Indiana Mpianatra Voahilikilika Sy Nampijaliana Rehefa Nitatitra Ny Herisetra Ara-nofo Nihatra Taminy

Pikantsary tamin'ny fonon'ny e-book maimaim-poana, “Herisetra Ara-nofo tao amin'ny Toeram-piasana ao India: Andeha Hiara-hampitsahatra Izany” avy amin'ny LawSikho.com (Tsindrio ny sary raha hamaky ny e-book ao amin'ny Slideshare)
“Tahaka an'Andriamanitra ny herisetra ara-nofo, feno azy eny rehetra eny,” nilaza am-pamazivaziana momba ny olana maharitra amin'ny fanararaotana ny vehivavy ao India ny vehivavy Indiana mpikatroka iray.
Ary tsy mijanona amin'ny fanombohana herisetra izany. Ny zava-nitranga vao haingana tao amin'ny Satyajit Ray Film and Television Institute (SRFTI), ivom-pampianarana horonantsarimihetsika sy fahitalavitra ao Kolkata, Bengal andrefana, India, dia mampiseho fa mety manokatra varavaran'ny fanohintohinana bebe kokoa indray ho an'ny lasibatra ny fomba filazana fanoherana ny fanararaotana.
Tamin'ny volana lasa, mpanabe mpikambana telo ao amin'ny SRFTI no naato taorian'ny fitarainana momba ny herisetra ara-nofo mahavoarohirohy azy ireo. Ny filazana dia natao tamin'ny novambra 2015 nandritra ny fihaonan'ny vehivavy mpianatra maro tamin'ny filohan'ny Komitin'ny Fitarainana Anatiny momba ny Herisetra Ara-nofo. Ny fiampangana dia ahitana mpanabe manala-baraka tena amin'ny mpianatra ao an-dakilasy sy manao fanehoan-kevitra momba ny natioran'ny fananahana. Mpampianatra iray hafa ihany koa no voampanga ho nanohana ny fanohintohinan'ny lehilahy mpianatra iray tamin'ireo vehivavy mpiara-mianatra taminy.
Nanambara ny mpianatra iray ao amin'ny SRFTI manoratra amin'ny alalan'ny solon'anarana Kunjila fa iray amin'ireo nitaraina izy ary niampanga ny mpampianatrany ho “manery azy hanao firaisana aminy”. Nofariparitany avy eo ny fomba nivadihan'ny mpianatra taminy taorian'ny famoahana ny mari-panondroana azy:
I am writing this blog post to update on the developments that have happened after i came out as the complainant who lodged the complaint against a professor in SRFTI who forced me to have sex with him. On 25th December 2015, Sri, whom i used to consider a friend, a student from the same batch as i, called up a meeting of all girls of the institute. The messages were on the whatsapp group which is called SRFTI General Body of which i am a member too. She had given the link to my blog post and the report in TOI (The Times of India). Another male batchmate remarked in the group that the last line of the report was ‘atrocious’.
Manoratra ity lahatsoratra bilaogy ity aho mba hanome vaovao farany momba ny fivoarana niseho rehefa fantatra fa izaho no nitaraina nametraka ny fitarainana manohitra ny mpampianatra iray tao amin'ny SRFTI izay nanery ahy hanao firaisana aminy. Tamin'ny 25 Desambra 2015, niantso fivorian'ny tovovavy rehetra ao amin'ny ivom-pampianarana i Sri, izay noheveriko ho namana, ary mpianatra iray sokajy amiko. Nalefa tao amin'ny vondrona WhatsApp ny hafatra niantso ny mpikambana lehiben'ny SRFTI izay mpikambana amin'izany koa aho. Nanome ny rohy tamin'ny lahatsoratra bilaogiko sy ny tatitra tao amin'ny TOI (The Times of India) izy. Nanamarika tao amin'ny vondrona ny lehilahy iray hafa iray sokajy amiko fa “mahatsiravina” ny andinin-dalana farany amin'ny tatitra.
Ary niharatsy izany, raha nanoratra tamin'ny lahatsoratra bilaogy iray hafa izy tamin'ny 3 Janoary 2016:
Meanwhile in SRFTI, where the crimes took place, people were busy ganging up against me. The first problem, as always, was that the reputation of the institute was getting tainted. On social media a few girl students put up posts saying they have never felt that SRFTI was unsafe for women. [..]
Some ex students took those posts as a good opportunity to judge my character and say that i was lying. One said that i was an ‘ugly woman’, another that i was a ‘psychiatric case with a history of suicide attempt’, a post by a female ex student suggested that this was probably personal vendetta. Another female student said that it was the classic case of boy calling ‘tiger tiger’ twice when there was no tiger.
Mandritra izany fotoana izany, tao amin'ny SRFTI, izay nisian'ny heloka bevava, nisahirana nanao antokon'olona niady tamiko ny olona. Ny olana voalohany, araka ny mahazatra, dia ny fanimbana ny lazan'ny ivom-pampianarana. Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, namoaka lahatsoratra ireo tovovavy mpianatra vitsivitsy izay milaza fa tsy mbola nahatsapa izy ireo fa mampidi-doza ho an'ny vehivavy ny SRFTI. [..]
Mpianatra sasany teo aloha kosa nandray ireo lahatsoratra ireo toy ny fotoana mety tsara hitsarana ny toetrako sy nilazana fa nandainga aho. Nilaza ny iray fa “vehivavy ratsy tarehy” aho, ny iray hafa kosa niteny fa’ marary saina manana tantara fikasana hamono-tena” aho, lahatsoratra iray hafa avy amin'ny vehivavy mpianatra teo aloha nilaza fa azo antoka fa valifaty manokana izany. Mpianatra vehivavy iray hafa nilaza fa tranga mahazatra ny tovolahy miantso “tigra tigra’ indroa rehefa tsy nisy ny tigra izany.
“Matetika ekena ho fitondran-tena manafintohina ny herisetra tahaka izany”
Teo anelanelan'ny Aprily 2014 sy Aprily 2015, tranga herisetra ara-nofo 75 no voalaza fa nitranga tao anatin'ny ivom-pampianarana ambony manerana an'i India.
Mpitsara teo aloha Sujata Manohar ao amin'ny Fitsarana Tampony ao India nanazava nandritra ny seminera fa tsy misy lalàna mahomby ao India mba hiadiana amin'ny herisetra ara-nofo ao amin'ny toeram-piasana, ary mivelatra loatra ny torolalan’ ny Fitsarana Tampony ka azo adika amin'ny fomba maro. Hoy izy (tahiry pdf):
One of the hurdles in dealing with this problem is that often such harassment is not recognized as offensive behaviour which can cause trauma and distress to the victim. Another myth is that the seriousness of sexual harassment has been exaggerated; most so-called harassment is actually trivial and harmless flirtation.
Iray amin'ireo sakana amin'ny famahana ity olana ity dia matetika tsy ankatoavina ho fitondran-tena manafintohina izay mety miteraka ratram-po aman-tsaina sy fahoriana ho an'ny niharam-boina ny herisetra tahaka izany. Tantara hafa ihany koa ny hoe hitarina ny halalin'ny herisetra ara-nofo; hany ka lazaina fa fikaotiana tsy mandratra sy tsy mampidi-doza ankehitriny ilay antsoina fa herisetra.
Tamin'ny lahatsoratra ho an'ny sehatra fanehoan-kevitra antserasera Daily O, Edmond Fernandes, Tale Jeneralin'ny Foibe Ho an'ny Fahasalamana sy ny Fandrosoana, Mangalore, sy i Homolata Borah, mpampianatra ambony mpikaroka ao amin'ny Foibe Ho an'ny Fikarohana ny Fampandrosoana Ara-paritra ao New Delhi, nilaza fa fotoana izao hanaovana fiovana :
It is time research scholars and post-graduates became very vocal about any untoward incident, be it inappropriate touch, a stare, sexual abuse, threat or bribery and immediately report the issue not only to the university authorities, but also the police, their family and friends so that it builds a cumulative pressure on the culprit to be brought to book and not let the case be hushed up.
It is also time that we witnessed institutional reforms and ensured that the promise of safeguarding women employees against sexual harassment is delivered.
Fotoana nahatonga ireo mpampianatra ambony mpikaroka sy ireo nahazo diplaoma niloa-peo momba izay loza mampahasorena, na izany fikasihana tsy sahaza, fanararaotana ara-nofo, fandrahonana na kolikoly, ampahafantatro avy hatrany ny olana, tsy any amin'ireo manampahefan'ny oniversite ihany fa any amin'ny polisy, ny fianakaviana sy ny namana ihany koa ka hanangana teritery maromaro ho an'ny meloka izany mba hoentina eo anatrehan'ny fitsarana sy tsy hamela ny tranga hivalona.
Fotoana nahitan-tsika maso ireo fanovana teny anivon'ny toeram-piasana ihany koa izao ary niantohana fa ny fampanantenana hiaro ny mpiasa vehivavy amin'ny herisetra ara-nofo dia nomena.
“Ny niharam-boina hatrany no voahilikilika”
Tao amin'ny Facebook, Gagan Judge nitsikera ny tsy fisian'ny fanohanana amin'ny zava-niainan'i Kunjila tao amin'ny SRFTI:
I am amazed at SRFTI's women students who have extended almost no support to their fellow student. Some of the arguments I have heard from your male and female students are equally ugly and bunch of baloney. The saddest part in a sexual harassment case is what happens to the victim after she complains and I can see all the classical reactions here. “We are all safe. Our institute is being insulted!”. No one is insulting your institute and good that you and many others are safe as you claim. That is how institutions survive. Some people are always safe but what about that one girl who has spoken against sexual harassment. Why aren't you girls holding her hand?
Gaga aho noho ilay mpianatra vehivavy ao amin'ny SRFTI tsy nahazo fanohanana avy amin'ny mpianatra namany. Samy ratsy sy adala avokoa ny sasany tamin'ireo foto-kevitra henoko tamin'ny mpianatra lahy sy vavy. Ny mampalahelo tamin'ny tranga herisetra ara-nofo dia ny nihatra tamin'ny niharam-boina taorian'ny fitarainany ary afaka nahita ireo fanehoan-kevitra mahazatra eto aho. “Avotra soa aman-tsara isika rehetra. Voatevateva ny toeram-pianarantsika!”. Tsy misy olona manevateva ny toeram-pianaranao ary tsara araka ny nolazainao fa tsy naninona ianao sy ny maro hafa. Izany no mbola mampitsangana ny toeram-pampianarana. Azo antoka foana ny fiarovana olona sasany saingy ahoana ny amin'ilay tovovavy iray niloa-bava nanohitra ny herisetra ara-nofo. Nahoana ianareo tovovavy no tsy manohana azy?
Subal Kr. naneho hevitra hoe:
Does everybody seriously believe this will hurt SRFTI ‘image’? What is SRFTI image? Since we are all students of cinema, before jumping and judging, at least wait for the truth to come out. Because your dirty comments not only hurt the girl, but also will scare other human souls to speak out their sufferings.
Mihevitra marina tokoa ve ny rehetra fa handoto ny endriky ny SRFTI izao? Manao ahoana ny endriky ny SRFTI? Hatramin'ny naha-mpianatra sinema antsika, alohan'ny hitsambikinana sy hitsarana, farafaharatsiny, miandrasa ny fivoahan'ny marina. Satria tsy mandratra ilay tovovavy ihany ny fanehoan-kevitrao maloto fa hampatahotra ny fanahin'ny olon-kafa te hiloa-bava mikasika ny fijalian'izy ireo ihany koa.
Mpamokatra horonantsary fanadihadiana efa nahazo loka, Nishtha Jain, izay nitantana ny horonantsary fanadihadiana “Gulabi Gang” momba ireo vondrona mpikatroka vehivavy Indiana manohitra ny herisetra ara-nofo, niresaka momba ny lasitra roa samihafa tafiditra amin'ny raharaha tao amin'ny lahatsoratra tamin'ny Facebook iray:
The fact is that most women don't even realize that they are being sexually assaulted or coerced, they take it in their ‘stride’. Most women don't report and that's actually a disservice to other women. I myself have not reported several such incidents, including those that took place in [Film and Television Institute of India]. I regret that now because I know these men are serial violators. There should be a ‘violator list’ that women should circulate so that their fellow students/colleagues/friends can be made aware about the violator. [..]
I think Indian men need to learn to hear the NO. And women need to say the NO louder and clearer. This is not to say that there are no false cases filed against men. There are, but these are much less in number because it takes huge courage for a woman to register a complaint even today in 2016. It's still the victim who's ostracized, largely by the society while the men are usually forgiven and accepted by their girlfriends/wives/families/ friends/colleagues.
Ny zava-misy dia tsy mahafantatra akory ny ankamaroan'ny vehivavy fa niharan'ny herisetra ara-nofo na noterena izy ireo, raisin'izy ireo ao anatin'ny «anjaran'» izy ireo izany. Tsy mitatitra momba ny herisetra ny ankamaroan'ny vehivavy ary lasa tsy manampy ny vehivavy hafa izany toe-javatra izany. Ny tenako manokana dia tsy nitatitra tranga maromaro tahaka izany, anisan'izany ireo nitranga tao amin'ny [Ivom-pampianarana Horonantsari-mihetsika sy Fahitalavitra]. Malahelo aho satria fantatro ankehitriny fa andiana mpanolana ireo lehilahy ireo. Mety misy «lisitra mpanolana» izay tokony haparitaky ny vehivavy ao mba ho fantatr'ireo mpianatra/mpiara-miasa/namana ny mpanolana. [..]
Mino aho fa mila mianatra mandray ny TSIA ny lehilahy Indiana. Ary mila milaza ny TSIA mafy kokoa sy mazava kokoa ny vehivavy. Tsy midika izany fa tsy misy ny fitoriana mamely ny lehilahy. Misy izany, saingy vitsy dia vitsy satria mila herim-po goavana ny vehivavy mba hametrahana fitarainana, na dia amin'izao taona 2016 izao aza. Ny lasibatra foana no voahilikilika, indrindra avy amin'ny fiarahamonina raha matetika mahazo famelan-keloka kosa ny lehilahy ary eken'ireo sakaizany/ vadiny/ fianakaviana / namana/ mpiara-miasa izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...