Taorian'ny fandraràna efa ho efatra herinandro ny fampiasàna ireo tolotra amin'ny media sosialy, nanao fanambaràna androany (14 Des.) ireo tomponandraiki-panjakana ao amin'ny governemanta Bangladeshi fa novahàna ireo tolotra fampiasa amin'ireo media sosialy sy serasera. Tonga io fanambaràna io taorian'ny andro maro nahitàna fisavorovoroana sy endrika tsy fahampian'ny fifandraisana teo amin'ireo sampana samihafa ao amin'ny governemanta izay misahana ilay fibahanana.
Ny 18 Novambra 2015, nandidy ireo mpanome tolotra Aterineto ny Kaomisiôna Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh, mba hibahana ireo tolotra ahitàna ny WhatsApp, Facebook, Messenger, Line, Tango ary ny Google Hangouts (jereo ny tatitry Global Voices ). Ny andro voalohan'ilay fibahanana, izay nolazain'ny Minisi-panjakana misahana ny Fifandraisandavitra, Tarana Halim, ho “tsy fifankahazoan-kevitra”, dia nitondra tany amin'ny fibahanana ny Aterineto manontolo tany Bangladesh nandritra ny 90 minitra teo ho eo, nanamarika ny fotoana voalohany nibahanana ny Aterineto tao amin'ny firenena hatramin'ny namoronana azy. Araka ny governemanta, noho ny tahotra ny fikorontanam-bahoaka no nahatonga ilay fibahanana, taorian'ny famoahan'ny Fitsaràna an-Tampony didy izay nanamafy ny sazy fanamelohana ho faty ho an'ireo olo-malaza mpanao politika voaheloka ho nanao famonoana faobe sy fanolanana nandritra ny ady ho an'ny fahaleovantenan'i Bangladesh ny taona 1971 hiàla amin'i Pakistàna.
Maro ireo Bangla nanomboka nampiasa ny Tor sy ny tolotra fandefasana hafatra miafina toy ny Signal mba hialàna amin'ilay fibahanana, indrindra tamin'ny ezaka hitsidihana ny Facebook, izay tena malaza tokoa any Bangladesh. Nangataka fanazavàna momba ny fampiasàna fitaovana fandinganana sàkana ny governemanta, ary namoaka fandrahonana ny hanaraha-maso ireny hetsika ireny.
Tena nanimba zavatra tokoa ilay fibahanana, indrindra ho an'ireo mpandraharaha madinika, miasa anaty vohikala, izay miankina amin'ny Facebook ho sehatra fampahafantarana ny vokatra sy seraserany. Eto, mpandraharaha iray ao amin'ny Aterineto no milazalaza ny voka-dratsin‘ny fibahanana tamin'ny asany:

“Tsy mahazo tinady mihitsy izahay ary miandry ireo mpividy. Raha mitohy izao tsy ho afaka handoa ny karaman'ny mpiasa izahay. Tsy maintsy hikatona izahay. Miangavy mba esory ilay fibahanana ary vonjeo izahay. Tena ratsy ny toeranay amin'izao.”
Ny 10 Desambra, novohàn'i Bangladesh ny Facebook taorian'ny fihaonana tamin'ireo solotenan'ny Facebook, raha mbola tavela kosa ny famerana ho an'ny WhatsApp, Viber ary ireo tolotra hafa fampiasa amin'ny serasera. Araka ireo tatitra, mitady fepetra avy amin'ny Facebook ny governemanta mba hanarahana maso na hanivànana ny vontoaty izay mety ho hita sahala amin'ny fandranitana ara-pivavahana sy fikomiana manohitra ny governemanta. Tsy nanome valiny ofisialy am-pahibemaso amin'io fangatahana io ilay orinasa, fa nampanantena kosa ny hanampy, araka ny voalazan'ireo solontenan'ny governemanta.
Fa taorian'ny telo andro monja anefa, ny 13 Desambra, nisy ireo tatitra mikasika ny sakana vaovao amin'ny vohikala Twitter fanaovana bilaogy madinika, ny tolotra voice-IP an'ny Skype-n'ny Microsoft, ary ny fifandraisana mampiasa ny tolotra Imo. Nilaza ilay tatitra fa nandefa taratasy tany amin'ireo mpandraharaha amin'ny seraseram-pifandraisana finday ary ireo mpamatsy tolotra serasera sy fifandraisandavitra ao amin'ny firenena ny Kaomisiôna Mpandrindra ny Fifandraisana sy ny Serasera ao Bangladesh, nangataka azy ireo mba hanapaka teo noho eo ireo tolotra ireo.
Manoratra izao ao amin'ny Fecebook ny Mpahay lalàna sady mpikatroka mafana fo, Rayhan Rashid:
Toa sahala amin'ny misy dingana mihemotra hafa indray ataon'ny governemanta. Eny, tena zava-dehibe ny Filaminana, fa tokony mitombina tsara ireo filazan'ny governemanta ny ‘loza mananontanona ny filaminana’ sy ny ‘fepetra amin'ny filaminana’. Hatreto aloha, ilay departemanta voakasika amin'io, ireo tomponandraiki-panjakana ao, na ireo minisitrany, samy tsy nisy nahavita nanome na iray porofo aza hanamarinana ny zavatra nolazainy na ireo zavatra nataony mahatafiditra ireo tambajotra sosialy, ilay hany sehatra malalaka sisa tavela. Ao anatinà fiarahamonina tsy misy fandraisana andraikitra sy fangaraharàna, tsy ampy mihitsy ny tenin-dry zareo. Ny tena marina, tsy mbola ampy mihitsy izy ireo hatrizay. Tena zava-dehibe hoe manaiky ny zava-misy ireo ‘mpitantana’ an'i Bangladesh hoe – tsy misy na iray aza (averiko ‘tsy misy na iray aza’) amin'izy ireo mampita tena fahamarinana na fahatokisana, na isam-batan'olona tsirairay na miaraka, ao anatin'i Bangladesh amin'izao fotoana izao.
Ny Alatsinainy maraina, ny Minisitry ny Atitany, Asaduzzaman Khan Kamal, nilaza tatitra hoe tsy namoaka didy hibahanana ny Twitter, Skype na Imo ny Minisitera. Kanefa, ny Filohan'ny BTRC nilaza hoe “tsy zavatra vaovao izany” ary “fitohizan'ilay fangatahana teo aloha (ilay fibahanana).”
Nikorontana tamin'io fibahanana vaovao io ireo mpampiasa. Mahatonga ny maro hanontany tena hoe inona no tena antony ao ambadik'io ireo fanambaràna mifanipaka avy amin'ny manampahefana.
Is anything left in Bangladesh that's not banned? Twitter, Chakma film, satirical website, Skype…. What's next?
— Salil Tripathi (@saliltripathi) December 13, 2015
Mbola misy zavatra tavela tsy voabahana ve any Bangladesh? Twitter, horonantsary Chakma, vohikala mananihany, Skype…. Inona ny manaraka?
I demand we ban Candy Crush!
— NazimFarhanChoudhury (@nazimfarhan) December 14, 2015
Mangataka ny hibahanantsika ny Candy Crush aho!
God alone knows why the Bangladesh Govt blocked Twitter for nearly 24 hours..anyway good to be back folks!
— Mac Haque (@maqsood_O_dhaka) December 14, 2015
Andriamanitra irery ihany no mahalala hoe nahoana ny Governemanta ao Bangladesh no nibahana ny Twitter efa ho 24 ora..fa na izany aza tsara rehefa niverina ry namana!
Do you think #Bangladesh ban on #Twitter means the government fears free-speech?
— BD News 24 (@bdnews24) December 13, 2015
Mieritreritra ve ianareo hoe midika ho fahatahoran'ny governemanta ny fahalalahana miteny ny fibahanan'i #Bangladesh ny #Twitter?
Nanoratra tao amin'ny Facebook ny mpandraharaha amin'ny Teknolojiam-pifandraisana, Fahim Mashroor:
Ankehitriny, mila manazava ny BTRC [Kaomisiôna Mpandrindra ny Sersera-pifandraisana ao Bangladesh] hoe nahoana izy no nanome toromarika hibahanana ny Skype raha toa ny Govrenemanta tsy nanapa-kevitra ny hanao izany. Misy governemanta an-jorony ve? Na mety ho ratsiratsy kokoa, misy ‘fijirihana’ ny fantsom-pifandraisana eo amin'ny Governemanta sy ny BTRC ve?
Ny tolakandron'ny Alatsinainy 14 Desambra 2015, namboraka ny Minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisan-davitra Tarana Halim hoe “Nofoanana daholo ny fibahanana ny median-tserasera sosialy rehetra taorian'ny didin'ny governemanta.” Nanamafy ny Filohan'ny BTRC, Shahjahan Mahmood, fa tsy ho ela dia hovahàna haingana izany rehetra izany. Ny fotoana ihany no hanambara raha toa ka hitoetra ho afaka ho azon'ny Bangla hidirana hatrany ireo tolotra ireo.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...