Nosamborin'i Arabia Saodita i Samar Badawi Fa Nisioka Tamin'ny Anaran'ny Vadiny Mbola Any Am-ponja

Human rights defender Samar Badawi has been arrested in Saudi Arabia reportedly for tweeting on behalf of her husband, jailed human rights activist and lawyer Waleed Abulkhair. Photograph shared by her sister in law Ensaf Haidar (@miss9afi) on Twitter

Mpiaro ny zon'olombelona Samar Badawi nosamborina tao Arabia Saodita noho izy misioka amin'ny anaran'ny vadiny, izay mpikatroka ny zon'olombelona sady mpisolovava migadra any am-ponja, Waleed Abulkhair. Sary nozarain'ny zaobaviny Ensaf Haidar (@miss9afi) tao amin'ny Twitter

Nosamborina androany ilay Saodiana mpikatroka ny zon'olombelona Samar Badawi, voalaza fa mitantana ny kaonty Twitter-n'ny vadiny any am-ponja, Waleed Abulkhair, Saodiana mpisolovava sady mpiaro ny zon'olombelona malaza izy.

Ny zaobaviny,  Ensaf Haidar, vadin'ilay bilaogera liberaly anadahin'i Badawi, Raif Badawi, izay nahazo sazy kapoka karavasy in-1000 sy sazy 10 taona an-tranomaizina ao Saodita noho ny “fanevatevana ny Islamo” no nitatitra ny vaovao tao amin'ny Twitter

Nanoratra i Haidar:

Maika: Nosamborina i #Samar_Badawi noho ny fitantanana ny kaonty twitter an'i @WaleedAbulkhair

Nampiany hoe:

Maika: Nafindra any amin'ny fonja foibe ao Dhahran i #Samar_Badawi, fonja misy an'i #Raif_Badawi sy #Waleed_Abulkhair

Tamin'ny volana Jolay 1914, voaheloka higadra15 taona an-tranomaizina i Abulkhair ary voaheloka teo ambanin'ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana nampidirina tao amin'ny fanjakana tsy refesi-mandidy toy ny “fanevatevana ny filaminana ankapobeny” sy ny “fandrehetana hevi-bahoaka”.

Manana mpanjohy 82.5K ny kaonty Twitter-ny, @WaleedAbulkhair, ary voampanga ho nitantana izany  Ramatoa Badawi – ary manohy mitantana izany na dia taorian'ny fisamborana azy aza.

Nomelohin'ny mpiserasera manerana izao tontolo izao ny fisamborana an'i Badawi, anisan'izany ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao gazety (Fanangonan-tsonia Arabo) izay niantso ny manampahefana Saodiana mba hamotsotra azy tsy misy fepetra.

Saodiana Elham Al Manea mamaritra ny fisamborana an'i Badawi ho “tsy malina”, nolazainy fa manosika ny Saodiana hitroatra hampiasa hery izany:

Tsy malina tanteraka: Amin'ny fisamborana an'i #Samar_Badawi, manakatona varavarana manoloana ireo mitaky fanovana anaty filaminana ny mpitondra Saodiana amin'izao fotoana

Bilaogera Eman Al Najfan nanoratra hoe:

Nosamborina androany i @samarbadawi15, mpikatroka milamina sady nahazo ny loka Vehivavy Mahery fo 2012

Avy ao Canada, mandrisika ny olona i JSheehan mba hamaky ny bokin'i Raif Badawi mitondra ny lohateny hoe 1,000 Lashes: Because I Say What I Think (Kapoka karavasy in-1000: Satria Nilaza Izay Tao An-tsaiko aho):

Nitolona ho amin'ny Zon'Olombelona i Samar Badawi, tahaka ny nataon'ny rahalahiny #RaifBadawi. Azafady vakio ny bokiny kapoka karavasy in-1000 ao amin'ny iBooks

Ny hafa, tahaka an'i Maysaa Al Amoudi kosa nizara ny iray tamin'ireo siokan'i Badawi vao haingana:

Mety hitarika any am-ponja ny teny tsotra

Tamin'ny siokany, nanoratra i Badawi hoe:

Silence is killing us but we are steadfast

Mamono antsika ny fahanginana saingy tsy laitra hozongozonina isika

Tsy nampangina ny Saodiana maro ny fisamborana an'i Badawi. Mpisera tsy nitonona anarana nisioka hoe:

Mitombo ny famoretana, ambony dia ambony ny kolikoly sy ny halatra ary ahitam-piakarana ny fanapahan-kevitra mampidi-doza. Tsy misy zavatra mihena eto amin'ity firenena ity, afa-tsy ny fahalalahantsika sy ny fahamendrehantsika.

Mpisera Twitter iray hafa mivavaka mba ho tezeran’ Andriamanitra ireo nahavita ny tsy rariny tamin-dRamatoa Badawi. Hoy izy nisioka:

Any am-ponja ny vadiny: Ary any am-ponja koa izy ankehitriny. Ary manirery ankehitriny ny zanak'izy ireo vavy, tsy misy ray sy reny. Ho amin'ireo nahavita ny tsy rariny anie ny fahatezeran'Andriamanitra

Matahotra hiaina (hisefo) ity mpiserasera ity:

Miaina ao amin'ny firenena izay matahotra ny miaina (misefo) isika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.