Maro ireo fanjakana any India Atsimo tratran'ny tondradrano henjana be noho ny rotsak'orana be loatra. Chennai, ny renivohitry ny fanjakana Indiana ao Tamil Nadu, no voa mafy indrindra. Na mandritra ny volana Jona hatramin'ny Septambra aza ny fotoanan'ny orana isan-taona, nahitàna fihitaran'ny fotoanan'ny orana i Chennai, ka ny volana Novambra no lasa volana mando indrindra tato anatin'ny taonjato lasa, miaraka amin'ny orana 1218.6 mm – telo avo heny amin'ny rotsak'orany isam-bolana.
Nilona rano ny ankamaroan'ireo tanàn-dehibe taorian'ny rotsak'orana 374 mm voarakitra ny andron'ny 1 Desambra monja. Maherin'ny olona 280 no maty tao anatin'ny herinandro lasa, ary olona an'aliny maro no lasa tsy misy herinaratra sy sakafo. Nahakasika ny fandraharahàna tao amin'ny tanàna ilay tondradrano, izay manana fanamboarana fiara sy resaka Informatika, satria nikatona ireo orinasa ary nanome toromarika ireo mpiasa mba hijanona any an-trano na hiasa avy any an-trano.
Tena sarotra tokoa ny toe-draharaha, fa nihisatra kosa anefa ireo mediam-panjakana ao India tamin'ny fanehoana vaovao mikasika ilay tondradranon'i Chennai, izay tena nitsikeràna azy ireo be tokoa.
Front pgs of national newspapers today: @IndianExpress & @timesofindia don't even have a mention of #ChennaiFloods pic.twitter.com/0JCgafjt04
— Shilpa Kannan (@shilpakannan) December 2, 2015
Pejy voalohan'ireo gazetim-panjakana androany: @IndianExpress & @timesofindia tsy nisy na nilaza ilay #ChennaiFloods (tondradranon'i Chennai) akory aza
Niatrika fanadrohadroana tamin'ny Aterineto ihany koa ny Biraon'ny Loharanombaovaon'ny Mpanao gazety tantanan'ny fanjakana Indiana taorian'ny nandefasany bitsika ny sary nasiam-panovàna an'ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi niatrika iny tondradranon'i Chennai nahafaty olona iny.
Taminà bilaogy iray fandefasana lahatsary, nanameloka ny tsy fahampian'ny fandrakofana an'ilay “jadon'ny halaviran-toerana” ilay mpanao gazety sy mpilaza vaovao ao amin'ny Fahitalavitra Rajdeep Sardesai — nilaza ny zava-misy hoe manana ny foibeny ao Delhi daholo ny ankamaroan'ireo mpamoaka vaovao nasiônaly, eo amin'ny 2.000 km miala an'i Chennai:
Efa hatramin'ny ela izay, toa mahatsapa ny Atsimon'i India hoe tsy niraharaha ireo olany na ny zavatra nitranga tany Chennai na mba nanamarina ireo fanahiany ratsy indrindra fotsiny akory ny renivohi-panjakana ao Delhi sy ny “mediam-panjakana”. Ny tena marina, ny tena nampiahiahy tamin'ilay izy dia ny endrik'ilay fanehoana manamarina ny fizaràn'ny avaratra sy ny atsimo, izay voalaza bebe kokoa na mety hoe mihoatra ny tokony ho izy ireo hetsika atao ao an-toerana na manodidina ny renivohi-panjakana, noho izay zavatra mitranga any amin'ny faritra atsimon'i India.
[…]
Mieritreritra aho hoe manova ny fomba fisainana no vahaolana. Tokony manaiky isika rehetra hoe raha teho fanjakana tokana isika, tokony samy hanana ny toerany avokoa ireo vaovao avy amin'ireo faritra rehetra ato amin'ny firenena.
Fandrindràna ny fanampiana tamin'ny alalan'ny media sosialy
Nambaran’ny Praiminisitra Modi fa hisy vola mitentina 10 lavitrisa roupies (eo amin'ny 150 tapitrisa dolara Amerikana) hampiasaina ho an'ireo ezaka fanavotana amin'ilay tondradrano, fanampin'ny 9,4 lavitrisa roupies efa navoaka. Nampiasaina ny miaramila sy ny Hery Nasiônaly Mpanavotra Loza mba hanavotra ireo olona voafandrika any amin'ny fonenan'izy ireny tratry ny tondradrano. Maherin'ny 10.000 ihany koa ireo polisy sy mpilomano mandray anjara amin'ilay ezaka fanavotana. Tena nampananosarotra tokoa ireo hetsika fanavotana ny fahatondrahan'ny seranam-piaramanidina, faharatsian'ny làlana fifandraisana, tsy fahampian'ny herinaratra sy ny fahatapahan'ny rohy amin'ny fifandraisandavitra.
Voamarina tao amin'ny media sosialy ny halehiben'ny fahasimbana satria mizara sary sy lahatsary miaraka amin'ireo tenifototra toy ny #Chennairains (Oran'i Chennai) sy #Chennaifloods ny olona :
Ford BMW Production disrupted by #ChennaiRains https://t.co/tYsuEblNMR pic.twitter.com/ORqVriLd06
— Offstumped Report (@offstumped) December 3, 2015
Fanamboarana ny Ford BMW voahelingelin'ny #ChennaiRains
Limited flights from naval base near Chennai today https://t.co/zQ50bwVq2b #ChennaiRains pic.twitter.com/gPJOZwKYe5
— NDTV (@ndtv) December 4, 2015
Sidina voafetra avy amin'ny toby an-habakabaka akaikin'i Chennai androany
We had to cancel 23 trains,11 were diverted and 8 trains were partially cancelled due to heavy rains: Anil Saxena, Railway PRO #ChennaiRains
— ANI (@ANI_news) December 2, 2015
Voatery nanafoana zotra an-dalamby 23 izahay, nahodina làlana ireo 11 ary fiarandalamby 8 kosa nofoanana tamin'ny ampahany noho ny orambaventy: Anil Saxena, Làlam-by PRO #ChennaiRains
The first time since 1878 when the @the_hindu wasn't published. #ChennaiRains https://t.co/gWNtSIOjWI
— Saikat Datta (@saikatd) December 2, 2015
Voalohany izao no tsy namoahana ny @the_hindu hatramin'ny taona 1878. #ChennaiRains
Nampiasa ny media sosialy ihany koa ny olona hizaràna loharanom-baovao ilaina sy handrindràna ny fanampiana ho an'ireo trà-boina.
All mosques in chennai are open to everyone, food and shelter is provided. #chennairains #chennairainshelp
— Mohsin Shaikh (@MohsinRexman) December 1, 2015
Misokatra ho an'ny rehetra ireo maoske rehetra any chennai, omena ny sakafo sy fialokalofana. #chennairains #chennairainshelp (fanampiana ny Chennai amin'ny orana)
Noforonina ny vohikala Chennairains.org mba hanomezana vaovao, toy ny lisitra avy eny ifotony misy ireo toerana sy olona manome fialokalofana sy fanampiana azo raisina.
Nandefa ny bokotra “tsy manahy” ny Facebook, izay ahafahan'ireo olona ao amin'ilay toerana milaza ireo namany hoe salama tsara izy ireo.
Nampiasaina handrindràna ireo mpirotsaka an-tsitrapo hanangona sy hizara ny fanampiana ho an'ireo trà-boinan'ny tondradrano ireo fanavaozana ny bitsika sy ny Facebook.
Fandraisana andraikitra iray, Bangalore ho an'i Chennai, miasa hanome herinaratra ho an'ireo trà-boinan'ny tondradrano tsy misy herinaratra.
Raha nanipika ny fisian'ny tranganà toetrandro El Niño matanjaka tokoa ireo tomponandraiki-panjakana ao amin'ny Departemantan'ny Famantarana ny Toetrandro ao India, tsy vitan'izy ireo ny hanafoana ny zava-misy hoe tsy vitan'i Chennai ny nikarakara rafitra iray mahomby hanariana rano tsara amin'ny fotoanan'ny rivodoza. Araka ny The Indian Express, misy fototrafitrasa tsy ara-dalàna maherin'ny 150.000 ao amin'ilay tanàna ary tobin-drano, lakandrano ary farihy maherin'ny 300 no nanjavona tao anatin'ny folo taona lasa noho ny fampiroboroboana haingana ny tanàna.
Araka ireo tatitra farany , mety vao maika hiharatsy ilay tondradrano satria misy orana maro mbola vinavinaina hirotsaka ny faran'ny herinandro ao amin'ny faritra Tamilnadu. Mbola hikatona hatramin'ny Alahady 6 Desambra ny seranam-piaramanidina iraisampirenen'i Chennai, izay nikatona ny 2 Desambra, satria tondraky ny rano ny toerana fiaingan'ny fiaramanidina.
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny teny Anglisy ny 4 Desambra 2015)