Zam Zam Cola, Mariky Ny Fotoana Ara-diplaomatika Mahafinaritra Kokoa Eo Amin'i Iran sy Arabia Saodita

A bottle of the popular cola soft drink Zam Zam. Image from Wikimedia under creative commons license.

Tavoahangin'ny zava-pisotro malefaka malaza cola Zam Zam. Sary tao amin'ny Wikimedia, creative commons license.

Manoloana ny ady ara-pivavahana ankehitriny ao Afovoany Atsinanana, maro ny olona manadino ny zavatra iombonana eo amin'ny Silamo Shiita sy Sonita, tahaka ny fifanajan'izy ireo ny toerana masina Lameka, ao Arabia Saodita. Ao Lameka, ao amin'ny Masjid al-Haram no misy ny loharano Zam Zam, loharano fanajan'ny silamo rehetra, ary nolazaina fa noforonin'Andriamanitra.

Ny mety tsy ho fantatry ny maro dia novaina indray ho zava-pisotro malefaka malaza Iraniana , Zam Zam Cola, ity anarana ity tao anatin'ny taona vitsy.

Raha mikorontana ny fifandraisana eo amin'ny Shiita maro an'isa ao Iran sy ny Sonita maro an'isa ao Arabia Saodita taorian'ny fihetsiketsehana manohitra ny famonoan'i Arabia Saodita an'ilay mpitondra fivavahana Shiita Nimr Al Nimr, tsara ny manamarika fa efa nisy ny fotoana ny zava-pisotro Iraniana Cola no nankafizin'i Arabia Saodita.

#zamzamcola #cola #iran #desert #travel

A photo posted by Marco Pesavento (@marcopesa) on

Naorina toy ny sampan'orinasa Pepsi tamin'ny taona 1954 ao amin'ny tsena Iraniana ny Zam Zam Cola, ary nanjary notantanin'ny fanjakana manontolo taorian'ny Revolisiona Islamika 1979. Noforonina ho famantarana ilay loharano masina malaza ary tsinjaraina ankehitriny ao amin'ireo firenena manodidina tahaka an'i Arabia Saodita, Bahrain ary Emirà Arabo Mitambatra (UAE) ny Zam Zam Cola. Nanova ny sata ara-diplaomatikany miaraka amin'i Iran ireo firenena rehetra voalaza etsy ambony ireo ankehitriny – na manapaka tanteraka ny fifandraisana na, mikasika manokana an'i Emirà Arabo Mitambatra, mampihena ny fifandraisana ara-diplaomatika.

Ny mety mahagaga ny sasany dia tamin'ny taona 2002, nahazo tosika avy amin'i Arabia Saodita sy ny firenena Helodrano Arabo ny Zam Zam Cola taorian'ny ezaka hanao ankivy ireo orinasa Amerikana toy ny Coca-Cola, Pepsi sy ny McDonald's rehefa nanohana an'i Israely tao anatin'ny krizy Israeliana-Palestiniana ny Amerikana.

Nisy lahatsoratra New York Times iray taminny 2002 nitatitra fa nandefa hatraminny 10 tapitrisa tavoahangy ilay orinasa iraniana [hanala hetaheta] ani Arabia Saodita taorian'ny nanaovanny saodiana ankivy ny Coke sy ny Pepsi.”

Hatramin'ny nanombohan'ny fifanolanana vao haingana, niantso ny fandraràna ny vokatra Saodiana tsy hiditra ao amin'ny firenena sy ny fampiatoana ny fanatanterahan'ny Iraniana ny fivahianiana masina Umrah Hajj i Iran. Torak'izany, nanambara ihany koa ny minisiteran'ny Raharaham-bahiny Saodiana fa tsy nanapaka ny fifandraisana ara-diplomatika ihany izany fa nanapaka ny fifandraisana ara-barotra rehetra amin'i Iran ihany koa.

Raha variana naneho hevitra momba ny faharatsian'ny zon'olombelona ao Arabia Saodita sy ny fanafihana ny masoivoho sy ny konsiolà Saodiana ao Iran ny mpiserasera media sosialy Iraniana, maneho ny ahiahiany amin'ireo vokatra Iraniana kosa ny mpisera media sosialy ao Arabia Saodita sy ny Helodrano Arabo ary manohana ny antso tsy hanjifa ny vokatra Iraniana.

Ohatra, mpisera Twitter iray antsoina hoe @Death_To_iran nilaza fa “hanao izay azony atao i Iran mba hanatratrarana ny tanjony mamitaka, anisan'izany ny fanapoizinana ny vokatrany. Tandremo mba tsy ho lasa lasibatra ianao.”

Nilaza bebe kokoa izy hoe:

Olona marobe no voan'ny homamiadana tao amin'ireo firenena manafatra entana avy an'i Iran. Aza manjifa izany mba tsy ho tratranny aretina.

Mpisera Twitter iray hafa,  Diyala Alkhair, nampifandray ny tsy fanjifana ho adidy ara-pivavahana:

Ny tsy fanjifàna ny vokatra Iraniana dia adidy mifanaraka amin'ny Sharia ary ireo izay manohitra izany dia hanota satria hanampy hanakana ny fandatsahan-drà izany ary izany dia adidy ara-pivavahana.

Sioka iray hafa avy amin'ity mpisera Twitter ity ihany nanamafy ny voalaza:

Manorina ny toekareny amin'ny ran'ny ankizy sy ny malemy i Iran. Koa mitandrema mba tsy hamela azy ireo hividy ny vokatrany.

Mogatah-sa avy any Arabia Saodita kosa naka sary ireo vokatra Iraniana raha nitsangantsangana manerana ny tsena Saodiana, miantso ny tsy hanjifana azy ireo izy:

Fantina vokatra Iraniana hitantsika eny an-tsena sy ny toeram-pivarotana ity. Aza manjifa azy ireo

Nisy namerina mihoatra ny in-320 ny sioka eo ambony ary olona 60 no nanao “tiako”. Navoakan'ireo mpiserasera isan-karazany tamin'ny endrika samihafa ihany koa izany.

Sioka iray hafa ihany koa nisy nanaparitaka, mandrisika ny Saodiana mba hanohana ny fitondram-panjakan'izy ireo amin'ny fanaovana ankivy an'i Iran:

Ny adidinao dia ny miaraka sy manao ankivy ireo fahavalon'ny Silamo miaraka amin'ny fanapahan-kevitry ny governemantantsika hanapaka ny fifandraisany ara-barotra amin'i Iran

Toa tsy haharitra ela ny andron'ireo mpisotro ny Zam Zam Cola ao Arabia Saodita. Mifanohitra amin'izany, nampiseho marika fihenana ny tsenam-bola ao Arabia Saodita ho setrinny fahaverezan’ ny tsena Iraniana ho an'ireo orinasa toy ny vondrona Savola mpamokatra sakafo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.