- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raha Tsy Naneho Tsara Ny Tondradranon'i Chennai Ny Mediam-panjakana an'i Inde, Manao Dingana Kosa Ny Media Sosialy

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina
Powerbanks for Flood victims being packed in Bangalore. Screenshot courtesy Facebook page of Brave New World [1]

Powerbanks ho an'ireo trà-boinan'ny tondradranon'i Chennai, fonosina ao Bangalore. Sary nalaina maimaimpoana tamin'ny pejy Facebook-n'i Brave New World

Maro ireo fanjakana any India Atsimo tratran'ny tondradrano henjana be [2] noho ny rotsak'orana be loatra. Chennai [3], ny renivohitry ny fanjakana Indiana ao Tamil Nadu, no voa mafy indrindra. Na mandritra ny volana Jona hatramin'ny Septambra aza ny fotoanan'ny orana isan-taona, nahitàna fihitaran'ny fotoanan'ny orana i Chennai, ka ny volana Novambra no lasa volana mando indrindra [4] tato anatin'ny taonjato lasa, miaraka amin'ny orana 1218.6 mm – telo avo heny amin'ny rotsak'orany isam-bolana.

Nilona [5] rano ny ankamaroan'ireo tanàn-dehibe taorian'ny rotsak'orana 374 mm voarakitra [6] ny andron'ny 1 Desambra monja. Maherin'ny olona 280 no maty [7] tao anatin'ny herinandro lasa, ary olona an'aliny maro no lasa tsy misy herinaratra sy sakafo. Nahakasika ny fandraharahàna tao amin'ny tanàna ilay tondradrano, izay manana fanamboarana fiara sy resaka Informatika, satria nikatona ireo orinasa ary nanome toromarika ireo mpiasa mba hijanona any an-trano na hiasa avy any an-trano.

Tena sarotra tokoa ny toe-draharaha, fa nihisatra kosa [8] anefa ireo mediam-panjakana ao India tamin'ny fanehoana vaovao mikasika ilay tondradranon'i Chennai, izay tena nitsikeràna azy ireo be [9] tokoa.

Pejy voalohan'ireo gazetim-panjakana androany: @IndianExpress & @timesofindia tsy nisy na nilaza ilay #ChennaiFloods (tondradranon'i Chennai) akory aza

Niatrika fanadrohadroana tamin'ny Aterineto ihany koa [15] ny Biraon'ny Loharanombaovaon'ny Mpanao gazety tantanan'ny fanjakana Indiana taorian'ny nandefasany bitsika ny sary nasiam-panovàna an'ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi niatrika iny tondradranon'i Chennai nahafaty olona iny.

Taminà bilaogy iray fandefasana lahatsary, nanameloka ny tsy fahampian'ny fandrakofana [16] an'ilay “jadon'ny halaviran-toerana” ilay mpanao gazety sy mpilaza vaovao ao amin'ny Fahitalavitra Rajdeep Sardesai — nilaza ny zava-misy hoe manana ny foibeny ao Delhi daholo ny ankamaroan'ireo mpamoaka vaovao nasiônaly, eo amin'ny 2.000 km miala an'i Chennai:

 

Efa hatramin'ny ela izay, toa mahatsapa ny Atsimon'i India hoe tsy niraharaha ireo olany na ny zavatra nitranga tany Chennai na mba nanamarina ireo fanahiany ratsy indrindra fotsiny akory ny renivohi-panjakana ao Delhi sy ny “mediam-panjakana”. Ny tena marina, ny tena nampiahiahy tamin'ilay izy dia ny endrik'ilay fanehoana  manamarina ny fizaràn'ny avaratra sy ny atsimo, izay voalaza bebe kokoa na mety hoe mihoatra ny tokony ho izy ireo hetsika atao ao an-toerana na manodidina ny renivohi-panjakana, noho izay zavatra mitranga any amin'ny faritra atsimon'i India.

[…]

Mieritreritra aho hoe manova ny fomba fisainana no vahaolana. Tokony manaiky isika rehetra hoe raha teho fanjakana tokana isika, tokony samy hanana ny toerany avokoa ireo vaovao avy amin'ireo faritra rehetra ato amin'ny firenena.

Fandrindràna ny fanampiana tamin'ny alalan'ny media sosialy

Nambaran’ [17]ny Praiminisitra Modi fa hisy vola mitentina 10 lavitrisa roupies (eo amin'ny 150 tapitrisa dolara Amerikana) hampiasaina ho an'ireo ezaka fanavotana amin'ilay tondradrano, fanampin'ny 9,4 lavitrisa roupies efa navoaka. Nampiasaina [18] ny miaramila sy ny Hery Nasiônaly Mpanavotra Loza mba hanavotra ireo olona voafandrika any amin'ny fonenan'izy ireny tratry ny tondradrano. Maherin'ny 10.000 ihany koa ireo polisy sy mpilomano mandray anjara amin'ilay ezaka fanavotana. Tena nampananosarotra tokoa ireo hetsika fanavotana ny fahatondrahan'ny seranam-piaramanidina, faharatsian'ny làlana fifandraisana, tsy fahampian'ny herinaratra sy ny fahatapahan'ny rohy amin'ny fifandraisandavitra.

Voamarina tao amin'ny media sosialy ny halehiben'ny fahasimbana satria mizara sary sy lahatsary [19] miaraka amin'ireo tenifototra toy ny #Chennairains (Oran'i Chennai) sy #Chennaifloods ny olona :

Fanamboarana ny Ford BMW voahelingelin'ny #ChennaiRains

Sidina voafetra avy amin'ny toby an-habakabaka akaikin'i Chennai androany

Voatery nanafoana zotra an-dalamby 23 izahay, nahodina làlana ireo 11 ary fiarandalamby 8 kosa nofoanana tamin'ny ampahany noho ny orambaventy: Anil Saxena, Làlam-by PRO #ChennaiRains

Voalohany izao no tsy namoahana ny @the_hindu hatramin'ny taona 1878. #ChennaiRains

Nampiasa ny media sosialy ihany koa ny olona hizaràna loharanom-baovao ilaina sy handrindràna ny fanampiana ho an'ireo trà-boina.

Misokatra ho an'ny rehetra ireo maoske rehetra any chennai, omena ny sakafo sy fialokalofana. #chennairains #chennairainshelp (fanampiana ny Chennai amin'ny orana)

Noforonina ny vohikala Chennairains.org [34] mba hanomezana vaovao, toy ny lisitra avy eny ifotony misy ireo toerana sy olona manome fialokalofana sy fanampiana azo raisina.

Poster explaining how power banks will help the flood victims. Image via Bangalore for Chennai [35]

Sary manazava hoe ahoana no anampian'ny power banks ireo tra-boinan'ny tondradrano. Sary avy amin'ny Bangalore ho an'i Chennai

Nandefa [36] ny bokotra “tsy manahy” ny Facebook, izay ahafahan'ireo olona ao amin'ilay toerana milaza ireo namany hoe salama tsara izy ireo.

Nampiasaina handrindràna ireo mpirotsaka an-tsitrapo [37] hanangona sy hizara ny fanampiana ho an'ireo trà-boinan'ny tondradrano ireo fanavaozana ny bitsika sy ny Facebook [38].

Fandraisana andraikitra iray, Bangalore ho an'i Chennai [35], miasa hanome herinaratra ho an'ireo trà-boinan'ny tondradrano tsy misy herinaratra.

Raha nanipika ny fisian'ny tranganà toetrandro El Niño matanjaka tokoa ireo tomponandraiki-panjakana ao amin'ny Departemantan'ny Famantarana ny Toetrandro ao India, tsy vitan'izy ireo ny hanafoana ny zava-misy  hoe tsy vitan'i Chennai ny [39] nikarakara rafitra iray mahomby hanariana rano tsara amin'ny fotoanan'ny rivodoza. Araka ny The Indian Express [40], misy fototrafitrasa tsy ara-dalàna maherin'ny 150.000 ao amin'ilay tanàna ary tobin-drano, lakandrano ary farihy maherin'ny 300 no nanjavona tao anatin'ny folo taona lasa noho ny fampiroboroboana haingana ny tanàna.

Araka ireo tatitra farany [41] , mety vao maika hiharatsy ilay tondradrano satria misy orana maro mbola vinavinaina hirotsaka ny faran'ny herinandro ao amin'ny faritra Tamilnadu. Mbola hikatona hatramin'ny Alahady [42] 6 Desambra ny seranam-piaramanidina iraisampirenen'i Chennai, izay nikatona ny 2 Desambra, satria tondraky ny rano ny toerana fiaingan'ny fiaramanidina.

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny teny Anglisy ny 4 Desambra 2015)