Nafana ny tao amin'ny aterineto hatramin'ny nanambaran'ny filoha lefitry ny polisy ao Dubai, Dhahi Khalfan tao amin'ny Twitter fa manana “fototra Shiita” ny Filoha Barack Obama ary mety hitsidika ny foibe ara-pivavahana Shiita ao Iran atsy ho atsy.
Ny sioka izay efa hitan'ny maro ho voaloton'ny fankahalana-Shiita dia natao taorian'ny fanesorana ireo sazy naatra tamin'i Iran, izay nifanarahana nandritra ny fifampiraharahana ara-nokleary teo amin'i Iran, ny P5 + 1 ary i Etazonia tamin'ny Jolay lasa teo.
Hoy i Khalfan tamin'ny siokany:
أوباما الذي يعود لأصول شيعية انتخب لتقريب وجهات النظر بين إيران وأمريكا لإيقاف برنامج إيران النووي العسكري.نجحت الخطة .
— ضاحي خلفان تميم (@Dhahi_Khalfan) January 19, 2016
Obama, izay manana fiavina Shiita dia voafidy hampifandray ny hatsana misy eo amin'i Iran sy i Etazonia ho fampitsaharana ny fandaharan'asa nokleary ara-miaramila ao Iran. Vita ny adidy.
Nampiany sioka hafa :
من المتوقع أن يزور أوباما قم ومشهد وكبرى الحسينيات في إيران. !!
— ضاحي خلفان تميم (@Dhahi_Khalfan) January 19, 2016
Antenaina fa hitsidika an'i Qom, Mashhad ary ireo toerana lehibe amin'ny vondrom-pivavahana shiita i Obama
Maro ireo namaly an'i Khalfan tamim-pivazivaziana Nizara ity sary misy an'i Khalfan ity i Alfie :
@Dhahi_Khalfan pic.twitter.com/QQOCao84fw
— Alfie (@AIfie_Twit) January 19, 2016
Nanontany i Faisal Alhbabi:
@Dhahi_Khalfan انت كيف صرت رئيس شرطة دبي وهذا فكرك 😒
— FAISAl (@faisalalhbabi) January 19, 2016
Ahoana koa no nahatonga ano ho lehiben'ny polisy raha tahaka izao ny haavom-pisainanao?
Ary Abbas Zahri nizara ny sarin'i Obama namboarina ity ho mandray anjara amin'ny fombafombam-pisaonana Shiita iray amin'ny fahafatesan'ny iray amin'ny Imam-dry zareo:
معك حق والدليل هذه الصورة 😂😂😂😂😂😂 @POTUS @BarackObama @Dhahi_Khalfan pic.twitter.com/WtPb8t7ZYE
— عباس زهري (@zahri_abbas) January 19, 2016
Marina ny lazainao ary ity ny porofo!
Nanaraka avy eo ireo sary natao photoshop. Ammar Ali nizara ny saripikan'ny filohan'i Etazonia nahazo doktorà, tamin'ity indray mitoraka ity izy nandray anjara tamin'ny fombafombam-pisaonana Shiita iray, mifandraika amin'ny Ashura:
صورة له و هو يقري لطمية ف حسينية @Dhahi_Khalfan pic.twitter.com/ZZfKd1BFkw
— عمّــــاار عليّ (@ammar_ali94) January 19, 2016
Inty ny sariny misaona ao amin'ny Hussainiya iray
Ny Hussainiya dia ivom-piangonana Shiita, ampiasaina amin'ny fivoriana manamarika ny fombafomba shiita.
Hussain M nizara ity sarin'i Obama ity tamin'ny filazana fa sariny tafaporitsaka avy amin'ny ivom-pianarana fivavahana iray ao Qom, foiben'ny fianarana Shiita ao Iran izy ity:
@Dhahi_Khalfan صور مسربة لاوباما عند تخرجه من حوزة قم في ايران . pic.twitter.com/fBgNy9NJJZ
— hossien m. (@69mansourM) January 20, 2016
Indro ny sariny tafaporitsaka tamin'ny fanomezana diplaoma azy nahavita fianarana tao amin'ny ivom-pampianarana iray tao Qom, Iran
Nangonin'ny Iraniana ireo fihetsika isan-karazany amin'ny fifandraisan'i Obama amin'ny Islamo Shiita. Blaogera Iraniana iray namoaka sarin'ny fivoriana anti-Etazonia tao Tehran tamin'ny volana Novambra 2015. Eto ny mpanao fihetsiketsehana dia nitondra ny sarin'i Obama, izay ampitahaina amin'i Shemr, olona ratsy fanahy ao amin'ny Islamo Shiita, ny endrika mitovitovy aminy.
#Obama depicted as Shemr, the most evil figure in history for #Shia followers today's anti-US rallies pic.twitter.com/tGO8zPvkFb
— potkin azarmehr (@potkazar) November 4, 2015
Obama aseho an-tsary ho Shemr, Endrik'olona ratsy fanahy indrindra eo amin'ny tantara ho an'ny shiita mpanara-dia ny fivoriana anti-Etazonia androany
Nandravaka ny tsikitsikiny amin'ireo karazana teôria lasa lavitra rehetra ireo ny Iraniana hafa amin'ny fizarana ny vaovao ao amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra. Blaogera Iraniana-Amerikana iray, Holly Dagress, nanapaingotra ny vaovao amin'ny alalan'ny diezy #ShiaScare [tahotra shiita].
Dubai's ex-police chief says US President Barack #Obama is of Shia origin due to #IranDeal #ShiaScare https://t.co/TuZJ6DK9t5
— Holly Dagres (@hdagres) January 20, 2016
Nilaza ny lehiben'ny polisy tao Dubai taloha fa manana fototra shiita ny filohan'i Etazonia Obama noho ny fifanarahana amin'i Iran [tahotra shiita]
Mohsen Milani, Iraniana mpianatra akademika iray monina ao Etazonia nizara ny vaovao miaraka amin'ny emoji mihomehy.
Ex head of Dubai Police Khalfan:#Obama is of #Shia origin elected to bring #Iran & US closer.😄 https://t.co/TZQEwkBdGB via @DrAbbasKadhim
— Mohsen Milani (@MohsenMilani) January 20, 2016
Khalfan Lehiben'ny polisin'i Dubai teo aloha: Manana fototra shiita i Obama voafidy hampifanakaiky kokoa an'i Iran sy i Etazonia.
Maro dia maro ny teôrian'ny tetidratsy nivezivezy milaza an'i Obama ho manana fototra Shiita tany aloha tany. Nandritra ny fifidianana tamin'ny 2008, ny gazetim-panjakana Iraniana dia nampiely tohon-tsofina tsy voamarina amin'ny fototra shiita sy ny atsimo andrefan'i Iran ao amin'i Obama. Tamin'ny Jona 2015, ny Irakiana mpikamban'ny parlemanta Taha al-Lahibi namoaka lahatsary YouTube iray manazava ny fototra shiita ao amin'i Obama ho ao anatin'ny tetidratsin'ny hery shiita ao Iran miady amin'ny Fanjakana Islamika ao Iràka, sy ny fivoaran'ny fifampiraharahana ara-nokleary ifanaovan'i Iran amin'i Etazonia.
Raisin'ny Iraniana ho fahadalàna ireny teôria ireny ao amin'ny Media Sosialy. Ho setrin'ny teôrian'ny tsikombakomban'i al-Lahibi, Iraniana mpisera Twitter iray antsoina hoe @sobhan348 maneso ny fifampiraharahana nokleary mamadika an'i Obama ho Shiita.
مذاکره با ایران اوباما را شیعه کرد! +فیلم http://t.co/T7XUdNPjJS
— علمی مذهبی کوثر (@sobhan348) June 10, 2015
Nahatonga an'i Obama ho Shiita! + horonantsary ny fifampiraharahana ara-nokleary miaraka amin'i Iran
Ny fanambaran'ny lefitry ny lehiben'ny polisin'i Dubai dia tonga taorian'ny fanohanan'i Emirà Arabo Mitambatra an'i Arabia Saodita amin'ny fifandirana ifanaovana amin'i Iran izay nahatonga ny roa tonta hanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatika. Ho setrin'izany dia nampidinin'i Emirà tamin'ny alalan'ny fampihenana ny isan'ny diplaomaty sy ny fampodiana ny ambasadaoriny ny fifandraisan'izy ireo. Tsy nanapaka ny fifandraisana izy ireo na izany aza, satria efa ela dia ela no nifandray ara-barotra tamin'i Iran.
1 hevitra
ireo sary ireo mahatsikaiky . mampalahelo isika manana azy ho filoha .