- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana Mankalaza Ireo Sary Mampitolagagan'ny Fahaterahan'ny Nosy Volkanika Vaovao Iray

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Siansa, Vaovao Tsara
Nishinoshima, October 2015 [1]

(Maribolana mivaky toy izao, ankavia miankavanana) Lahatsary: Mpiandry morontsirak'i Japana. Vao mafàna: sary farany avy amin'ireo fipoahan'i Nishinoshima. Toy ny tsatokaty mihohoka mihalehibe foana, morontsiraka vaovao miforona koa. Oktobra 2015. Fantsona Youtube ofisialin'ny ANN News official YouTube channel.

Nosy volkanika iray any anivon'ny Ranomasimbe Pasifika, lavitra any atsimon'ireo nosy fototr'i Japàna, no nisarika ny sain'ny media sosialy Japoney tato anatin'ny taona roa farany.

Location of Nishinoshima Island. Image from <a href=Any amin'ireo nosy Ogasawara no misy an'i Nishinoshima [2] (西之島), eo amin'ny 1.000 kilaometatra any atsimon'i Tokyo. Raha ny marina fia tendron'ny volkano iray goavana avy any anaty ranomasina ilay nosy, izay miainga avy any amin'ny 3.000 metatra avy any amin'ny fanambanin'ny ranomasina.

Hatramin'ny Novambra 2013, nampifanohizin'ireo fipoahana volkano ireo nosy roa ireo, nampitombo avo efatra heny ny haben'ny faritra ho lasa 2.7 km². Fipoahana niteraka havoana miendrika tsakokaty mihohoka mamoaka setroka, 110 metratra miala amin'ny haavon'ny ranomasina.

caption.

Sary avy amin'ny NASA mampiseho nosy vaovao iray (tany amboalohany nantsoina hoe “Niijima”) tamin'ny Desambra 2013. Nampifandray vetivety be an'i Niijima tamin'i Nishinoshima eo akaiky eo ireo fipoahana. (Fitodiky ny sarintany: ny ambony no avaratra.)

Ity bitsika avy amin'ny GSI, Kaomity Mpandrindra ny Fiarovana amin'ny Horohorontany ao Japàna, ity no mampiseho amintsika ny fitombon'ilay nosy tato anatin'ny taona roa farany teo.

Mampiseho ny fetran'ny nosy tany ampiandohany ny tsipika fotsy mitapatapaka. Mampiseho ireo fipoahana volkano namorona nosy iray vaovao tamin'ny Desambra 2013  kosa ny tsipika manga. Rehefa nandeha ny fotoana, nitambatra ireo nosy roa.

Nivoaka ny torohay momba ny fiovàn'i Nishinoshima any amin'ny faritra. Asehon'ny sary iray nalain'ny GSI avy eny ambony fiaramanidina tamin'ny 9 Desambra 2015 (Heisei 27), ny fomba fitombon'ilay nosy tato anatin'ny taona roa farany teo.

Nisarika ny eritreritry ny vahoakaJaponey ireo fipoahana mampitolagaga mifangaro amin'ny fitomboana hita maso, haingana be ao amin'ilay nosy.

Nahazo mpitsidika maherin'ny 200.000 ny pejy iray natokana ho an'i Nishinoshima, ary pejy fanavaozana efa ampolony maro [6] ao amin'ny Matome Naver, fanangonana ireo tranonkala mahatsikaiky sy ny tambajotra sosialy Japoney.

Nanome sary vitsivitsy mahatalanjona ireo fipoahana tato anatin'ny taona roa farany :

Mahagaga ireo sary avy amin'ny NHK momba ireo fipoahana!

Tany amin'ny 2013, rehefa nipoaka voalohany ilay volkano, niely be ny sary iray mahatsikaiky natao hampitahàna ny endrik'ilay nosy vaovao ho toy ny an'i Snoopy.

Ankehitriny rehefa nitambatra tanteraka ireo nosy roa [Niijima sy Nishinoshima] mba hanome nosy iray vaovao, azonao jerena avy eny an-habakabaka ny fitoviana.

Kanefa, tsy ela velona ilay fitoviana tamin'i Snoopy. Nandritry ny Jolay sy Aogositra 2014, nitombo be ny tsiranoka nikoriana, niteraka ny fitàrana malakin'ilay nosy ho any amin'ny atsinanana.

Indraindray ny media dia mitatitra ireo sary mahatalanjona avy amin'ireo fipoahana volkanika avy ao amin'ilay faritra.

Nisy fotoana, niraraka nankany anaty ranomasina ny ampahany tamin'ny morontsiraka, raha ny marina dia nihena ny haben'ilay nosy.

Toy ny nanify kely kokoa i Nishinoshima taorian'ilay fihotsahana nanaraka ny fipoahana […]. Mahaliana ny maminavina mialoha ny ho karazana zavamaniry na fiainana an-dranomasina hanjanaka ilay nosy.

Hatramin'ny 29 Desambra, mbola tsiranoka volkano nivaingana sy toy ny tsatokaty mihohoka no mandrafitra ny vohontany tao Nishinoshima. Efa voavinavina ihany fa hitohy hitombo ilay nosy ato anatin'ny taona vitsivitsy ho avy, na dia toy ny nitsahatra aza aloha amin'izao fotoana izao ny hetsik'ilay volkano.

[Nitsahatra aloha ny fihetsehana volkanikan'i Nishinoshima] Araka ny lazain'ny Mpiandry Sisintany ao Japàna, raha namoaka vato milanja hatramin'ny efatra taonina ireo tsiranoka nivaingana miendrika tsatokaty mihohoka, andrasana ankehitriny ny hitsaharan'ny fihetsehana volkanika.