Netizen Report: Mitodika Hatrany Any Amin'ny Fampitam-Baovao Mahaleotena Ao Syria

Naji Jerf sy Ahmad Almossa, olompirenena Syriana mpiasan'ny fampitam-baovao maty tamin'ny 2015. Sary nozaraina fatratra tao amin'ny Twitter.
Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Hatramin'ny 2013 dia mnihabetsaka ny mpanao gazety lasibatra ny maty misy namono noho ny asany ao Syria mihoatra noho ny toeran-kafa manerana izao tontolo izao, araka ny fikarohana nataon'ny CPJ. Noho ny fitomboan'ny risika mety isian'ny famonoana sy ny fakana an-keriny, dia natsahatry ny orinasam-baovao goavana, ary ao anatin'izany ny Associated Press sy ny Agence-France Presse ny fandefasana ekipa mpanangom-baovao ao amin'ity firenena ity, izay miteraka fahabangam-baovao lalina dia lalina amin'ny fitatiterana ny vaovaon'ny ady avy amin'ny fampitam-baovao mahazatra, indrindra fa ny amin'ny teny anglisy.
Mifanindran-dalana amin'izany dia miasa ireo mpanao gazety ao an-toerana sy ny tambajotran'ireo olon-tsotra tia mampita vaovao hatramin'ny nanombohan'ny ady voalohany. Koa satria moa efa nesorina any Syria ny fampitam-baovao vahiny dia lasa loharanom-baovao sy fanadihadiana amin'ny herisetra mitranga any ireo mpanangom-baovao ao an-toerana ireo. Raha miatrika loza mitovy na mihoatra noho ireo vahiny mpanangom-baovao aza ireo vondron'olom-pirenena mampita vaovao avy ao Syria ireo dia zara raha mahazo lohatenim-baovao amin'ny fampitam-baovao tandrefana ry zareo.
Tamin'ny Desambra 2015, mpitarika ireo olom-pirenena mampita vaovao nanokana volana maro amin'ny fiainany hitaterana akaiky momba ny ady no maty tamin'ny heverina ho fikendrena manokana. Tamin'ny 16Desambra 2015 no novonoin'andian-dehilahy misarontava tao Idlib, ao avaratra andrefan'i Syria i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana iray ao amin'ny vondron'olompirenena Syriana mampita vaovao Raqqa is Being Slaughtered Silently (RBSS na Kendaina Mangingina i Raqqa). Izao fahafatesan'i Almossa izao dia tonga taorian'ny nanomezan'ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety voninahitra ny RBSS tamin'ny alalan'ny Amboaran'ny Fahalalahan-Gazety Iraisampirenena 2015 noho ny fahasahiany mitati-baovao ao Syria.
Miorina ao Raqqa, notondroin'ny vondrona mitam-piadiana ISIS ho renivohiny, ny RBSS izay mandefa akaiky ny habibiana ataon'ireo mpandray anjara rehetra amin'ny ady ka ao anatin'izany ny ISIS, ny tafiky ny governemanta Syriana ary ny vondron-kery tandrefana, izay mahatratra sivily ny daroka baomba an'habakabaka ataony. Amin'ny mahatambajotra fampitam-baovao mahaleotena vitsy mbola miasa ao amin'ny firenena, dia voatsonga matetika amin'ny fampitam-baovao mahazatra ny RBSS.
Tsy ampy tapabolana akory ny namonoana an'i Almossa tao amin'ny RBSS, dia nisy nitifitra sy nahafaty ankalamanjana tao Gaziantep, Torkia mifanakaiky amin'ny sisintany Syriana ilay Syriana mpanatontosa sarimihetsika Naji Jerf tamin'ny 27 Desambra 2015. Inoan'ny maro fa maty ho famaizana azy namoaka fanadihadiana ny heloka bevava vitan'ny ISIS ao Syria i Jerf, 38 taona. Ny lahatsary maharitra 24 minitra, nozaraina tao amin'ny YouTube, dia manome fanadihadiana tamin'ireo heloka bevava vitan'ny ISIS tao an-tanànan'i Aleppo. Hita ao amin'ny heloka bevava voalaza ny fakana an-keriny sy ny famonoana mpanampy mpitsabo tamin'ny 2013 sy 2014 izay nalain'i Jerfan-dahatsary nialoha ny handehanany nankany Torkia. Nojerena tao amin'ny fahitalavitra azo zanabolana manerana ny faritra Arabo Al Arabiya, izay sarimihetsika izany taoriana ary nahazo mpijery mihoatra ny 12 tapitrisa sy fanehoan-kevitra an'arivony tao amin'ny pejy Facebook an'ilay fantsona.
Sarotra dia sarotra ny hamantatra marina hoe firy ny Syriana namoy ny ainy noho ny famoahana ny habibiana nataon'ny ISIS sy ny fitondrana Assad. Izany no mahatonga ny tantaran'i Jerf sy Almossa ho manandanja indrindra—raha vavolombelona amin'ny ezaka ataony mahatonga azy hiharihary manoloana ny habibian'ny ady ao Syria ny tati-baovaon'ny famonoana azy ireo, Tati-baovaon'ny famonoana izay mety ahafahana manazava ny tantaran'ireo olona hafa izay mety tsy holazaina mihitsy.
Fianakaviana Saodiana miatrika fandrahonana ara-pitsarana vaovao noho ny fikatrokana fandalàna ny zon'olombelona
Nosamborina ny Saodiana mpandala ny zon'olombelona, Samar Badawi, noho ny filazana ho mamelona ny kaonty Twitter an'ny vadiny izay mpisolovavan'ny mpandala ny zon'olombelona, Waleed Abulkhair, izay manapitra ny didy famonjana 15 taona noho ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana ahitana vesatra toy ny “fanompana ny filaminana ankapobeny” sy ny “fandrehetana ny hevi-bahoaka.” Nomelohin'ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao gazety amin'ny ankapobeny ny fisamborana an'i Badawi, izay anabavin'ny bilaogera iray efa migadra antsoina hoe Raif Badawi ihany koa.
Politisiana Ekoadaoreana iray hafa miatrika famonjana noho ny siokam-pitsikerana nataony
Voaheloka higadra 30 andro any am-ponja sady voasazy handoa onitra mitovy amin'ny ampahaefatry ny karamany ny mpikamban'ny vaomieran'ny fanaovan-dalàna iray ao an-tanànan'i Loja noho ny famoahany sioka iray toa mametraka fa nangalatra volam-bahoaka ny Ben'ny Tanànan'i Loja, José Bolívar Castillo, ary nandainga momba izany. Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny gazety nasionaly iray mivoaka isan'andro El Comercio, no nilazan'i Bolívar fa nitady asa ara-pitsarana hamelezana ny mpanolotsainan'ny tanàna Jeannine Cruz, izay misolotena ny fanoherana izy. Nolazain'i Bolívar fa ny kinendrin'ny asa ara-pitsarana dia tsy ny hiaro ihany ny voninahiny fa ny hametrahana santatra trangan-draharaham-pitsarana ihany koa.
Nilaza i Cruz fa ilay didim-pitsarana dia nametraka “santatra trangan-draharaham-pitsarana mampihoron-koditra eo amin'ny tantaram-pirenenay.” Efa mikasa ny hampakatra ny raharaha fanamelohana azy any amin'ny ambaratongam-pitsarana ambony izy, izay mifototra amin'ny andinin-dalàna Ekoadaoreana famaizana heloka bevava faha-396 izay mametraka famonjana 15-30 andro izay olona “mampiseho na milaza amin'ny fomba rehetra endrika fisompara-boninahitra na fanivaivana olon-kafa.”
Mitohy ny fihetsiketsehana ao Ethiopia, ary heverina ho 140 ny isan'ny maty
Hatramin'ny nanombohany tamin'ny Novambra 2015, dia farafahakeliny 140 ny olona maty tao Ethiopia, ary mpianatra ny ankamaroan'izy ireo raha niroso ho amin'ny fihetsiketsehana am-pilaminana izy ireo. Nanao fihetsiketseham-panoherana ny mpianatra ao Oromia, faritra lehibe indrindra ao Ethiopia manoloana ny drafi-panitarana ny faritry ny renivohitra, Addis Ababa, mankany Oromia kasain'ny governemanta. Maro ny mihevitra fa ity kinasa ity dia hiafara amin'ny famoretana mivantana ny vondrom-poko Oromo, izay ataon'ny governemanta anjorom-bala hatrany tao anatin'ny roapolo taona, na dia ry zareo aza no vondrom-poko maro isa indrindra ao Ethiopia. Nieli-patrana ny tatitra fangejana ny hetsi-panoherana na amin'ny fampitam-baovao mahazatra na an-tserasera. Mba hahitana akaiky kokoa ny toe-draharaha dia niasa niaraka tamin'ny Oromo mpikatroka iray antsoina hoe Abiy Atomssa ny mpanoratry ny Global Voices iray Endalk Chala, mpikaroka akademika ao anatin'ny vondrona famahanam-bilaogy Zone9 hananganana sarintany ifarimbonana [mg] iray ahitana ny fomonoan'ny manampahefana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Nanao soniam-piaraha-miasa amin'ny orinasam-pisivanana Kanadiana mitentina an-tapitrisany dôlara i Bahrain
Araka ny tranonkalan'ny firenena famoahana fiantsoana tolobidy, dia nofantenin'i Bahrain ny tolobidy iray avy amin'ny orinasam-pisivanana [ataovy hoe fanivanana raha manahirana ny voambolana] kanadiana iray Netsweeper hananan'ity firenena iray ao amin'ny Helodrano ity “Tranonkalam-Pirenena Vahaolam-Pisivanana” amin'ny vidiny $1.175.000 Amerikana. Efa nahazo fifanarahana avo lenta maro, sady vita ho azy ny dokambarotra, ny Netsweeper niarahany tamin'ny governemanta na vondrona maniry hametra votoaty an-tserasera na amin'ny tambajotran'olontsotra na fikambanana tsotra any an-takonana tany aloha tany, araka ny voarakitra ho atontan-kevitra ao amin'ny Citizen Lab avy amin'ny Oniversiten'i Toronto azy. Tsy fantatra hoe rahoviana ary amin'ny fomba ahoana no hametrahana ilay [fitaovam]-pisivanana, saingy ny famoretana vao haingana ireo mpanao fihetsiketsehana anti-governemanta no mampihevitra fa met ho ao anatin'ny teti-panorona goavana kokoa hanatsarana endrika ny fahefan'ny governemanta sy ny mpanjaka ity fifanarahana ity.
Fiarahan-dia manerantany mitaky fanafenan-kafatra matanjaka
Ny fikoropahana iraisampirenena nanaraka ny fanafihana tao Parisy niaraka tamin'ny fahadisoam-baovao milaza ny fampiasan'ny mpanafika fampihatran-karajia voaafin-kafatra no nitarika sombin-tolo-dalàna hametra na hanimba ireo fifandraisana voaar mampiasa fanafenan-kafatra. Ho setrin'izany dia nisy vondrom-piarovana sy fiseraseran'olona an-takonana avy amin'ny firenena mihoatra ny 40 miaraka amin'ny Access Now nanasonia taratasy misokatra ho an'ny mpitondran'izao tontolo izao mitaky ny fahafaha-miditra amin'ny fanafenan-kafatra matanjaka sy azo itokisana, tsy misy varavaram-pitsikilovana na fanovana hafa izay mety mahatonga ny rafitra ho marefo. Vakio ato ny taratasy.
Nandray anjara tamin'ny fanatontosana ity tatitra ity i Mary Aviles, i Ellery Roberts Biddle, i Marianne Diaz, i Sam Kellogg ary i Sarah Myers West .
SMisorata anarana hahazo mailaka Netizen Report
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...