Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.
Nilaza [1]tamin'ny Gazetiboky Infosecurity ny ekipan'ny fikarohana momba ny fiarovana an-tserasera iSIGHT Partners fa ny fikambanan'ny Rosiana mpijirika fantatra amin'ny hoe Ekipa Kakampasika no nahavita izany.
Nanome tsiny an'i Rosia ihany koa ny sampam-piarovam-panjakana ao Okraina noho ny fahatapahan-jiro tao amin'ny faritra andrefana Ivano-Frankivsk ao Okraina tamin'ny 23 Desambra izay nihatra tamin'ireo olom-pirenena 80.000 teo ho eo. Tamin'izany fotoana izany, nitatitra [2]ny orinasan'ny herinaratra iray ao an-toerana, PrykarpattyaOblenergo fa tapaka jiro nandritra ny enina ora mahery tao amin'ny ampahan'ny faritra iasany, anisan'izany renivohi-paritra Ivano-Frankivsk noho ny “fifanindriana” tao amin'ny rafi-panaraha-mason'ny orinasany. Tsy naneho hevitra manoloana ny fiampangana ny manam-pahefana Rosiana hatramin'izao.
Manome tsiny ny Ekipa Kakampasika na Sandworm Team (avy amin'ilay andian-tantara mitohy hai-famoronana “Dune”) ihany koa ireo manam-pahaizana ao amin'ny iSIGHT noho ny fanadihadiana nataon'izy ireo tamin'ny rindrambaiko mpisompatra fantatra amin'ny anarana hoe BlackEnergy 3 sy KillDisk, izay nampiasaina tamin'ny fanafihana. Rindrambaiko mpisompatra fampiasan'ireo vondrona mifandray amin'i Rosia ny BlackEnergy , ary ny fanaraha-maso natao dia nampiseho fa niasa ny BlackEnergy nohavaozina [3]nandritra ny taon-dasa tao Okraina , samy niharan'izany avokoa ny fitondram-panjakana, ny sehatry ny angovo sy ny fifandraisandavitra. Voalaza fa nampiasaina tamin'ny fanafihana mandravarava ny media Okrainiana nandritra ny fifidianana farany ihany koa ny BlackEnergy.
Noheverina fa ambadiky ny fanafihana [4] tsy nitera-doza tao Etazonia sy Eoropa ny vondrona mpijirika Rosiana tany am-boalohany, izay nokendrena indrindra nanaovana fitsikilovana, satria tsy nisy ny fahatapahan-jiro na fahasimbana hita vatana tamin'izany fanafihana izany.
“Mihevitra ny ISight fa Rosiana ny hetsika tamin'ny voalohany ary ny fidirana an-tsokosoko nataon'izy ireo tao amin'ny rafitra SCADA tao Etazonia sy Eoropa dia fijerena lalana hanaovana ny fanafihana,” hoy ny solontenan'ny iSIGHT tamin'ny Gazetiboky Infosecurity.
Nilaza [5] tamin'ny Reuters ny talen'ny famotopotorana ara-pitsikilovana ao amin'ny ISIGHT fa tsy fantatra mazava raha niasa mivantana ho an'ny governemanta Rosiana ny Ekipa Kakampasika na Sandworm Team na tsia. “Mpisehatra Rosiana miasa ho amin'ny tombontsoam-panjakana io,” hoy i Hultquist. “Tsy fantatray na mahaleotena izy na tsia.”