- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Manao Fotsy Hoditra Fotsiny Ianao Dia Mandresy’ Dokambarotra Voatsiny Ho Mpanavakava-bolonkoditra Tao Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Mediam-bahoaka, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
A screenshot of the skin whitening video ad posted on YouTube [1]

Pikantsarin'ny lahatsarin'ny dokambarotra misy ny hoditra nofotsiana nalefa tao amin'ny YouTube.

Mpiserasera marobe no nanameloka [2] lahatsary dokambarotra iray momba ny pilina fanafotsiana hoditra tao Thailandy ho mpanavakavam-bolo-koditra noho ny teny filamatrany hoe ‘manao fotsy hoditra fotsiny ianao dia mandresy.’

Rehefa avy nahazo tsikera mieli-patrana, dia nesorin'ny mpamokatra pilina manafotsy ‘Snowz’ tao amin'ny Youtube ny dokambarotra ary namoaka fialan-tsiny [3] ampahibemaso izy.

Nampiseho [4]mpilalao sarimihetsika Thailandey nahomby noho izy fotsy hoditra ny dokambarotra. Nampiany fa ho very ny lazany raha tsy fotsy hoditra intsony izy, manazava izany fa mila mampiasa vokatra manafotsy tahaka ny Snowz izy.

Miafara amin'ilay teny filamatra malaza ratsy ankehitriny hoe ‘manao fotsy hoditra fotsiny ianao dia mandresy’ ny dokambarotra [1]

Raha nesorin'ny orinasa ilay dokambarotra, navoakan'ireo mpisera Youtube sasany indray izany.

Nahatezitra ireo mpiserasera aterineto maro nanasokajy izany ho manavakava-bolon-koditra ny dokambarotra.

Niteraka adihevitra mafana momba ny fanavakavaham-bolo-koditra ao Thailandy sy ny hevi-mibahana ara-kolontsaina  momba ny fotsy hoditra tao amin'ny aterineto izany.

Milaza ny dokambarotra Thailandey fa mety ho mpandresy ianao raha fotsy hoditra. Ity no dokambarotra manavakavaka indrindra hitako hatramin'izay

Manitatra ny haratsian-dohan'izy ireo indray ny hadalan'ny Thailandey amin'ny hafotsiana. Tsy hifarana mandrakizay izy ity. Ny sampan-draharahan'ny dokambarotra Thailandey no ratsy indrindra amin'izy rehetra ireo!

Niala tsiny noho ny fanafintohinana olona maro ny Seoul Secret, orinasa mpamokatra ny pilina Snowz.

Apology by Seoul Secret posted on the company's Facebook page [3]

Fialan-tsiny avy amin'ny Seoul Secret navoaka tao amin'ny pejy Facebook-n'ny orinasa

Tsy vao voalohany ny dokambarotra momba ny fanafotsiana hoditra no nampangaina ho mpanavakavaka ao Thailandy. Taona vitsy lasa izay, voatery niala tsiny ny orinasa iray hafa rehefa namoaka [10]dokambarotra tao anatin'ny lamasinina miaraka amin'ny hafatra hoe: “Natokana ho an'ny fotsy hoditra ity seza ity. ‘