- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanonta Nanivana Lahatsoratra Iray Hafa An'ny New York Times, Mitondra Fanazavana Momba Ny Kabary Nafenina Mahakasika Ny Tontolo iainana

Sokajy: Pakistana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Front page of International New York Times, with story on Bin Laden omitted. Photo by Aysha Raja, shared on Twitter. [1]

Pejy voalohany amin'ny International New York Times tamin'ny 21 Martsa 2014, rehefa nesorina ny tantara iray momba an'i Osama Bin Laden. Sary an'i Aysha Raja, nozaraina tao amin'ny Twitter.

Nesorin'ireo Pakistaney mpanonta gazety tsy ho eo amin'ny pejy voalohany ny tantara mitondra lohateny hoe “Bilaogera Tandindonin-doza ao Bangladesh”, [2] tsy ho ao anatin'ny famoahany ny dika ho an'izao tontolo izaon'ny The New York Times ny 2 Janoary 2016 teo, navela ho faritra banga no teo.

Salman Masood, iraky ny New York Times ao Pakistàna, nibitsika dika roa samihafa tamin'ilay gazety :

Nesorin'ny mpanonta gazety miara-miasa amin'ny New York Times ao Pakistàna ny lahatsoratra iray. Pejy fotsy roa no azon'ireo mpamaky

Toy izao no endriky ny New York Times aty Azia androany, raha tsy asiana ny sivana ao Pakistàna

Lahatsoratra manoritsoritra ny famonoana ireo bilaogera Bangladeshi [8] izay manoratra momba ny maha-laìka, ny tsy finoana an'Andriamanitra, ny zon'olombelona ary ny fahalalahana sivily. Nanomboka tamin'ny fitsongoana dia an'i Asif Mohiuddin [9] io, izay velona ihany taorian'ny tsindrona antsy natao azy tamin'ny 2013, ary fotoana fohy taorian'izay dia nampidirina am-ponja noho ny fanoratany zavatra mitaky fiovàna. Mitovy amin'ny an'ireo bilaogera Bangladeshi marobe ny tantarany, izay natao lasibatra ary indraindray dia maty novonoina rehefa avy notsongaina sy nampangain'ireo henjam-pihetsika ara-pinoana ho tsy mino an'Andriamanitra’. Manana zo mitovy amin'ny olompirenena rehetra ihany ireo tsy mino an'Andriamanitra ao anatin'i Bangladesh izay Miozolmana no betsaka ao aminy, saingy tsy dia manao zavatra loatra hampihenana ireny fanafihana ireny, na mitondra ireo mpamono mba hiatrika fitsaràna ny governemanta laika ao amin'io firenena io.

Ny marina dia ry zareo ao amin'ny Express Tribune, mpanonta miara-miasa amin'ny The New York Times, no nanala ilay tantara teo amin'ny pejy voalohany tao Pakistàna, niteraka fihetsehampo teny anaty media sosialy. Marobe ireo nanipika fa tsy zavatra vaovao ao Pakistàna akory ity sivana ity.

Tsy azoko. Nahoana no nosivanina ny lahatsoratra iray tamin'ny famoahana ny NYT eto Pakistàna mifandray amin'ny fahafatesan'ireo bilaogera tao Bangladesh. Ampio, misy mihaino?

@HaticeAVCI_ [11] @nytimes [12] tsy vao voalohany raha ny marina. Efa saiky zavatra iainana isanandro io.

Ny sasany aza nampitaha azy io mihitsy tamin'ny kendaroroka nataon'ny manampahefana amin'ireo media nandritry ny  fitondran'ny Jeneraly Muhammad Zia-ul-Haq ny 1978 hatramin'ny 1988:

Tsanganana banga (fotsy) eo anatin'ny NYT mampahatsiahy ny vanimpotoana Zia

Fotoana fohy taorian'izay, namoaka [18] fanambaràna iray ny The New York Times nanome fanamarihana avy amin'ireo mpanonta gazety mikasika ny antony nifidianan-dry zareo hanaisotra ilay tantara. Fohy ilay fanamarihana:

Voatery izahay nanaisotra ilay lahatsoratra nivoaka teo amin'ny pejy voalohany sy faharoa tamin'ny [ New York Times iraisampirenena] Sabotsy 2 Jan 2016 satria misy fanehoankevitra momba ny Koràny sy ny Mpaminany Mahomety izay mety hiteraka fanafintohinana lehibe amin'ireo mpamakinay.”

Nanoratra [19] ny toniandahatsoratry ny The New York Times, Margaret Sullivan, fa tsy nomena fotoana ny gazety mba handàvany ilay fanesorana lahatsoratra.

Naneho hevitra tamin-keso ilay Pakistane mpanoratra sady bilaogera, Bina Shah [20]:

Somary maivamaivana ihany aho hoe nesorin-dry zareo ilay lahatsoratra: ao Pakistàna, toerana iray izay mety hampiditra angano anao tokoa ny maha-mpanao gazety, na mpanoratra, na maha-bilaogera anao, tsy mila manome hevitra ny olona isika hitetitetehana antsika mba hangina.

‘Lavo ny sivana amin'ny endriny rehetra’

Izay mihitsy, tsy vao io no tantara goavana voalohany nesorina avy amin'ny fanontàna ny The New York Times teo  an-toerana. Ny Martsa 2014, tantara iray tao amin'ny Times [21] momba ny fahalalàn'ireo Pakistane manampahefana ny fivezivezena sy toerana nisy ilay mpitarika ny Al-Qaeda, Osama Bin Laden, no tratry ny sivana, ary dia saiky navela ho fotsy tanteraka ny pejy voalohany tamin'izay.

Fanivànantena va re? Ny NYT iraisampirenena tao Pakistàna, tsy nisy ny tantara nosoratan'i @carlottagall [22] momba an'i Bin Laden

Volana iray taty aoriana, “nanjavona” ihany koa ny ampahan-dahatsoratra iray fanehoankevitra nisy fanivaivàna finoana nataon'i Ali Sethi, namela pejy iray foana taorian'izany. Valiny, nosoratan'i [26] Bina Shah ny momba izay fomba fitondràna ny sivana ataon'ireo media amin'ny tenany ihany, fa tsy didy ofisialy avy amin'ny governemanta:

Mety hihevitra ianareo hoe ny governemanta Pakistaney no nandidy hanaovana izany, saingy tsia, ireo toniandahatsoratry ny gazety no nandray ny fanapahankevitra hanao samirery izany zavatra rehetra izany. Manomboka izao, ratsy ny raharaha ho an'ireo media Pakistaney…tena ratsy. Miaraka amin'izay nanjo ny GEO, ilay fantsom-pahitalavitra lehibe indrindra tao amin'ny firenena, nahantona hikiraviravy, voampanga noho ny resaka fitenenan-dratsy natao tamin'ireo oloben'ny media, ary ny ady mahenika ny lafivalo atao   amin'ilay Jang Group izay nakàn'ireo trano famoahambaovao rehetra ny toeran'ny trondro pirañhas [sic], mitsentsitra rà ao anaty rano, azo antoka fa nanapaka hevitra ry zareo Express Tribune hoe tsy mila korontana fanampiny intsony, ary dia nanaisotra ilay ampahan-dahatsoratra tamin'ny fomba manta be tsotra izao fotsiny araka izay azony natao. Ny fotoana farany nanaovan-dry zareo tahàka io dia momba ilay tatitr'i Carlotta Gall mahakasika ny toerana nisy an'i bin Laden.

Tato anatin'ny taona vitsy lasa, voakiana be mihitsy ireo Pakistaney manampahefana noho ny fomba fanao peta-toko ataony hibahanana vontoaty ety anaty aterineto. Na dia mifantoka amin'ny fandraràn'ny governemanta ny Youtube aza no betsaka amin'ny adihevitra momba ilay olana, nampitombo ny ahiahy ihany koa momba ny toerana misy ny fahalalahan'ny fampitambaovao ao amin'ny firenena ny fibahanana ny tranonkalan'ny Al Jazeera [27] sy BBC [28]. Ny gazety Express Tribune manokana dia niharan'ny fanarahana maso akaiky taorian'ny namborahan'ny [29] mpiara fahiny iray tao aminy ny fomba fandrafetan'ny tsindry politika ny asa fandrakofana vaovao ataon-dry zareo.

Ao anatin'ity ohatra ity, maneho taratra ny zavamisy maizina sy mahery setra ho an'ny fanehoana hevitra ao Pakistàna ny asa fanivànana. Araka izay ametrahan’ [30]i Shah azy :

Fihetsika poakaty io, indrindra fa hoe lahatsoratra azo jerena ety anaty aterineto ilay izy, nefa io toerana banga/fotsy ao anaty gazety io miteny betsaka momba ny toedraharaha iainanay sy anoratanay eto Pakistàna ankehitriny. Lavo ny sivana amin'ny endriny rehetra, satria rehefa mivezivezy malalaka irery ihany ny vaovao vao tena afaka marina ny firenena.