- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireto Avy Ny Kandidà Matanjaka Amin'ny Fifidianana Ao Benin Amin'ny Volana Aprily

Sokajy: Afrika Mainty, Benin, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
National Assembly - Congress Palace in  Cotonou, Benin. CC-BY-2.0 [1]

Antenimieram-pirenena – Lapan'ny Kongresy ao Cotonou, Benin. CC-BY-2.0

Sambany ny fifidianana any Bénin no tsy ho eo ambany fiahian'ny mpitarika malaza manan-tantara ao amin'ny firenena Mathieu Kerekou [2]. Namoy ny ainy tamin'ny volana Oktobra 2015 [3] ilay hery mpitarika ny tetezamita milamina nanala ny didy jadona ary nampiditra ny demaokrasia tao Bénin.

Hotontosaina amin'ny 28 Febroary ny fihodinana voalohany [4]amin'ny fifidianana filoham-pirenena ary mizatra tena amin'ny fampielezan-kevitra mafana ireo antoko politika. Mametraka singam-pitaintainana eo amin'ireo mpanara-maso marobe amin'ny politika Beninoà ny tsy fisian'i Kerekou intsony hitarika ny fizotran'ny fifidianana.

Rehefa tsy nahomby tamin'ny fiezahana hanery ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana [5]hahafahany hirotsaka hofidiana fanin-telony ny filoha ankehitriny, Yayi Boni, mpitarika ny antoko Hery Kaorisy Hampisongadina an'i Bénin ( FCBE) , dia nanendry ny Praiminisitra, Frantsay-Beninoà  Lionel Zinsou [6] ho kandidà ofisialin'ny antoko .

Frantsay-Beninoà no ho kandidàn'ny antokon'ny fitondrana

Lionel Zinsou, lead candidate for the FCBE governing party - via Media7 with permission [7]

Lionel Zinsou, kandidà voalohan'ny antokon'ny fitondrana FCBE – tao amin'ny Media7, nahazoan-dalana

Kandidà tsy fahita mahazatra ny sarintava [8] apetrak'i Zinsou. Teraka tany Paris tamin'ny 1953, avy amin'ny ray aman-dreny Beninoà i Zinsou. Naman'ny Minisitra Frantsay misahana ny Raharaham-Bahiny Laurent Fabius [9], mpampianatra Toekarena ao amin'ny Sekoly Ambony Fampianarana ho Mpampianatra (Ecole Normale  Supérieure) ao Paris sy ny ao amin'ny Sciences Po [10](Ivon-toeram-pampianarana Politika ao Paris) i Zinsou. Mampianatra andro tsy feno ao amin'ny Sekolin'ny Toekarena ao Londra ( London School of Economics) ihany koa izy.

Nitombo ny lazany iraisampirenena noho izy filoha tale Jeneralin'ny iray amin'ireo tahirim-pampiasambola Frantsay lehibe indrindra, PAI Partners, teo anelanelan'ny taona 2006 sy 2011.

Nambara tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 27 Novambra ny firotsahany hofidiana saingy nampivaky ara-bakiteny [11] ny antoko FCBE izany. Niaiky mihitsy i Zinsou tenany fa tsy dia mahafantatra tsara ny firenena. Tamin'ny fanendrena azy ho Praiminisitra volana vitsivitsy lasa izay, nanambara [12] tamin'ny Radio Frantsay Iraisampirenena (RFI) i Zinsou fa:

Je ne connais pas tout du Bénin. Donc, qui serais-je pour dire : ” J’arrive pour être le dauphin ” ? J’arrive pour écouter et j’arrive pour essayer d’être utile. [Le président] m’a demandé d’être le premier de ses ministres, m’a fixé des champs très précis et qui m’intéressent beaucoup, qui concernent le développement…

Tsy mahafantatra tsara an'i Benin aho. Koa iza aho no hilaza hoe: “Tonga eto aho handimby ny mpitondra”? Tonga aho hihaino ary tonga aho hiezaka ho ilaina. Nangataka tamiko [ny filoha] mba ho voalohany amin'ireo minisitrany, nametraka tanjona miavaka mahaliana ahy tanteraka izy dia ny fampandrosoana ny firenena..

Nolavin'ireo antoko politika hafa ny firotsahan'i Zinsou. Tamin'ny 5 Janoary, nanameloka ny firotsahany ho toy ny paikady ara-politikan'i Frantsa ny fiaraha-mientan'ny sendika sy antoko ara-politika maromaro, tarihin'ny filoha teo aloha Nicéphore Soglo. Nilaza [13]tamin'ny BBC i Soglo fa “kilalao” napetraky ny tombontsoa Frantsay i Zinsou.

Francis Laloupo, mpanao gazety sady manam-pahaizana momba ny jeografia politika Beninoà naneho hevitra hoe:

Voatendry ho kandidan'ny antokon'ny fitondrana (FCBE) i Zinsou. Dingana mahasanganehana amin'ny demaokrasia mikaton'i Benin.

Mpaneho hevitra [11]antserasera iray tsy faly tamin'ny fitsabahana ankolaka ataon'ny mpanjanaka teo aloha amin'ny fifidianana ho avy:

Zinsou n'a même pas la légitimité il paie ses impôts où ? Le certificat de nationalité il l'a reçu quand en quelle année? …la France leur a promis [aux futures votants] la garantie de leur sécurité quoi qu'arrive ils sont tous prêts à céder leur patrie au colon.

Tsy manana ny maha-ara-dalàna azy akory i Zinsou, aiza izy no mandoa hetra? Oviana izy no nahazo ny taratasy fanamarinana ny zom-pireneny Beninoà? …Nampanantena azy ireo fiarovana azo antoka [eo anoloan'ny ho mpifidy] i Frantsa, na inona na inona hitranga, dia vonona hanome ny tanindrazan'izy ireo ho an'ny voanjo izy ireo.

Etsy andaniny, nanomboka nahazo ny fanohanan'ireo vondrona sasany, tahaka ny Zémidjans, mpamily taxi-moto malaza mameno ny arabe ao amin'ny tanàna lehibe indrindra ao Benin ilay mpanao politika Frantsay-Beninoà. Herinandro vitsivitsy lasa izay, nanomboka nitondra ny teny filamatr'ireo antoko politika sy kandidà ireo mpamily taxi-moto, anisan'ny mibahana indrindra tamin'izany ny fampielezan-kevitr'i Zinsou.

Victor Aidjihoundé, filohan'ny vondrona Zémidjans, nanambara hoe [18]:

Nous avons compris que les politiciens nous utilisent contre zéro franc. Seul Lionel Zinsou nous aide à trouver des solutions à nos problèmes. Il nous a dit : “Mutualisez vos forces, vous êtes nombreux au Bénin.” Il a commencé à travailler avec nous et nous sommes en bonne voie.

Takatray fa mampiasa anay maimaim-poana ireo mpanao politika…Lionel Zinsou ihany no manampy anay hahita vahaolana amin'ny olanay. Hoy izy taminay: ‘Atambaro ny herinareo, marobe ianareo eto Bénin’. Nanomboka niara-niasa taminay izy ary mizotra amin'ny lalana tsara izahay.

4618625_7_e56a_a-cotonou-affiches-de-campagne-des-partis_cc7296696d0b0fb545cabf0e242764ea

Cotonou, Benin. Sary avy amin'ny mpanoratra

Ireo kandida hafa

Anisan'ireo kandidà malaza:

Eo amin’ ireo kandidà hafa mety hirotsaka- mbola azo raisina amin'ny fomba ofisialy amin'ny 9 ka hatramin'ny 12 Janoary ny kandidà rehetra - eo i  Patrice Talon [22]mpandraharaha momba ny fanondranana landihazo avy any Côte d’Ivoire. Saingy vitsy ny mihevitra fa kandida matotra afaka hirotsaka hofidiana i Talon. Monina an-tsesintany any Frantsa izy, ary miandry azy ny fiampangana fa nikasa hanapoizina [23]ny filoha ankehitriny izy tamin'ny 2012. Mbola tsy nisy anefa ny fitoriana an'i Talon eny amin'ny fitsarana.