirifiry indrindra tato anatin'ny 10 taona ny 24 Janoary 2016 teo, ary niaina oram-panàla ireo faritra maro manana haavo ambanin'ny 1000 metatra, tamin'iny faran'ny herinandro lasa iny.

Marobe ireo mponin'i Taiwan no nanararaotra naka sary tamin'ilay heveriny fa angamba toejavatra tsara tarehy tsy ho hitany raha tsy indray mandeha eo amin'ny fiainany.

taiwan blue magpie [2]

Magpie Manga an'i Taiwan tao amin'ny Kianja Nasionaly Yangmingshan ao Taipei, manodidina ny 400-1.100 metatra ambonin'ny ranomasina. Sary an'i andysu0408 ao amin'ny PTT, ny lehibe indrindra amin'ny Bulletin Board System ao Taiwan. Famerenana mamoaka nahazoan'ny Global Voices alàlana.

yangmingshan [3]

Lehilahy iray mandehandeha eo amin'ny Kianja Nasionaly Yangmingshan rakotry ny ranomandry. Sary an'i avant1997 ao amin'ny Facebook. Famerenana mamoaka nahazoan'ny Global Voices alàlana.

sakura [4]

Sakura rakotry ny oram-panàla ao Mrqwang. Mrqwang ao Hsinchu dia manodidina ny 700-1.200 ambonin'ny haavon'ny ranomasina. Sary an'i Taya Yumin ao amin'ny Facebook. Famerenana mamoaka nahazoan'ny Global Voices alàlana.

daurian redstart [5]

Daurian Redstart iray nitsangana teo anaty oram-panàla tao Mrqwang. Sary an'i Taya Yumin ao amin'ny Facebook. Famerenana mamoaka nahazoan'ny Global Voices alàlana.

Satria haingana be ny fiovàn'ny hafanàn'ny rivotra raha miohatra amin'ny an'ny fanambonin'ny ranomasina, hita tany amin'ny faritra atsimon'i Taiwan ilay zavon-dranomasina tsy fahita firy. Tao Xiaoliuqiu ity lahatsary nalefa tao amin'ny Youtube ity no nalain'i Ya-Lin Tsai:

Namely mafy tokoa an'ireo tantsaha mpamboly zavamaitso sy mpiompy trondro ilay toetrandro fotsy, ary tafahoatra ny 40 [6] ireo fahafatesana

Miaina miaraka amin'ny fianakaviany ao Mrqwang any Hsinchu i Taya Yumin. Nilaza izy [7] fa tamin'ny 25 Janoary:

清晨,和媽媽到菜園裡,用水澆菜,也用手把葉子上的雪和冰拿掉,全身凍僵地在田裡工作,有說有笑地說要給菜做告別式。

Niaraka tamin'i Neny aho nandeha nankany amin'ny toerana fambolenay. Nanondraka rano ireo anana no sady nanàla ny ranomandry sy ny fanàla teny amin'ny ravina. Niasa teny an-tanimboly hatrany izahay mandra-pahangoly, saingy mbola nihomehy ihany no sady niteny fa tokony ho nikarakara fety fankalazàna ho an'ireo anana sy legiomanay.

vegetables [8]

Taya renin'i Yumin nanandrana namonjy ireo anana sy legioma rakotry ny fanàla. Sary an'i Taya Yumin tao amin'ny Facebook. Famerenana mamoaka nahazoan'ny Global Voices alàlana.