- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

An-tsary: Manangona Siran-dranomasina Manjelajelatra Anaty Siny Ny Tantsaha Ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika
burma salt farm [1]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

Ity lahatsoratra [2] nosoratan'i Hein Htet ity dia avy amin'ny Irrawaddy, tranokam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mitoetra eo amin'ny tany 1.000 hektara mahery ao amin'ny tany manakaiky ny lalana ao an-tanàn-dehiben'i Thanbyuzayat, miloko fotsy manjelatra eo ambanin'ny masoandro mingaingaina ao amin'ny Fanjakana Mon ny tanin-tsira ao Panga. Anisan'ireo karazana saha tsy mahazatra maningatsingana manerana ny morontsirak'i Myanmar izy ireo, izay angonina avy ao an-dranomasina ny vokatra.

Tokony ho lalana adiny roa miala ao an-drenivohi-panjakana Moulmein, tazana avy hatrany ireo “mpamokatra sira” mikarakara kamory lehibe fampietonana. Miasa ry zareo manomboka ny volana Desambra hatramin'ny volana Mey rehefa misy tara-masoandro ampy hampietonana ny siran-dranomasina voaangona, mba hahatonga azy ho sira.

Nokarakarain'ireo mponina ao an-toerana ny kamory lehibe, mahatratra hatreny amin'ny faravodilanitra, saingy satria nifindra nonina tao Thailandy mifanolo-bodirindrina ny maro tamin'ireo mponina teratany tao amin'ny Fanjakana Mon mba hiasa hahazo karama bebe kokoa, avy ao amin'ny vinanin'i Irrawaddy ao Myanmar ny ankamaroan'ireo mpamokatra siran-dranomasina ao Panga amin'izao andro izao.

salt farming [3]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

salt farm [4]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

myanmar salt farm [5]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

seawater harvest [6]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

salt farmers [7]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

burma coastline [8]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

saltwater farm [9]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

farmer [10]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy

seawater farm [11]

Sary: Hein Htet / The Irrawaddy