- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanora Mpamorona Avy Ao Puntland, Somalia: Mamorona Ny Fiaran'ny Fanantenana.

Sokajy: Somaliland, Fampandrosoana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia, Vaovao Tsara
12418114_1684864778457712_7346453097078162351_n

Gulled Adan, ilay mpamorona vao 13 taona monja

Teraka tao amin'ny faritr'i Buuhoodle ao Puntland, [1] faritra iray mizaka tena ao anatin'i Somalia i Gulled Adan Abdi, 13 taona.

Avy aminà vondrom-piarahamonina tsy manan-katokona izy. Fony mbola zazakely i Gulled no maty ny rainy ary vokatr'izany dia tsy maintsy niahy ireo zandriny roa izy.

Amin'ny taona fahatelo izy ankehitriny.

Na teo aza ny fahasarotam-piainana, nisoro hatrany i Gulled sy ny fianakaviany,  manambatra kilalao [2] fiaramanidina, fiara fitondra miady ary fitsofàna rivotra i Gulled, amin'ny fampiasàny ireo kojakoja fanolo sy izay azo tsimponina amin'ny vatoaratra fampiasa amin'ny fiara.

Screenshot of images of toys assembled by. Photos taken from the information department of the President of Puntland and used with permission.

Pikantsary avy amin'ireo kilalao natambatr'i Gulled. Sary nalaina tao amin'ny departemantan'ny fampitam-baovaon'ny Filohan'i Puntland ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Avy any aminà firenena iray rotiky ny ady an-trano nandritry ny efa ho taompolo roa sy tapany i Gulled.

Isan'ireo nidera [2]ny asa famoronana tsy manampaharoa nataon'i Gulled i Abdiweli Moamed filohan'i Puntland ao Somalia.

Nihaona tamin'ny Filoha Ali, ny Filoha lefitra Abdihakin Abdullahi Haji Omar sy ny Filohan'ny parlemanta ao Puntland i Guled ny Alatsinainy 4 Janoary 2015 teo.

Tsy toy ny any andrefana ao Somaliland, tsy mitady ny fahaleovantena tanteraka hihataka amin'i Somalia i Puntland. Tamin'ny fanambaràny ny fizakany tena tamin'ny 1998, efa imbetsaka ireo mpitarika ilay faritra no nilaza [3] ny hetahetan'izy ireo ny hisian'ny Somalia Federaly.

1337_1684864688457721_8675537272630785775_n

Gulled mijoro miaraka amin'ny filohan'ny governemantan'i Puntland, Somali, Abdiweli Mohamed sy ny kabinetrany. Sary nalaina tao amin'ny departemantan'ny fampitam-baovaon'ny Filohan'i Puntland ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Tao anaty tafa iray natao manokana ho an'ny Global Voices, nanontaniana an'i Gulled ny fomba nanombohany ity fandaniam-potoanany ity :

Amin'ny taona fahatelo aho izao ary tsy misy amin'ireo zavatra ireo nampianarina tany an-tsekoly, zavatra nezahako rehefa mba manana fotoana malalaka aho ary heveriko fa tsy verivery maina ilay izy!

Ny renin’ Gulled, Mrs. Maryam Hassan, somary nanitatra kely rehefa napetraka taminy io fanontaniana io :

Fony maty ny rain'i Gulled, tsy maintsy nirotsaka an-tsehatra aho niahy ireo zanako, fahazarako ny mamela azy ireo ho irery mba hahafahana mitady ny sakafon-dry zareo ary fanaoko tamin'izany ny mamatotra ny tongotr'i Gulled mba tsy hivoahany ny trano na ho very satria tsy vitako ny nanakarama mpitaiza zaza. Mba hahaverivery dia azy, fanaoko ny nanome azy zavatra vita tamin'ny plastika ary miteny azy mba hanambatra azy ireny.  Heveriko fa avy amin'izany no nanombohan'ireny asa famoronana mahafinaritra ireny.

Ao aminà firenena iray izay ny ankamaroan'ny fotoanan'ireo media iraisampirenena dia miresaka fotsiny izay mifandray amin'ny ady, korontana ary faharavàna, ny tantaran'i Gulled no vavolombelon'ny fahafahan'ny olombelona miaritra mba hikaroka zava-baovao, hampiasa tànana sy hamorona.