
“Alan Rickman BAM 2011-01-11 n1″ avy amin'i © Marie-Lan Nguyen / Wikimedia Commons. CC 3.0.
Matin'ny homamiadana tamin'ny 14 Janoary 2016 ilay tale sady mpilalao sarimihetsika Britanika Alan Rickman. Mpanakanto be mpankafy, fantatra amin'ny anjara asany ho Profesora Snape ao amin'ny filma mitohy Harry Potter i Rickman ary miantsehatra ho Hans Gruber ao amin'ny sarimihetsika Die Hard. Na izany aza, tsy rariny amin'ny lalan'asan'i Rickman, izay mihoatra lavitra noho ny maha-mpilalao sarimihetsika ny mamintina ireo talentany maro karazany amin'ireo sarimihetsika ireo. Tsapa tamin'ny alalan ‘ireo asa soa notohanany ny taratra nentiny, nitondra soa ho an'ny olona manerana izao tontolo izao.
Olona miafinafina ivelan'ny asany amin'ny sarimihetsika i Rickman. Araka ny nolazainy tamin'ny antsafa vao haingana, “Raha misy olona te-hahafantatra hoe iza moa aho, amin'ny asa avokoa izany” Na izany aza, tsy mahamenatra azy mihitsy ny mavitrika amin'ny asa soa tohanany, tahaka ny Saving Faces (fikambanana manampy amin'ny fitsaboana ny aretin'ny tarehy), Anno's Africa (fikambanana mpanao asa soa mitantana tetikasa haikanto ara-panabeazana ho an'ny ankizy fadiranovana ao Kenya), sy ny International Performers’ Aid Trust (IPAT, fikambanana mpanao soa manerantany natsangana hanamaivanana ny fahantrana amin'ny fampandraisana anjara ny olona amin'ny fampisehoana ara-java-kanto).
RIP Alan Rickman. A generous supporter of causes. Here at a SAFE event with Bee Gilbert, who runs Anno's Africa. pic.twitter.com/uFXgrz5iKm
— Ian Warwick (@IanWarwick2) January 14, 2016
Mandria am-piadanana Alan Rickman. Malala-tanana mpanohana fireham-panaovan-tsoa. Eto amin'ny hetsika SAFE miaraka amin'i Bee Gilbert, izay mitantana ny Anno's Africa.
Tetikasa iray tohanan'ny IPAT ny Pa Bobo Jobarteh, izay mampianatra kora, fitaovana fahiny sy nentim-paharazana, ny ankizy ao Gambia . Namboarina tamin'ny fintana fanjonoana 21 ny Kora izay valiha Mandinka, ary mila ora maromaro ny fianarana sy ny fampiharana azy. Izy no ivon'ny ny kolontsaina mozika ao Afrika Andrefana, araka ny asehoan'ny lahatsary eto ambany:
https://www.youtube.com/watch?v=0USEkH1su78
Nisaona ny fahafatesany ireo mpankafy ny asan'i Rickman sy ny andian-tantara mitohy Harry Potter
Canaille, mponina ao Dakar, Senegaly, nizara ity lahatsary manaraka ity tao amin'ny twitter:
#Alan_Rickman #Professeur_Rogue Est décédé ce matin, pour les fans #Harry_Potter un hommage en vidéo RIP https://t.co/tLt3WhgvMR
— Canaille (@Canaille987) January 14, 2016
Namoy ny ainy androany maraina i #Alan_Rickman #Professeur_Rogue, ho an'ireo mpankafy ny #Harry_Potter, ity ny lahatsary fanomezam-boninahitra azy.
Ao Antananarivo, Madagasikara, vaky ny fon'i Vola Raz nanoratra hoe:
The world has lost again one of its best diamonds. He was an amazing British actor. #RIPAlanRickman 💔❣😭
— VolaRaz | 182 (@VolaRaz) January 14, 2016
Very iray tamin'ireo diamondra tsara indrindra indray izao tontolo izao. Mpilalao sarimihetsika Britanika mahasondriana izy
Mariam Diaby, mponina ao Abidjan, Cote d'Ivoire, nanome voninahitra ilay mpilalao sarimihetsika Rickman ao amin'ny Harry Potter:
L'acteur britannique Alan Rickman, qui incarne le professeur Rogue dans #HarryPotter, est décédé à l'age de 69 ans #Cinéma
— Mariam Diaby (@macmady) January 14, 2016
Namoy ny ainy teo amin'ny faha-69 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Britanika Alan Rickman, izay nilalao ny anjara asa profesora Rogue tamin'ny #HarryPotter
Ny lova Afrikana amin'ny Harry Potter
Mazava ho azy fa namela fihetseham-po teo amin'ireo mpankafy ao Afrika ny anjara asan'i Rickman tao amin'ny Harry Potter. Raha ny marina, nanasongadina ny tati-baovao vao haingana fa ilay mpilalao sarimihetsika teraka tao Swaziland, Noma Dumezweni no ho mpilalao fototra amin'ny tantara an-tsehatra andrasana mafy “Harry Potter and the Cursed Child” (Harry Potter sy ilay Zaza Voaozona), tantara an-tsehatra izay notontosaina 19 taona taorian'ny boky farany.
Some of my favourite Hermione fanarts next to our new Hermione! pic.twitter.com/80bIkcLBMJ
— alice in wonderland (@alwaysdragxns) December 20, 2015
Anisan'ireo ankafiziko indrindra ny Hermione fanarts (noforonin'ny mpankafy) eo akaikin'ny Hermione-ntsika vaovao
Eo amin'ny tontolo tena izy, nanokatra sampana ao Liberia sy Ongada ny Fifanekena Harry Potter, fikambanana mikendry hahatonga ny fikatrohana ho azo idirana amin'ny alalan'ny herin'ny tantara, ary efa nahangona vola 123.000 Dolara Amerikana ho an'ny Partners in Health (Mpiara-Miasa amin'ny Fahasalamana) ao Rwanda.
https://www.youtube.com/watch?v=XOjdU7ScvpA
Nahazo aingam-panahy hanatontosa ny sarimihetsika ankafizin'ireo ny ankizy ao Rabat, Maraoka
Amin'ny tenin'ilay mpilalao sarimihetsika namana, Ian Mckellen (fantatra amin'ny filalaovana an'i Magneto amin'ny horonan-tsarimihetsika X-Men sy Gandalf ao amin'ny filma Lord of the Rings (ny Tompon'ny Peratra), “mpiasa maharitra manampy ny hafa i Rickman. Na ho an'ny andrim-panjakana toy ny RADA na ho an’ny olon-tsotra ary azo antoka ho ahy, tonga lafatra hatrany ny toroheviny. Napetrany ao am-pon’ny fiainany ny asa soa liberaly. “