- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manina Ahy? Apetak'ireo Witty Mpijirika Eny Amin'ireo Fàfana Anaty Fiarandalamby Ambanin'ny Tany Ao Kiev Ny Sarin'i Moriarty Ilay Olondoza Amin'ny Andian-tantara Sherlock

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Hehy, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet
Moriarty, the villain from BBC's Sherlock series, surprised Kyiv metro riders on January 14. Image from Nash Kiev Facebook community. [1]

Ny 14 Janoary teo, nanaitra ireo mpandeha fiarandalamby ambanin'ny tany tao Kiev ny nahita ilay olondoza amin'ireo andian-tantàra Sherlock mpandeha amin'ny BBC. Sary avy amin'ny vondrom-piarahamonina Facebook Nash Kiev.

Somary taitra ihany ireo mpandeha amin'ny fiarandalamby ambanin'ny tany tao Kiev renivohitr'i Okraina tamin'ny 14 Janoary rehefa nahita ireo sarin'i Moriarty, ilay olondoza malaza ratsy avy ao anatin'ireo boky sy andian-tantàra an-tsarimihetsika Sherlock, nanomboka nipoipoitra teo amin'ireo fàfana tao anatin'ny fiarandalamby, nisolo toerana ireo fampitandremana efa mahazatra sy mankaleo momba ny fiarovana.

Vetivety ny media sosialy dia feno [1] sary nopihana avy amin'ireo fàfana voajirika, nanasongadina an'i Moriarty lalaovin'ilay mpiantsehatra Andrew Scott amin'ilay andian-tantàra malaza Sherlock an'ny fahitalavitra BBC. Asongadin'ireo sary ihany koa ny teny hoe “Manina ahy?,” mampiàko ilay safotofotom-pitiavana [2] tao anatin'ilay fizarana farany tamin'ny vanim-potoana fahatelo tamin'io seho anaty fahitalavitra io, izay nipongàran'ilay rafin'i Sherlock indray teny anaty dokambarotra nanerana an'i Londona. Rafy izay noheverina tany amboalohany hoe maty.

A photo capturing the sudden appearance of Moriarty on subway screens. Image from Nash Kiev Facebook community.

Saripika iray maneho ny fipoirana tampok'i Moriarty teny amin'ireo fàfana tany anaty fiarandalamby ambanin'ny tany. Sary avy amin'ny vondrom-piarahamonina Facebook Nash Kiev.

Vinavinain'ireo [1] vondrom-piarahamonin'ny media sosialy ao Kiev hoe asan'ireo mpijirika io sangy ratsy io, saingy hatreto tsy misy olona milaza ho tomponantoka tamin'ireo sary ireo. Nilaza [3] tamin'ny tranonkala AIN.UA ny sampandraharaha misahana ny fifandraisana amin'ny gazety ao amin'ny fiarandalamby ambanin'ny tany ao Kiev  fa tsy nanome alàlana ny fametrahana ireo sarin'i Moriarty ry zareo ary efa manao fanadihadiana momba ilay raharaha. Nanamarika ihany koa ilay sampandraharaha mpifandray amin'ny gazety fa andraikitry ny masoivoho manana fifanarahana asa hitantana ireo dokambarotra any anaty fiarandalamby ny vontoaty hita amin'ìreo fàfana fanaovana dokambarotra hita any anaty fiarandalamby ambanin'ny tany.

Na dia tsy nitondra ho aminà raharaha/olana na inona na inona tamin'ny asan'ny rafitry ny fiarandalamby ambanin'ny tany aza ilay fijirihana, ary toy ny natao hamalifaliana, dia marihan'ny [3]  AIN.UA fa tena manainga fanontaniana momba ny fiarovana ny rafitra fifampitambaovaon'ny fiarandalamby ambanin'ny tany kosa.