Fihetsiketsehana Maraokana Manohitra Ny Fandraràna Antso VoIP, Anisany Ny Whatsapp, Viber, Facebook Ary ny Skype

Noraràn'ireo mpamatsy ny fifandraisandavitra ao Maraoka ny antso VoIP maimaimpoana, anisan'izany ireo tao amin'ny sehatra malaza, WhatsApp, Viber, Skype sy Facebook, milaza ry zareo fa nandika ny fitsipik'izy ireo ny tolotra. Nahatezitra ny mpiserasera izany fihetsika izany ka niantso ny hanaovana ankivy ny orinasam-pifandraisandavitra mandritra ny roa andro ho fanoherana ny fanapahan-kevitra izy ireo.

Niditra tao amin'ny Facebook ilay Maraokana Amine Ragheb hiantso ny hanaovana ankivy ireo orinasa “tendan-kanina” ireo fa ny manakana ny tolotra no hany fomba hiatrehan-dry zareo orinasa ny fifaninanana. Tao amin'ny lahatsary iray nozarainy tao amin'ny ny pejiny, izay efa nojeren'ny olona maherin'ny 484K hatramin'izao, nampitandrina ireo orinasa izy fa raha tsy manova ny fanapahan-kevitra izy ireo, dia hanamafy ny hetsik'izy ireo ny mpanjifa:

“We are customers and not sheep and you cannot cut off any services of the Internet because the Internet is a free space, free of charge, and no one has the right to control it. Today, you have cut off all VoIP services on Whatsapp and Skype and others. You are muzzling us. This is an invitation for all Moroccans to switch off their phones on January 16 and 17. This boycott is just a warning and to test the waters and see if Moroccans are united or not. If telecom companies do not go back on their decision, we will escalate. I personally will not use the phone and not pay the bill. Let them cut off the phone service.”

“Mpanjifa izahay fa tsy ondry ary tsy afaka manapaka izay tolotra amin'ny aterineto ianareo satria sehatra maimaim-poana, tsy andoavam-bola ny aterineto, ary tsy misy olona manan-jo hifehy azy. Ankehitriny, notapahanareo ny tolotra VoIP rehetra ao amin'ny Whatsapp sy Skype ary ny hafa. Tapenanareo vava izahay. Fanasana ho an'ny Maraokana rehetra mba hamono ny findain'izy ireo amin'ny 16 sy 17 Janoary ity. Ity ankivy ity dia fampitandremana fotsiny ary hitsapana ny rano sy hijerena raha miray saina na tsia ny Maraokana. Raha tsy miverina amin'ny fanapahan-kevitr'izy ireo ny orinasam-pifandraisandavitra, dia hihamafy izahay. Ho ahy manokana, tsy hampiasa finday aho ary tsy handoa ny faktiora. Avelao izy ireo hanapaka ny tolotra finday.”

Raha nankasitraka ny ankivy ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsary, izay efa nisy nizara in-14K sy nanao “tiako” in-19K, tsy dia manana fanantenana loatra amin'ny fahombiazan'ity ankivy ity kosa ny sasany.

Nahita soso-kevitra hafa mihitsy aza ny mpamaky iray, Ahmed Sellami:

ممكن عندي حل افصل بما ان من الصعب الاستغناء على الاتصلات فعلينا ان تغيير الشركة ونختار واحدة فقط اما انوي او اتصلات او ميديتل و الشركتين الاخرى نوصلوهم للافلاس ، وفي هده الحالة هده الشركتين هما من سيبحت عن الحل . )نخلو الكبار اضاربو بينتهم (

Angamba manana soso-kevitra tsara kokoa aho satria tena sarotra ny hiala amin'ny fampiasana finday. Tokony hifindra amin'ny orinasa iray (avy amin'ny mpamatsy fifandraisandavitra telo ireo) isika rehetra ary hanery ny roa hafa ho bankirompitra. Amin'izay fotoana izay, hiasa hitady vahaolana ireo orinasa roa ireo. Andeha avela hifandramatra ry zalahy lehibe ireo.

Mandritra izany, nandefa ny fitarainan'izy ireo tao amin'ny Twitter ny Maraokana sasany. Alemana-Maraokana Boutaina Azzabi, mpanao gazety amin'ny fampitam-baovao marolafy iray monina ao Istanbul, Torkia, misioka hoe:

Natsahatr'i Maraoka ny antso atao amin'ny alalan'ny fifandraisana aterineto finday, hihatra amin'ireo mpandraharahan'ny finday 3 ny fandraràna ny Skype, Viber&WhatsApp;

Manombana ny media ao Maraoka raha ny fanarahamaso ara-piarovana no ambadiky ny fandraràna ny VOIP.

Niezaka niantso ny nenitoako tao Maraoka tamin'ny alalan'ny Skype sy Whatsapp…tsy nety. Maminavina fa nampiharina ny fandraràna. Tsy misy antso an'aterineto intsony

Ny hafa kosa naneho ny firaisankinan'izy ireo tamin'ny hetsika ankivy miaraka amin'ny safidy maro hamadika ny findain'izy ireo ho sata ambony fiaramanidina (mode avion) mandritra ny faharetan'ny ankivy.

Tsy alefa ny laharana ! fa facebook ihany!

Hitahy ny sata ambony fiaramanidina anie Andriamanitra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.