
Nankatoavin'ny vato 689 tao amin'ny komitim-pifidianana tamin'ny taona 2012 ny filoha mpanatanteraka ao Hong Kong, Leung Chun Ying. Sary avy amin'ny HKFP.
Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Hong Wrong ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 17 Janoary 2016. Navoaka teto amin'ny Global Voices ity dika ity noho ny fifanaraham-piaraha-miasa.
Mponin'i Hong Kong marobe no mahalala fa 689 ny anaram-bositry ny Lehiben'ny mpanatanteraka ao an-tanàna CY Leung.
Tamin'ny 2012, voafidy teo amin'ny toerany tamin'ny isam-bato 689 monja avy amin'ny komitim-pifidianana – vondrona nofantenin'ny mpifidy misolo tena ireo sehatra samihafa izay navela hifidy ny filoha mpanatanteraka i Leung. Napetraka hiova amin'ny fifidianana filoha mpanatanteraka amin'ny taona 2017 izany dingana izany mba hamelana ny mponin'i Hong Kong rehetra hifidy, saingy avy amin'ny lisitry ny kandidà neken'ny komity mitovy amin'ny komitim-pifidianana ihany.
Satria voafidy tamin'ny isam-bato 6,89 tapitrisa ny filoha voafidy vaovao ao Taiwan, Tsai Ying-wen , manjary majika kokoa ny isa.
Tamin'ny 2014, nisioka sary manazava ny rafitra sarotsarotra ny sampam-pahalalam-baovao AFP:
Why do they call Leung Chun-ying ‘689’? #Infographic explains how #HongKong leader got his nickname among protesters pic.twitter.com/90cghEGvi3
— AFP news agency (@AFP) October 1, 2014
Nahoana no nantsoin’ izy ireo hoe ‘689’ i Leung Chun-ying? Manazava ny fomba nahazoan'ny filohan'i HongKong ny anaram-bositra teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny sary.
Matetika voakorontan'ireo mpanao lalàna demaokraty ao amin'ny antenimiera i Leung – indrindra fa avy amin'i Wong Yuk-man – ary tia mampahatsiahy azy ny isa. Ity ambany ity ny kabary nataon'i Wong izay manakiana ny filoha mpanatanteraka ao amin'ny Vaomiera Mpanao Lalàna :
Natao nandritra ny fotoana Fanontaniana sy Valiny tamin'ny lahateny politikan'i Leung tamin'ny 22 Oktobra 2015 ny kabary. Tahaka izao ny 30 segondra voalohany tamin'ny ny kabarin'i Wong :
Three years back, I used this term 689 to describe the person who is lacking credibility, a liar with low character. This person does not have any qualifications to run Hong Kong. After three years, what he has done has proven that I was fair and objective…
Telo taona lasa izay, nampiasa ity teny 689 ity aho mba hamaritana ny olona tsy azo itokisana, mpandainga manana toetra ambany. Tsy manana ny fahaizana ilaina hitantànana an'i Hong Kong io olona io. Telo taona taty aoriana, voaporofo tamin'ny zavatra fa nataony fa marina sy tsy mitanila ny nolazaiko …
Nofaranany tamin'ny fanontaniana ny kabariny: “689, rahoviana ianao no ho faty?
Matetika hita amin'ny fihetsiketsehana ihany koa io isa io:
Ary nalaza indrindra nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demaokrasia 2014 manao fibodoana izany.
Ity ambany ity fanoharana ny lalao lahatsary novokarin'i Ronnie Chau, mpamokatra lahatsary mpitsikera ara-politika, mampiseho ny fomba nahazoan'ny “689″ hery avy amin'ny Antoko Kaominista Shinoa (asehon'ny marika kaominista). Manana fahaleovan-tena ambony avy amin'ny tanibe i Hong Kong, amin'ny maha fari-pitantanana manokana ao Shina, saingy mahery vaika na izany aza ny fifehezan'i Shina:
Saingy tsy i Leung ihany no filoha Shinoa arahin'ny tarehimarika. Voafidy tamin'ny isam-bato 6,89 tapitrisa tamin'ny taona 2008 ihany koa ny filoha farany tao Taiwan, Ma Ying-jeou, ary niharan'ny anaram-bositra ihany koa. Nandritra ny faran'ny herinandro, voafidy tamin'ny isam-bato 6,89 tapitrisa ihany koa ny filoha vaovaon'i Thailandy, Tsai Ing-wen. Tahaka izao ny fijerena ny maha-samihafa ny 689 sy 6,89:

Raha mitsangana miaraka amin'ny Mr. 689 i Tsai Ying-wen (Ms. Anglisy izay anaran'i Tsai midika ara-bakinteny hoe Anglisy amin'ny teny Shinoa), lasa mila tsy ho hita ilay farany.

Pikan-tsary avy amin'ny findthefactors.com tao amin'ny HKFP.
Fitambaran'ny tarehimarika tsy mety voazara afa-tsy amin'ny tenany 227, 229 sy 233 ihany koa izany, ary fitambaran'ny tarehimarika tsy mety voazara afa-tsy amin'ny tenany anelanelan'ny isa 83 sy 109.
Ho an'ny mponin'i Hong Kong, na izany aza, mifandraika foana amin'ny filoha ratsy laza ao an-tanàna ny 689.