Misaona i Burkina Faso.
Ny 15 Janoary 2016, nisy andian-jatovo nirongo fiadiana nanafika ny toerana fisotroana “Taxi Brousse”, ny toerana fisakafoana “Le Cappuccino” sy ny hotely “Splendid” tao afovoan'i Ouagadougou, renivohitr'i Burkina Faso, nahafaty olona 30 sy nandratra 56 hafa. Ny Al-Qaïda ao anatin'ny Maghreb islamique (AQMI) no nilaza ho tomponantoka tamin'ilay asa fampihorohoroana. Nolazain'ireo mpikambana ao amin'ny AQMI ho toy ny valifatiny amin'ireo tombontsoa frantsay taorian'ny hetsika miaramila tao Sahel tamin'ny 2012 no anton'ireo fanafihana ireo.

Tra-doza tamin'ny fanafihana tao Ougadougou, avy amin'i Barmou Salifou tao amin'ny twitter
Hazavain'ny Kaomandà mitarika ny ady amin'ny asa fampihorohoroana ao Burkina fa tamin'ny fotoana nahatongavany teo amin'ny toerana, tonga dia tàkany avy hatrany fa tsy misy tokony hieritreretany raharaha fakàna takalonaina :
They wanted to kill the maximum number of people and for them it wasn't a problem to die. We couldn't just do what we wanted. We were obliged to take account of the life of the clients inside the hotel and avoid opening fire on them
Ny hahafaty marobe no tanjon'izy ireo, ary tsy olana ho azy ireo ny ho faty. Tsy nisy azonay natao izay zavatra efa niomananay hatao. Voatery izahay nandray an-tànana ny fahaleman'ireo mpanjifa tao anatin'ny hotely ary nisoroka ny tsy hahavoatifitra azy ireo.
Mitantara ny helo niainany ireo sisa tsy maty. Manamafy indrindra indrindra i Yannick Sawadogo :
It was horrible… there was blood everywhere. They were firing at people at close range
Tena nampihoron-koditra… feno rà izay rehetra jerena. Tena ampotomoty no nitifiran-dry zareo ny olona.
Vehivavy iray afaka tamin'ilay loza no mitantara ny zavatra hitany :
Iarahan'izao tontolo izao mizaka ny fisaonan'ilay firenena. Ety anaty tambajotra sôsialy, teboka iray mampifandray hanehoana ny firaisankinan'ireo mpampiasa aterineto miaraka amin'ireo fianakavian'ny tra-doza ny tenifototra #JesuisOuaga (OuagaAho).
Isan'ireo Burkinabés tra-doza ry:
- Pascal Kinda, filoha fahiny tao amin'ny Kaomity Nasionaly Olaimpika sy ny Fanatanjahantena Burkinabè, 70 taona :
Photo Pascal Kinda, ancien Président du Comité national olympique des sport du #Burkina tué à Splendid Hôtel #lwili pic.twitter.com/bVym4rm3mG
— Boukari Ouédraogo (@BoukariOued) January 17, 2016
Sary Pascal Kinda, filoha fahiny tao amin'ny Kaomity Nasionaly Olaimpika sy ny Fanatanjahantena Burkinabè maty tao amin'ny Splendid Hotel
- Ahmed Kere, 33 taona, mpandika lahatsoratra. Ity ny fanehoankevitry ny iray tamin'ireo vehivavy nàmany :
Such a very sad day. A beautiful man, a friend, killed in a terrorist attack in #BurkinaFaso. He spoke of love, never hate. RIP Ahmed Kere
— Katie Witherspoon (@katiespoon) January 17, 2016
Andro mampalahelo tsy misy toy izany. Olona tsara iray, nàmana, no maty tamin'ny fanafihana mpampihorohoro teto #BurkinaFaso . Fitiavana hatrany no resahany, tsy niresaka fankahalàna velively. Mandria m-piadanana ry Ahmed Kere
- Simplice Armel Kinane, mpamono afo, 32 taona. Manome voninahitra azy ao amin'ny Facebook ny namany Eric Kabre:
Mandria am-piadanana, rahalahy. Ho ao anaty tsiaronay mandrakariva ianao.
- Jacqueline Lankoande, 40 taona, injeniera amin'ny resaka herinaratra.
Olona maha-te-ho tia sy sarokenatra no amaritan'ny namany an'i Jacqueline. “Na lalitra iray aza tsy sahiny ampijaliana“ hoy ry zareo.
Ao anatin'ity lisitra ity ireo sasany tra-doza fantatra hatramin'ny anio.
Nanambàra andro 3 ho fisaonan'ny firenena i Burkina Faso :
#BurkinaFaso #Ouagadougou : le deuil national fixé du 17 au 19 janvier https://t.co/mhc13OYMU5 pic.twitter.com/AOxETXThVf
— Moëz BHAR (@moezbhar) January 17, 2016
ny 17 hatramin'ny 19 Janoary no voatondro ho fisaonan'ny firenena
72 heures de deuil national. On fait rien avec ces cons. Ils peuvent rien contre l'unité nationale. #Burkina #Lwili pic.twitter.com/L1Ys7BmTAw
— Burkinabè avant tout (@BF_avant_tout) January 17, 2016
72 ora ho fisaonan'ny firenena. Tsy misy inona iarahana amin'ireny adala tsy misaina ireny. Tsy hahavita na inona na inona amin'ny firaisam-pirenena ry zareo.
Nampalahelo an'ireo Borkinabe mpampiasa aterineto ny tsy nahitàn'izy ireo fiaraha-mientana fanehoana firaisankina ho an'ireo tra-doza tamin'ny fanafihana tao Ouagadougou, toy izay hita tamin'ny fanafihana tao Parisy:
Le Burkina est en deuil je ne vois nul part #PrayForBurkina souffrance ne doit pas être sélective 1 forte pensée pour le Burkina 🙏🏾🙏🏾🙏🏾🙏🏾🙏🏾
— #SONSOFAFRICA (@Mokobe113) January 16, 2016
Misaona i Burkina Tsy mahita mihitsy aho hoe #MivavahaHoAniBurkina Tsy tokony hanavakavaka ny hirifiry Fisainana lalina ho an'i Burkina
Fa indrindra indrindra, nanao voady ny hijoro hatrany hatrany ry zareo Burkinabe hanohitra izay rehetra endrika fanaovana an-tendrony sy herisetra, tahaka izay asehon'ity sorabaventy ity, izay nifampizaràna be teny amin'ireo mpampiasa aterineto :
La réponse des #Burkina-bé aux terroristes et leurs soutiens. #lwili – vu sur FB pic.twitter.com/D1O5DPBe9I
— ocomar (@ocomar) January 17, 2016
Ny valintenin'ireo Burkinabe ho an'ireo mpampihorohoro sy ireo mpanohana azy. #lwili – hita tao amin'ny FB