- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Novahàn'i Bangladesh Daholo Ireo Tolotra Media Sosialy (Hatreto)

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Image courtesy Surid Salty [1]

Sary nalaina maimaim-poana tao amin'ny pejy Facebook-n'i Surid Salty

Taorian'ny fandraràna efa ho efatra herinandro ny fampiasàna ireo tolotra amin'ny media sosialy, nanao fanambaràna androany (14 Des.) ireo tomponandraiki-panjakana ao amin'ny governemanta Bangladeshi fa novahàna [2] ireo tolotra fampiasa amin'ireo media sosialy sy serasera. Tonga io fanambaràna io taorian'ny andro maro nahitàna fisavorovoroana sy endrika tsy fahampian'ny fifandraisana teo amin'ireo sampana samihafa ao amin'ny governemanta izay misahana ilay fibahanana.

Ny 18 Novambra 2015, nandidy ireo mpanome tolotra Aterineto ny Kaomisiôna Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh, mba hibahana ireo tolotra ahitàna ny WhatsApp, Facebook, Messenger, Line, Tango ary ny Google Hangouts (jereo ny tatitry Global Voices [3] ). Ny andro voalohan'ilay fibahanana, izay nolazain'ny Minisi-panjakana misahana ny Fifandraisandavitra, Tarana Halim, [4] ho “tsy fifankahazoan-kevitra [5]”, dia nitondra tany amin'ny fibahanana ny Aterineto manontolo tany Bangladesh nandritra ny 90 minitra teo ho eo, nanamarika ny fotoana voalohany nibahanana ny Aterineto tao amin'ny firenena hatramin'ny namoronana azy. Araka ny governemanta, noho ny tahotra [6] ny fikorontanam-bahoaka no nahatonga ilay fibahanana, taorian'ny famoahan'ny Fitsaràna an-Tampony didy izay nanamafy ny sazy fanamelohana ho faty ho an'ireo olo-malaza mpanao politika voaheloka ho nanao famonoana faobe sy fanolanana nandritra ny ady ho an'ny fahaleovantenan'i Bangladesh ny taona 1971 hiàla amin'i Pakistàna.

Maro ireo Bangla nanomboka nampiasa ny Tor sy ny tolotra fandefasana hafatra miafina toy ny Signal mba hialàna amin'ilay fibahanana, indrindra tamin'ny ezaka hitsidihana ny Facebook, izay tena malaza tokoa any Bangladesh. Nangataka fanazavàna [7] momba ny fampiasàna fitaovana fandinganana sàkana ny governemanta, ary namoaka fandrahonana ny hanaraha-maso ireny hetsika ireny.

Tena nanimba zavatra tokoa ilay fibahanana, indrindra ho an'ireo mpandraharaha madinika, miasa anaty vohikala, izay miankina amin'ny Facebook ho sehatra fampahafantarana ny vokatra sy seraserany. Eto, mpandraharaha iray ao amin'ny  Aterineto no milazalaza ny voka-dratsin [8]‘ny fibahanana tamin'ny asany:

"We are getting no order and are waiting for customers. If this continues we will not be able to pay the salaries to the staffs. We will have to close down. Please open the ban and save us. We are in plight." [8]

“Tsy mahazo tinady mihitsy izahay ary miandry ireo mpividy. Raha mitohy izao tsy ho afaka handoa ny karaman'ny mpiasa izahay. Tsy maintsy hikatona izahay. Miangavy mba esory ilay fibahanana ary vonjeo izahay. Tena ratsy ny toeranay amin'izao.”

Ny 10 Desambra, novohàn'i Bangladesh ny Facebook [9] taorian'ny fihaonana tamin'ireo solotenan'ny Facebook, raha mbola tavela kosa ny famerana ho an'ny WhatsApp, Viber ary ireo tolotra hafa fampiasa amin'ny serasera. Araka ireo tatitra, mitady fepetra [10] avy amin'ny Facebook ny governemanta mba hanarahana maso na hanivànana ny vontoaty izay mety ho hita sahala amin'ny fandranitana ara-pivavahana sy fikomiana manohitra ny governemanta. Tsy nanome valiny ofisialy am-pahibemaso amin'io fangatahana io ilay orinasa, fa nampanantena kosa ny hanampy, araka ny voalazan'ireo solontenan'ny governemanta.

Fa taorian'ny telo andro monja anefa, ny 13 Desambra, nisy ireo tatitra [11] mikasika ny sakana vaovao amin'ny vohikala Twitter fanaovana bilaogy madinika, ny tolotra voice-IP an'ny Skype-n'ny Microsoft, ary ny fifandraisana mampiasa ny tolotra Imo. Nilaza ilay tatitra fa nandefa taratasy tany amin'ireo mpandraharaha amin'ny seraseram-pifandraisana finday ary ireo mpamatsy tolotra serasera sy fifandraisandavitra ao amin'ny firenena ny Kaomisiôna Mpandrindra ny Fifandraisana sy ny Serasera ao Bangladesh, nangataka azy ireo mba hanapaka teo noho eo ireo tolotra ireo.

Manoratra izao ao amin'ny Fecebook ny Mpahay lalàna sady mpikatroka mafana fo, Rayhan Rashid [12]:

Toa sahala amin'ny misy dingana mihemotra hafa indray ataon'ny governemanta. Eny, tena zava-dehibe ny Filaminana, fa tokony mitombina tsara ireo filazan'ny governemanta ny ‘loza mananontanona ny filaminana’ sy ny ‘fepetra amin'ny filaminana’. Hatreto aloha, ilay departemanta voakasika amin'io, ireo tomponandraiki-panjakana ao, na ireo minisitrany, samy tsy nisy nahavita nanome na iray porofo aza hanamarinana ny zavatra nolazainy na ireo zavatra nataony mahatafiditra ireo tambajotra sosialy, ilay hany sehatra malalaka sisa tavela. Ao anatinà fiarahamonina tsy misy fandraisana andraikitra sy fangaraharàna, tsy ampy mihitsy ny tenin-dry zareo. Ny tena marina, tsy mbola ampy mihitsy izy ireo hatrizay. Tena zava-dehibe hoe manaiky ny zava-misy ireo ‘mpitantana’ an'i Bangladesh hoe – tsy misy na iray aza (averiko ‘tsy misy na iray aza’) amin'izy ireo mampita tena fahamarinana na fahatokisana, na isam-batan'olona tsirairay na miaraka, ao anatin'i Bangladesh amin'izao fotoana izao.

Ny Alatsinainy maraina, ny Minisitry ny Atitany, Asaduzzaman Khan Kamal, nilaza tatitra hoe [13] tsy namoaka didy hibahanana ny Twitter, Skype na Imo ny Minisitera. Kanefa, ny Filohan'ny BTRC nilaza [14] hoe “tsy zavatra vaovao izany” ary “fitohizan'ilay fangatahana teo aloha (ilay fibahanana).”

Nikorontana tamin'io fibahanana vaovao io ireo mpampiasa. Mahatonga ny maro hanontany tena hoe inona no tena antony ao ambadik'io ireo fanambaràna mifanipaka avy amin'ny manampahefana.

Mbola misy zavatra tavela tsy voabahana ve any Bangladesh? Twitter, horonantsary Chakma, vohikala mananihany, Skype…. Inona ny manaraka?

Mangataka ny hibahanantsika ny Candy Crush aho!

Andriamanitra irery ihany no mahalala hoe nahoana ny Governemanta ao Bangladesh no nibahana ny Twitter efa ho 24 ora..fa na izany aza tsara rehefa niverina ry namana!

Mieritreritra ve ianareo hoe midika ho fahatahoran'ny governemanta ny fahalalahana miteny ny fibahanan'i #Bangladesh ny #Twitter?

Nanoratra tao amin'ny Facebook ny mpandraharaha amin'ny Teknolojiam-pifandraisana, Fahim Mashroor [21]:

Ankehitriny, mila manazava ny BTRC [Kaomisiôna Mpandrindra ny Sersera-pifandraisana ao Bangladesh] hoe nahoana izy no nanome toromarika hibahanana ny Skype raha toa ny Govrenemanta tsy nanapa-kevitra ny hanao izany. Misy governemanta an-jorony ve? Na mety ho ratsiratsy kokoa, misy ‘fijirihana’ ny fantsom-pifandraisana eo amin'ny Governemanta sy ny BTRC ve?

Ny tolakandron'ny Alatsinainy 14 Desambra 2015, namboraka [2] ny Minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisan-davitra Tarana Halim hoe “Nofoanana daholo ny fibahanana ny median-tserasera sosialy rehetra taorian'ny didin'ny governemanta.” Nanamafy ny Filohan'ny BTRC, Shahjahan Mahmood, fa tsy ho ela dia hovahàna haingana izany rehetra izany. Ny fotoana ihany no hanambara raha toa ka hitoetra ho afaka ho azon'ny Bangla hidirana hatrany ireo tolotra ireo.