Notontosaina tamin'ny 18 Novambra ny andiany fahasivy amin'ny “Marcha de la Gorra” na “Diaben'ny kasikety”. Notontosaina tao amin'ny renivohi-paritany ny fihetsiketsehana manohitra ny fihetsika mampiahiahy ataon'ny polisin'ny Faritany Cordoba, mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana ireo tanora solontenan'ny fikambanana ara-tsosialy sy ny niharam-boina tamin'ny fihoaram-pefin'ireo manampahefana ireo .
Amin'izao faha-sivy taona izao, ny hampitsahatra ny fihoaram-pefin'ny polisy ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Arzantina no tanjon'ny diabe. Iray amin'ireo fitakiana goavan'ny mpandray anjara ny fanafoanana ny Fehezan-dalàna mifehy ny ady Heloka sy ny fampitsaharana ny fanarahamaso tsy misy antony, ny fanalam-baraka sy ny fihoaram-pefin'ny polisy, ary koa ny fitakiana ny rariny ho an'ireo lasibatry ny herisetran'ny polisy:
Ny anaran ‘ity hetsika “Diaben'ny kasikety” ity dia manondro ny fitsarana an-tendrony nihatra tamin'ny tanora avy amin'ireo faritra tsotsotra noho ny endrik'izy ireo ivelany sy ny fomba fiakanjon'izy ireo, araka ny asehon'ity tantara an-tsary manaraka niparitaka tao amin'ny Twitter ity:
Hoy, la novena Marcha de la Gorra https://t.co/LJffrXFC5h pic.twitter.com/DFNiRo97nQ
— DíaaDía.com.ar (@diaadiacomar) November 18, 2015
Diaben'ny Kasikety fahasivy androany
Ohatra iray amin'izany ny endriky ny “mpanao hala-botry” (Andinin-dalàna 98), izay misambotra olona mampiseho “fihetsika mampiahiahy” eo akaikin'ny tranobe na fiara. Andraikitry ny polisy ny mamantatra izay dikan'ny “mampiahiahy”, araka izany: mety ho raisina toy ny hala-botry ny mirenireny eny an-dalana, hoy ny bilaogy. Ao koa ny fandikan-dalàna hafa mikasika ny “fivoriam-bahoaka mampisavorovoro” (Andinin-dalàna. 99), izay anjaran'ny manampahefana ny manapa-kevitra raha manakorontana ny fivoriana ary afaka misambotra olona ao amin'ny diabe izy (na dia tsy mandray anjara amin'izany na tsy nahatonga ny korontana aza ilay olona). Nilaza ihany koa ny bilaogy fa “afaka mametra ny zo haneho hevitra an-kahalalahana sy ny zo hanango-tsonia hanohitra manampahefana (And. 14 ao amin'ny Lalàm-panorenana)” ihany koa izany
[CÓRDOBA] Una nueva Marcha de la Gorra. Conocé los números del abuso policial → https://t.co/ARYkegphns pic.twitter.com/2GRCh0v9sv
— Infojus Noticias (@InfojusNoticias) November 22, 2015
Diaben'ny Kasikety vaovao. Fantaro ny isan'ny fihoaram-pefin'ny polisy
[…] The same happens if we comparatively analyse the expenditure per capita in 2015: the ‘Initial and Primary Education’ category registers a total of $1,311 per inhabitant; the budget for the ‘Health’ category implies $1,734 annual spending per person; and for the ‘Security and Justice Services’ category, the amount is $2,255 per capita.
[…] Mitranga ny tahaka izany raha manadihady mikasika ny fandaniana isan'olona tamin'ny 2015 isika: ny sokajy ‘Fanabeazana Fototra sy Voalohany” dia ahitana fandaniana 1.311 dolara isaky ny mponina; ny teti-bolan'ny ‘Fahasalamana’ dia mila fandaniana 1.734 dolara isan-taona isan-olona; ary ny ho an'ny ‘Fiarovana sy ny Fitsarana‘ kosa dia 2.255 dolara isan'olona.
Ny vokatr’ ity “politikam-piarovana” ity dia refesina amin'ny haben'ny fisamborana ataon'ny polisin'ny faritany. Araka izany, misy ny fitarainana momba ireo fanao lasa lalàna fototra hampazoto ny polisy hanao fisamborana misy antony na tsia, mba hanehoana ny fahombiazan'ny manampahefana ary hanamarinana ny fandaniana goavana amin'ny fiarovana.
Manohitra ity politikam-piarovana manao famoretana ity, izay natao hisolo ny politika ara-tsosialy sy ara-panabeazana, ny “Diaben'ny Kasikety”. Nandritra ny fihetsiketsehana farany, namoaka antontan-taratasy nanehoan'izy ireo ny fitarainany sy ny fitakiany, indrindra ny fanoherana ny governoran'ny faritany, José Manuel de la Sota, izay tompon'andraikitra amin'ny politikam-piarovana manan-kery ireo mpandray anjara :
DLS [abbreviation of de la Sota] you are mistaken: We are family and friends of victims of an easy trigger, never of police officers who steal guns and plant them in our neighbourhoods, nor of the murderers commanded by criminals like you and Julio César Suárez.
We are the biggest and most systematic March in Córdoba and the COUNTRY, who claims its popular cultures and strongly repudiates this police State that excludes us, represses us, persecutes us, stigmatises and kills us.
DLS [fanafohezana ny Sota] diso ianao: Fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny hasomparana mora mitranga izahay, fa tsy polisy manampahefana mangalatra basy sy manafina izany ao amin'ny manodidina anay, na mpamono olona nirahin'ireo jiolahy tahaka anao sy Julio César Suárez.
Izahay no Diabe lehibe indrindra sy mirindra indrindra eto Córdoba sy ny FIRENENA, izay mitaky ny kolontsainy malaza ary mitsipaka marindrano ity Fanjakan'ny polisy ity, izay manavaka, manasazy, manenjika sy mitsara an-tendrony, ary mamono anay.
Nahazo fanohanana avy amin'ny fikambanana ara-panabeazana, ara-tsosialy sy fikambanan'ny mpiasa ny andiany faha-sivy amin'ny diabe, toy ny :
El Programa de Derechos Humanos de la FFyH adhiere a la 9° @MarchadelaGorra que se realizará el 18 de noviembre https://t.co/lXOvp1xfEK
— FFyH – UNC (@ffyh_unc) November 16, 2015
Manohana ny Diaben'ny Kasikety faha-9 notontosaina tamin'ny 18 Novambra ny Fandaharan'asan'ny Zon'olombelona an'ny FFyH (Sampana Filozofia sy Siansa maha-olona ao amin'ny Oniversim-panjakana ao Córdoba)
[HOY] 9° marcha de la gorra en Córdoba <17hs,Colón y Cañada, ciudad de Córdoba> https://t.co/sZwqQ9idDA
— CELS (@CELS_Argentina) November 18, 2015
[ANDROANY] diaben'ny kasikety faha-9 eto Cordoba <amin'ny 5 ora, ao Colón sy Cañada, tanànan'i Cordoba
Ni un pibe menos: La novena Marcha de la Gorra ‘merodea’ por Córdoba https://t.co/4cd3MP2k5W pic.twitter.com/nGO8g4ttKd
— Agencia CTA (@agenciaCTA) November 13, 2015
Tokony hoavy daholo ny olona: Ny diaben'ny “mpanao hala-botry” mikasikety faha-sivy eto Cordoba
Na dia ny sehatry ny Fiangonana Katolika aza nanohana ny fihetsiketsehana tamin'ity:
25 sacerdotes católicos en la marcha de la gorra pic.twitter.com/xGWaevmDZS
— sergiocarreras (@soysergio) November 18, 2015
Pretra Katolika 25 ao amin'ny diaben'ny kasikety
Tsy natao ho an'ny saranga antonony ihany ny halehibe sy ny hevitry ny diabe, fa tafiditra amin'izany avokoa ny olom-pirenena rehetra ao Cordoban, indrindra fa ny tanora. Nandresy ireo fisaratsarahana ara-panabeazana, ara-toekarena ary ara-tsosialy ny fitakiana sy ny fanoherana ny fahefana ara-adalànan'ny polisy manampahefana.
Na dia notontosaina tao anatin'ny filaminana sy ny fety aza ny diabe, voatsikera tamin'ny fitantarany ny zava-nitranga ny fandaharana tamin'ny fantsona fahitalavitra ao an-toerana, Canal 12 izay nilaza fa niafara tamin'ny fandrobàna izany.
Vandalismo en la marcha de la gorra – El Show de la Mañana – Córdoba https://t.co/z2ID19mH5e pic.twitter.com/UsRLARArb1
— El Show de la Mañana (@centromediatv) November 19, 2015
Fandrobàna ao amin'ny diaben'ny kasikety- Ny Show Maraina – Cordoba