- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan: Miarahaba Ny Vehivavy Voalohany Voafidy Ho Filoha

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Taiwan (ROC), Fifidianana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Taiwan's President-Elect Tsai Ing-wen speaking to foreign and domestic media at her campaign headquarters after her opponents conceded defeat. [1]

Tsai Ing-wen. vehivavy voalohany voafidy ho filoha ao Taiwan, miteny amin'ireo vahiny mpampahalala vaovao sy ny eo an-toerana, tao amin'ny foiben-toeran'ny fampielezankeviny, taorian'ny fanaikena faharesena nataon'ireo mpifanandrina taminy. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tsai.

Nifidy ny vehivavy voalohany ho filohany i Taiwan, Tsai Ing-wen, mpirotsaka avy amin'ny Democratic Progressive Party (DPP) mpanohitra. Nahazo ny 56,12 isanjaton'ny vato (6.897.744 ) tamin'ilay fifidianana malaza i Tsai,  nandresy mavesatra an'i Eric Chu avy amin'ny Antoko Nasionalista Shinoa (KMT), izay nahazo 31 isanjato tamin'ny vato, ary James Song avy amin'ny “People’s First Party” (PFP), izay nahazo 13 isanjato.

Tsai, malaza be amin'ny fiantso azy hoe “Little Ying” sy “Xiao Ying,” ihany koa no nitarika ny antokony hahazo ny maro an'isa tao amin'ny parlemanta mpanao lalàna, seza 68 amin'ireo 113 nifaninànana, manome fotoam-piasàna tsara antoka mandritry ny efatra taona ho avy ho an'ny filoha vao avy nofidiana. Zavatra andrandraina amin'i Tsai ny fanatsaràna ny fiahiana ara-tsosialy ao anatin'ny toekarena sahirana, izay miatrika ny fitomboan'ny tsy an'asa, ny karama ambany, ary ny fisondrotry ny vidim-piainana.

Nofintinin'i [2] Chen Fang-yu, mpampiasa Facebook, ny fahatsapan'ny maro, taorian'ilay fifidianana:

關於選舉的幾點感想:
1、政黨輪替是民主政治的常態,其目的不是在選出一個最好最「英明」的領導人,而是在告訴執政者:你做不好的話,就會被換掉。

2、這是我國立法院史上第一次的政黨輪替,先前泛藍席次從來沒有低於五成過。從來沒有。
民進黨第一次完全執政,人民將權力託付給民進黨,接下來四年希望每位政治人物都不要忘記、不要辜負這個託付。人們會繼續大力監督的(大家平常要多關心政治呀!生活處處皆政治)

台灣現在面對的內、外挑戰都相當大,必須認真地面對。
馬英九政府的失敗主因就是不願意傾聽人民的聲音,民進黨必須記取教訓。

3、綠黨與社會民主黨還是無法通過門檻,實在可惜。
台灣需要真正意義的左派力量來制衡兩大黨都偏向右派的政策取向。

Ireto ny fijeriko ny fifidianana :

1. Ara-dalàna ny fifandimbiasan-toeran'ny antoko ao anatin'ny rafitra politika iray demaokratika, ary ny tanjon'ny fifidianana dia tsy ny hifidy izay mpitarika hendry indrindra, fa ny hiteny amin'izay antoko mitondra hoe: “Raha tsy mahavita miasa tsara ianareo, dia tsy ho voafidy fanindroany.”

2. Ity no voalohany amin'ny fifandimbiasan-toeran'ny antoko nitranga tao amin'ny antenimiera mpanao lalàn'ny fireneko. Tsy latsaky ny 50 isanjato mihitsy ny seza azon'ny Pan-blue [KMT sy ireo mpiaradia aminy] tany aloha tany. Tamin'ity fotoana voalohany ao anatin'ny tantara ity, nomen'ny vahoaka fitokisana ny DPP hanana fe-potoam-pitondrana feno. Antenaiko, ato anatin'ny taona efatra ho avy, fa tsy ho adinon'ireo politisiana ireo ny hoe avy amin'ny vahoaka ny fe-potoam-piasàny, izay hitohy hanaraka akaiky ny asan'izy ireo. (Ry vahoaka tsirairay, iangaviana ianareo mba ho liana kokoa amin'ny politika! Misy idiran'ny politika daholo ny endriny tsirairay amin'ny fiainantsika!)

3. Miatrika fanamby marobe i Taiwan—na eo an-toerana na iraisampirenana—ary tsy maintsy miatrika izany amim-pahamatorana isika. Ny tsy fahombiazan'ny fitantanan'ny Filoha Ma Ying-jeou no vokatry ny tsy fihainoan'ny governemanta ny feon'ny vahoaka, ary tsy maintsy mahatsiaro io lesona io ny DPP.

4. Mampalahelo fa tsy nahavita nahazo seza tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna ny Antoko Maitso sy ny Antoko Sosialy Demaokraty. Mbola ilain'i Taiwan ny fisian'ny antoko mirona amin'ny elatra havia, mba hisian'ny tsindrinentam-pahefana amin'ny politikan'ireo antoko roa goavana avy amin'ny elatra havanana.

Nizara ny fankalazàny tety anaty aterineto ireo mpanohana an'i Tsai. Nanatevina laharana ireo olona tao amin'ny foiben'ny fampielezankevitr'i Tsai i Irene Chang ary nanoratra hoe “Azonay!” teo amin'ny sariny:

Irene Chang's photo. [3]

Sary : Irene Chang / Facebook.

Na dia tsara aza ny andro taorian'ny herinandro nanorana tany amin'ny faritra sasany tao Taiwan, iny no taham-pandraisana anjara ambany indrindra noho izay voarakitra tamin'ireo rehetra fifidianana ho filoha natao, nahatratra 66 isanjato monja (raha mitaha amin'ny 4 isanjato tamin'ny fifidianana teo aloha tamin'ny 2012). Tsy safidy azo raisina ny fanomezam-pahefana hisolo tena mpifidy ao Taiwan.

Niverina nody an-tanindrazana mba hifidy ny sasany, toy ny tompon'ity fivarotana kafe ao Chiayi County ity. Nakatony ny toeram-piasany tamin'io andro io, mba hahafahany mandeha miverina mody sy hifidy any amin'ny fari-pifidianana naha-voasoratra azy. Lasa niely be tety anaty aterineto ny soratra napetany teo ivelan'ny varavaran'ny toerana fivarotany :

The note on the gate said: Taiwan will not miss this cup of a drink, but [it] will miss this vote. Shop on Vacation. Returned Home to Vote. Photo from Facebook Noodles News. [4]

Mivaky toy izao ny soratra eo amin'ny varavarana, “Tsy ho fatin'izay kaopin-kafe vitsivitsy akory Taiwan, fa ity vatom-pifidianana ity. Miala sasatra ity toerana fivarotana ity. Lasa nandeha nifidy aho.” Sary an'ny Facebook Noodles News.

Andro vitsy nialoha ny fifidianana, nandeha nankany Taiwan ireo mpanaramaso iraisampirenena avy amin'ny lafy samihafa (isan'izany ireo avy amin'ny anjerimanontolo, ny tranon-kevitra, ary ny media mpampahalàla vaovao) mba hijery ny fizotry demaokrasia ao amin'ilay firenena. Maro tamin'izy ireny no nitatitra tao amin'ny Twitter ny zavatra hitany.  Nanaraka ny tenifototra #TaiwanElection kosa ireo izay tsy afaka nankany Taiwan mba hijery ny fizotry ny fifidianana tety anaty aterineto.

Nanomana andianà mpanangona vaovao ihany koa ny Varsity, gazetiboky iray tantanan'ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Shinoa fampianarana ny Asa Fanaovana Gazety sy Fifandraisana. Nojeren-dry zareo ny fomba nanampian'ny tsy fahombiazan'ilay “Firenena Tokana ary Rafitra Roa” ny DDP hahazo ny fanohanan'ireo mpifidy:

Soravabenty eo ivelan'ny foiben-toeran'ny DDP milaza fandinganana ny fatin'ny HK sy fipetrahana lavitra an'i Shina

Lorand C. Laskai, mpanaramaso ny media, naneho hevitra hoe :

Asehon'ny  #TaiwanElection [5] ny herin'ny fikatrohana sivily tsara tohana.  Fitondràna ny demaokrasia hiseho masoandro tsy fahita firy tato anatin'ny taona vitsy. Eo an-tokonambaravaran'i Shina, tsy anesorana