- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taorian'ny Fanafihana, #WeAreNotAfraid (Tsy Matahotra Isika) Hoy Ireo Indoneziana Feno Fihantsiana

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina
A peace rally was held in Jakarta a day after the terror attack in the city. A child carries a placard with the slogans Melawan Terorisme (Fight Terrorism) and #KamiTidakTakut (We are not afraid). Photo taken by Carolina [1]

Famoriambahoaka am-pilaminana natao tao Jakarta, andro iray taorian'ny nanafihan'ireo lehilahy mitam-piadiana ny faritra maro tao an-tanàna. Ankizy iray milanja takelaka misy teny faneva hoe Melawan Terorisme (Tohero ny Fampihorohoroana) sy #KamiTidakTakut (Tsy Matahotra Isika). Sary nopihan'i Carolina

Andro iray taorian'ny nandonan [2]‘ny andianà fipoahana sy fanafihana mitam-piadiana an'i Jakarta renivohitra Indoneziana, miverina [3] amin'ny andavanandro [4] ny fiainana ho an'ireo mponina marobe ao, saingy mbola sahobakaka ambony riana hatrany ireo mpitandro filaminana.

Taty aoriana kelin'ny filazany ho tomponantoka tamin'ilay fanafihana nitranga ny 14 Janoary nataon'ilay vondrona mpikatroky ny ISIS, hoe asa tànan'ny iray amin'ireo tambajotrany iny, ao amin'ity firenena be mponina Miozolmana indrindra eran'izao tontolo izao ity.

Re tao amin'ny faritr'i Thamrin ao Jakarta ny fipoahana voalohany narahan'ny tifitra, tokony ho tamin'ny 10:50 mn maraina, izay teo akaikin'ny lapan'ny filoham-pirenena, ny biraon'ireo masoivoho vahiny ary ny Firenena Mikambana.

Tany amboalohany i Jakarta, ny 2001, 2004 ary2009, dia lasibatry ny Jemaah Islamiyah, sampan'ny Al Qaeda.  Namoizana ain'olona fito io fiakaran'ny herisetra io, ka dimy amin'ireo no nambaran'ny manampahefana fa mpanafika, ary nampitombo ny fiarovana ny fandriampahalemana nanerana an'i Indonezia sy ireo firenena manakaiky azy ao amin'ny faritra Atsimo-atsinanan'i Azia.

Nohelohin'ny Filoha Joko Widodo ilay fanafihana, ary nanoro hevitra ny olompireneny izy mba ho tony. Niantso ny vahoaka ihany koa izy mba hiaraka hiasa amin'ny tafi-panjakana amin'ny fiarovana ny filaminana ao an-drenivohitra.

Ny fiarahamioriko amin'ireo niharan-doza. Hosamborintsika sy hoentina hiatrika fitsaràna ireo nanatontosa sy ireo atidoha nikotrika ireny fanafihana ireny

Tsy misy toerana ho an'ny fampihorohoroana eto Indonezia. Tsy maintsy miady amin'io ny mponina tsirairay eto amin'izao tontolo izao.

Iray amin'ireo tenifototra nironana taorian'ireo fanafihana ny #KamiTidakTakut [8] (Tsy Matahotra Isika), izay taratry ny fihetsehampon'ireo Indoneziana marobe hijoroana matanjaka sy mitambatra manoloana ny zava-tsarotra. Na ny polisy aza nahatakatra ny lanjan'ilay tenifototra ho fanandratana ny firaisankinan'ny firenena:

Selamat pagi Mitra Humas, menindak lanjuti info terkait kejadian Sharinah Thamrin kemarin, segenap keluarga besar Polri mengucapkan terimakasih atas kerjasama generasi Muda Indonesia yang mengusung hashtag #KamiTidakTakut. Dan dalam hitungan jam trending telah bergeser kepada Jakarta Kuat, tukang sate, aksi heroik, Polisi ganteng, serta meme meme lucu. Terimakasih kepada buzzer positif Indonesia, terus tingkatkan perjuangan anda. Salam Tribrata.

Arahaba maraindraina ry mpiara-dia, fanarahana ny tohin'ireo fanafihana omaly tao Sarinah, Thamrin. Izahay rehetra ato amin'ny Polisim-Pirenena dia manolotra ny fisaoranay ny tanora Indoneziana izay tompon'ny hevitra tamin'ilay tenifototra #KamiTidakTakut (Tsy Matahotra Isika). Ora vitsy monja taorian'ny nandefasana azy dia efa nironana be ilay izy ary nanasongadina lohahevitra hafa ihany koa. Misaotra anareo ‘mimonomonona’ zavatra miabo tahàka izany, tohizo ny tolona. Pao-tsatroka Tribrata.

Maneho ihany koa ny fahavononan'ireo Indoneziana marobe handresy io zavadoza io ireny bitsika ireny :

Tsy hamparefo an'i Inonezia iny fanafihana iny; ny mifanohitra aza, hatanjaka kokoa i Indonezia.

Tamin'ny 1945, narovantsika tamin'ireo Andian-tafika miaradia mandeha fiara i Surabaya, tamin'ny fampiasàna Bamboo nandritry ny 30 andro, koa nahoana isika no hatahotra izay 7 marary saina any? #TsyMatahotraIsika

Fitifirana tao #Bali ohatra iray goavana amin'ny fijoroan'ny Indoneziana manoloana ny fampihorohoroana

Niparitaka be ireto sarinà mpivarotra amoron-dalana ireto, akaikin'ny toerana nitrangan'ny herisetra, ary nampiasaina ho porofo hanehoana ny tanjaky ny vahoaka Indoneziana :

Rehefa ilay ianao saiky hamotika iny ry mpampihorohoro, nefa oadraay ny manga mijajika tsara

Tsy nampahatahotra anay ny baomba, Aty Indonezia irery ihany tsy nandona anay ny Horohoro

Na manana kaonty Facebook aza ny ankamaroan'ny Indoneziana, tsy napetrak'ilay tambajotra sosialy ilay bokotra “Safety Check”. Ho valin'izay, nampiasain'ireo Indoneziana mpampiasa aterineto ny tenifototra #Jakarta [24] sy #SafetyCheck [25] mba hampahafantarana an'ireo nàmany ny momba azy ireo.

Misy olona mba mahita ny bokotra #safetycheck [27] an'ny #Facebook [26] ho an'ny #FanafihanaTiokia [28] na #FipoahanaJakarta [29] ve?

Ny sasany mino fa tsy vitan'ny manampahefana ny nisoroka ny tsy hitomboan'ireo sela nanao tokim-panompoana tamin'ny ISIS ao amin'ny firenena:

Tokony hahatsiaro ireo olona manohitra ny fampihorohoroana fa nanofahofa ampahibemaso ny saina ISIS ireo mpanohana ny GenPrabowo/FPI tamin'ny famoriambahoaka tamin'ny 2014 tao afovoan-tananan'i Jakarta

Mpirotsaka ho filoham-pirenena i Prabowo tamin'izay, izay resy tamin'ny 2014, na dia mijanona hatrany ho tò teny aza, raha ny FPI kosa dia vondrona Islamika radikaly (mahery fihetsika) ao Indonizia.