Sehatra SMS Mampiaka-Danja ny Tantsaha Madinika ao Ogandà

A trainer showing a farmer how to use the SMS Platform. photo Coutersy of WeFarm

Mpanazatra iray mampianatra Tantsaha amin'ny fomba fampiasana ny sehatra SMS. Sary nampindramin'ny WeFarm

Na dia eo aza ny fandrosoana ara-teknolojia dia tsy mba mahalala ny fomba fampiasana finday raitra ny ankamaroan'ny tantsaha manerana an'i Afrika. Vitsy amin'izy ireo no mandeha an-tserasera hikaroka vaovao manokana momba ny ambioka na ny fomba iadiana amin'ny aretina mahazo ny vokatra.

Misy startup na ainga vaovao antsoina hoe WeFarm, mikendry ny hampaka-danja ny tantsaha amin'ny alalan'ny torohay amin'ny fampiasana SMS. Manontany ny tantsaha dia adika sy zaraina amin'ny tantsaha eo amin'ny faritra sy any ivelany izany. Rehefa misy ny domberina [mamaly], dia alefa any amin'ilay olona nanontany izany.

Efa misy ny firenena misitraka sahady an'ity Startup ity ka ao anatin'izany i Uganda, Kenya ary i Ethiopia ary manana mpisera mihoatra ny 18.000 manerantany tao anatin'ny sivy volana niasàny. Hivoaka any Tanzania, Cote D'Ivoire, India, Colombia, ary Brezila izany atsy ho atsy.

Tamin'ny lahatsoratra bilaogy tao amin'ny National Geographic, dia nizara tantaran'ny tantsaha iray tao Kenya ry zareo sy ny fomba hahazoana tombontsoa amin'ny ainga:

This is precisely what happened to Kepha from Baringo, Kenya. After receiving advice from fellow farmers, Kepha managed to save 27 of the 52 chickens he owned.

Kepha’s chickens are very important to him. Not only do they provide eggs for his family to eat, but they’re also his main source of income. Kepha can sell chickens to other farmers or at markets when he has the opportunity to visit one. He also farms vegetables and staples that he and his family can eat, but his chickens allow him to earn a modest living.

Kepha’s story will resonate with many small-scale farmers across Africa, Latin America and Asia.

Izay indrindra no nitranga tamin'i Kepha avy ao Baringo, Kenya. Taorian'ny nahazoany torohevitra avy amin'ny tantsaha namany dia niezaka i Kapha nanavotra ny 27 tamin'ny akoho 52 nananany.

Foto-pivelomany ny akohony ho an'i Kepha. Tsy vitan'ny manome atodiakoho hohanin'ny ankohonany ihany fa io koa ny loharanom-bolany. Afa-mivarotra akoho amin'ny tantsaha hafa na any an-tsena i Kepha rehefa manam-potoana ny hitsidihana ny iray amin'ireny. Mamboly legioma sy foto-tsakafo azon'ny ankohonany hohanina ihany koa izy, saingy ny akoho ny ahafahany mivelona anatin'ny fihafiana.

Hiako any amin'ireo tantsaha madinika manerana an'i Afrika, Amerika Latinina ary Azia ny tantaran'i Kepha

Lahatsaoratra am-bilaogy iray ao amin'ny Takepart mametraka ny We Farm ho:

Wikipedia for farmers, or as its founder describes it, “Internet for people without Internet.”

Wikipedia ho an'ny tantsaha, na araka ny famariparitan'ny mpanorina azy hoe, “Aterineto ho an'ny olona tsy manana aterineto.”

Mahatsapa i Nicki Briggs fa fisantaran'andraikitra manome tombony tsy ho an'ny tantsaha ihany fa ho an'ny indostrian'ny sakafo ihany koa izy io:

Fandraisana an-tanana ahazoan'ny tantsaha sy ny indostrian'ny sakafo vahana = TONTONA. Tia ny sehatra fifampizaran'ny @we_farm

Raha mampiditra anaty lisitra ny WeFarm ho iray amin'ny ainga na Startups mila jerena mandritra ny 2016 ny Disrupt Africa.

Ainga Afrikana 12 mila jerena amin'ny 2016

Tasmin C mitehaka amin'ny asan'ny WeFarm ary manantena fa hahazo ny tsara kokoa izy amin'ny 2016:

Arahabaina ny @we_farm tamin'ny 2015 mahatalanjona – manantena fa ho tsara kokoa ny taona manaraka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.