
Navadika ho rindrina fampitàna ny antso ataon'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ny rindrina mba hampitsaharana ny fametrahana miaramila any amin'ireo sekoly Lumad. Ny Lumad dia mponina ao Mindanao, any amin'ny faritra avaratr'i Filipina. Sary avy amin'ny pejy Facebook n'i Sim Tolentino.
Fivondronana mpanakanto noforonin'ireo mpianatra zavakanto avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Filipina tamin'ny taona 2008, ny Ang Gerilya (The Guerrilla – Mpanao ady anaty akàta). Nanomboka hatramin'ny niforonany, namokatra zavakanto isankarazany maneho ireo olana ara-tsosialy sy politika ary mankalaza ny tantarasy ny kolontsain'i Filipina izy io.
Nanao ny anarana ho azy tao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny zavakanto Metro Manila izy mba hampiroboroboana ny kanto andalambe manan-danja ara-politika. Tao anatin'ny tafatafa niaraka tamin'io mpanoratra io, nifanakalo hevitra mikasika ny maha-zava-dehibe ny zavakanto andalambe ny vondrona:
Ny fanaovana zavakanto andalambe dia làlana ho anay mba hitondràna “ZAVAKANTO” akaiky kokoa ny vahoaka. Zavatra manokana ho anay ny zavakanto andalambe satria io no tena fikasàna madio indrindra afaka jerena avy amin'ny mpanakanto iray. Ary amin'ny zavakanto rehetra izay ataonay eny andalambe, heverinay ho fanomezana ho an'ny vahoaka izany.
Ohatra iray amin'ny asan'izy ireo, izay naseho tao amin'ny mozea an'ny anjerimanontolo, ilay miantefa amin'ny fampielezan-kevitra mikasika ny fanavaozana ny fananantany ao amin'ny faritra iray fambolena an'ny fianakavian'ny filoha Filipiana amperin'asa :
Asanay ihany koa izay naseho tao amin'ny Mozea Vargas, antsoina hoe LUPA (tany), ny asa sosialy-politika iray izay manandanja ho an'ny fiarahamonina. Nanana tombony hitsidika ny Hacienda Luisita sy hiresaka amin'ireo mpamboly mikasika ny tolon'izy ireo ho an'ny fanavaozana ny fananantany, ny vondrona misy anay.

Zavakanto iray fanehoana ny olan'ireo mpamboly ao Hacienda Luisita, fambolena iray niharan'ny lalàna mikasika ny fanavaozana ny fananantany, saingy mbola ny fianakavian'ny mpitondra ihany no tompony. Sary avy amin'ny Ang Gerilya
Ireto ambany ireto ny ohatra hafa mikasika ny asakanton'ny vondrona izay hitarafana ny tanjon'izy ireo mikasika ny “fanaovana zavakanto hiteny araka izay azo atao sy hitondra fisarihana avy amin'ny kolontsaim-bahoaka sy malaza ao Filipina.”

Rehefa tonga tao Manila, tamin'ny taona 2015, ireo andianà Lumad nafindra toerana, anisan'ireo mpanakanto izay nampiseho ny fanohanany tamin'ny fandokoana io rindrina io koa ny ANG Gerilya, manasongadina ny antso fanajanonana ny fametrahana miaramila atao any amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo foko ao Mindanao. Sary avy amin'i Manila Todayy

Nanokana io zavakanto io ny Ang Gerilya mba ho fanohanana ny fampielezankevitra mikasika ny andalana ao anatin'ilay tolodalàna momba ny Fahalalahana hahazo Vaovao. Mbola mihantona ao amin'ny Kaongresy ilay volavolan-dalàna na eo aza ny toky nomen'ny filoha fa holaniana tamin'ny 2010 izy io. Sary avy amin'ny pejy Facebook n'ny Ang Gerilya.

Toy izao ity rindrim-bahoaka ao Quezon City ity talohan'ny namadihan'ny Ang Gerilya azy ho zavakanto. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Ang Gerilya

Navadika ho rindrina fanehoana ireo maherifon'ny revolisiona tao Filipina ilay rindrina. Ny Katipunan (KKK) dia vondrona revolisionera izay niady hoan'ny fahaleovantenam-pirenena nanohitra ireo Espanola mpanjanaka tamin'ny taona 1896. Sary avy amin'ny pejy Facebook -‘ny Ang Gerilya.

Mandoko rindrina ho fanohanana ny fanehoankevitry ny mpianatra hisian'ny vatsim-pianarana ambonimbony kokoa ny Ang Gerilya. Nandritra ireo taona vitsivitsy farany nifanesy, nahenan'ny fanjakana ny vola natokana ho an'ireo sekolim-bahoaka. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Ang Gerilya.

Arabe iray ao anatin'ny anjerimanontolo no voaloko misy ny sarin'ireo mpianatra roa lohandohany nalain'ireo noahiahiana ho miaramila ankeriny tamin'ny 2006. Nanao fampielezankevitra mikasika ny fanavaozana ny fananantany ireo mpianatra tamin'izany fotoana izany. Manamboninahitra iray ao amin'ny tafika no miatrika fitsarana mikasika io raharaha io amin'izao fotoana izao. Mbola voalaza fa tsy hita popoka ireo mpianatra roa ireo hatreto. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Ang Gerilya.
Peta-drindrina iray nataon'ny Ang Gerilya mampitandrina ny vahoaka momba ny fandatsaham-baton'ireo ho an'ireo ‘biby’ sy ‘bibidia goavambe’ ao amin'ny antenimieran-doholona: