- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karatra Paostaly Fahiny Maneho Ny Fiainana Tao Vietnam Tany Ampiandohan'ny Taonjato Faha-20

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika
Ha Long Bay is now a famous tourism destination and UNESCO World Heritage Site. Photo from The New York Public Library Digital Collections. 1900 - 1909. [1]

Toerana fizahantany malaza ankehitriny ny Ha Long Bay ary Toerana anaty Lova Iraisampirenen'ny UNESCO. Sary avy amin'ny The New York Public Library Digital Collections. 1900 – 1909 (Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York ).

Ny 6 Janoary 2016, nambaran'ny [2] Tranombokim-Bahoaka ao New York fa maherin'ny 180.000 ireo zavatra dizitaly ankehitriny no tafiditra anatin'ny tahiry dizitaliny ho an'ny daholobe. Midika izany fa azon'ireo mpamaky ety anaty aterineto atao ny miditra sy mitroka maimaimpoana ireo raki-tsarobidy tsy fahita firy, sy zavatra voatahiry ao. Ankoatra izay, amporisihan'ilay tranomboky [3] ny olona mba hitrandraka io tahiry dizitaly io sy hamerina hanafangaro [4] azy ireny mba hamoronana sy hizaràna vontoaty vaovao.

Ampahany amin'ireo rakitra dizitaly ireo karatra paostaly tranainy avy any amin'ny faritra  Azia-Pasifika, mampiseho ireo olona niaina tany amin'ireo firenena voazanaka taminìizany fotoana izany. Ny sasany amin'ireny karatra paostaly ireny no manasongadina an'i Vietam tamin'ny vanimpotoana nifehzan'ny Frantsay mpanjanaka azy tany ampiandohan'ny taona 1900. Karatra paostaly manome topimaso tsy fahita firy momba ireo endriky ny tanàna vietnamiana, ireo fombandrazan'ny teratany, ny varotra ary ny fiainana tany afovoan'ireo tanànan'ny mpanjanaka. Topazo maso àry.

Hanoi Théâtre, Rue Paul-Bert. Photo from The New York Public Library Digital Collections [5]

Ny Teatra ao Hanoi , Rue Paul-Bert. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York

Tiger caught and killed in a trap. Photo from The New York Public Library Digital Collections. 1909 [6]

Tigra tratra sy matin'ny fandrika. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York. 1909

A wagon in a Saigon road. Photo from The New York Public Library Digital Collections. 1908 [7]

Sarety eny an-dalamben'i Saigon. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York. 1908

A Cantilever bridge in Hanoi. Photo from The New York Public Library Digital Collections [8]

Tetezana Cantilever tao Hanoi. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York

Saigon Opera House. Photo from The New York Public Library Digital Collections, 1910 [9]

Tranon'ny Opera ao Saigon. Saryavy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York, 1910

The silver chariot of the Chetties. A religious procession in Vietnam. Photo from The New York Public Library Digital Collections [10]

Ireo kalesy volafotsin'ny Chetties. Filaharana ara-pinoana natao tao Vietnam. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York

A houseboat in a river in Nam Dinh province. Photo from The New York Public Library Digital Collections [11]

Tranosambo iray eo ambonin'ny renirano iray ao amin'ny faritanin'i Nam Dinh. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York.

Vietnamese children in Saigon. Photo from The New York Public Library Digital Collections [12]

Ankizy vietnamiana ao Saigon. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York.

Nam-Dinh Pier. Photo from The New York Public Library Digital Collections, 1911 [13]

Nam-Dinh Pier. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York, 1911

Log rafts in Tuyen-Quang province. Photo from The New York Public Library Digital Collections, 1900 - 1909. [14]

Zahatra natambatra tao amin'ny faritanin'i Tuyen-Quang. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York, 1900 – 1909.