
Kandidà ho Filoha mifaninana ho solontenan'ny Repoblikana [GOP] , Donald Trump no voalohany nanaratsy an'i Iran tamin'ny fiandohan'ny adihevitra tamin'ny 15 Desambra, miantso azy ho “firenena mpampihorohoro.”. Pikantsary avy amin'ny CNN.
Niteraka fanapahan-kevitra ara-politika sy adihevitra tany Etazonia izay toa nifantoka manodidina ny fanaratsiana ny firenena Silamo izay tsy mpiara-dia “voajanahary” amin'i Etazonia, tahaka an'i Arabia Saodita sy Jordania ny tahotra ireo herisetra vao haingana taorian'ny fanafihana an'i Paris tamin'ny 13 Novambra sy ny fitifirana tao San Bernardino tamin'ny 2 Desambra.
Ohatra iray amin'izany ny volavolan-dalàna Visa Waiver (na H.R. 158), izay nandalo tao amin'ny Antenimeram-Pirenena, saingy mbola mila ny fankatoavan'ny Antenimieran-Doholona sy ny sonian'ny Filoha Obama (na raha misy ny fitsipahana tsy azo ivalozana ataon'ny filoham-pirenena (veto) dia mila fandrotsaham-bato fanindroany izay ankatoavin'ny roatokon'ny Kongresy) alohan'ny hahalasa azy ho lalàna. Ny lalàna dia mitaky amin'ireo olom-pirenen'ny firenena 38 tsy mila mangataka visa idirana any Etazonia amin'izao fotoana tsy maintsy mangataka visa raha efa nandeha tamin'ny ” toerana be mpampihorohoro” tahaka ny ao Iraka sy Syria na firenena “manohana ny fampihorohoroana” tahaka an'i Iran sy Sodana.
Maro ny Iraniana sy ny tsy-Iraniana no niditra tao amin'ny media sosialy mba haneho ny tsy hafalian'izy ireo amin'izao fikendrena diso toerana ny Iraniana sy Iran ao anatin'nizao raharaha mampalaza ny Daesh (antsoina koa hoe ISIS) izao, vondrona mahery setra mpisintaka tamin'ny Al Qaeda izay nifehy faritra midadasika ao Iraka sy Syria. Raha manana fifamatorana akaiky amin'ny vondrona nolazain'ny governemanta maro fa mpampihorohoro tahaka ny Hezbollah i Iran, dia iray amin'ireo firenena efa niady tamin'ny Daesh hatramin'ny fiandohan'ny ady ihany koa izy ireo.
Nanjary miharihary indrindra amin'ny sioka mitatitra momba ny fanaratsiana matetika an'i Iran izany fanehoan-kevitra manakiana noresahan'ireo kandidà mifaninana ho solontenan'ny Antoko Repoblikana (fantatra koa amin'ny hoe Góp) nandritra ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra tamin'ny 15 Desambra izany.
Eny tokoa, mikasika ny olana mifandray amin'ny Tontolo Silamo ny ankamaroan'ny adihevitra.
Does the president of the United States have any responsibilities other than killing Muslims? They've been discussing it for an hour.
— Matt Bors (@MattBors) December 16, 2015
Tsy manana andraikitra hafa ankoatra ny famonoana ny Silamo ve ny filohan'ny Etazonia? Niady hevitra izany nandritra ny adiny iray izy ireo
Nivadika ho fihetseham-po mankahala an'i Iran ny adihevitra raha nametaka anarana an'i Iran hoe “firenena mpampihorohoro” ny kandidà Donald Trump.” Satria nijery ny adihevitra miaraka amin'ny namana Iraniana aho, tsapako ny fahatezeran'izy ireo tamin'izany:
Friend on Trump's “Iran a terrorist nation”. “Huh, when did we last attack America. Chiiiiii?” #GOPDebate — Mahsa Alimardani (@maasalan) December 16, 2015
Namana nihaino an'i Trump nilaza hoe “firenena mpampihorohoro i Iran”. “Hoh, oviana no nanafika an'i Amerika farany isika. Chiiiiii?
Nisy fotoana i George Pataki, governoran'i New York teo aloha izay mifaninana amin'ny fanendrena ihany koa, nametaka ny voambolana fampihorohoroana amin'ny Iraniana.
Former Gov. of NY just called Iranians jailed in US for sanction violations “terrorist leaders” #GOPDebate — Bahman Kalbasi (@BahmanKalbasi) December 16, 2015
Governoran'i New York teo aloha vao avy niantso ireo gadra Iraniana ao Etazonia noho ny heloka isankarazany ho “lehiben'ny mpampihorohoro”
Tsy natahotra ho tafiditra ao anaty resabe mahery vaika ny kandidà Marco Rubio, loholona zandriny ao Florida, milaza ny “Shiita ao Iran” (firenena Islamika maro Shiita i Iran) ho “fahavalo mandramatin'i” Etazonia.
Rubio: “the Shia of Iran are our mortal enemy” – is anyone listening to this shit! If you thought Trump was bad; this guy is fucking crazy. — Leith Abou Fadel (@leithfadel) December 16, 2015
Rubio: “fahavalonay mandramaty ny Shiita ao Iran” – nisy olona mihaino ity diky ity ve! Raha nihevitra ianao fa ratsy i Trump; dia manao izay maharomotra kosa ity lehilahy iray ity.
Nisy mihitsy aza fotoana ny mpandrindra ny adihevitra nanomboka nampiseho an'i Iran ho fahavalo mandrahona an'i Etazonia, tamin'ny firesahana ny fifanarahana ara-noklearin'ny 15 Jolay ho toy ny zavatra mety hivadika ka hitondra mankany amin'ny fampandrosoana ny fitaovam-piadiana nokleary Iraniana.
#CNN moderator says “#Iran is winning every where” will come as suspense to leadership in #Tehran. #GOPDebate — Bahman Kalbasi (@BahmanKalbasi) December 16, 2015
Nilaza ny mpandrindra ny #CNN fa ny “Iran mandresy na aiza na aiza” dia ho avy manaintaina amin'ny fitantanana ao #Tehran.
“if we step back #Iran goes nuclear” says the #GOPDebate moderator. Chris Christy jumps on the chance to say we need to focus on Iran.
— Bahman Kalbasi (@BahmanKalbasi) December 16, 2015
“Raha mihemotra isika, dia mandeha nokleary i Iran” hoy ny mpandrindra ny Adihevitra GOP. Nanararaotra i Chris Chirsty niteny fa mila mifantoka amin'i Iran isika.
Sen. Cruz agrees with #Iran. Says toppling #Assad is a bad idea. #GOPDebate — Bahman Kalbasi (@BahmanKalbasi) December 16, 2015
Miombo-kevitra tamin'i Iran ny loholona Cruz. Nilaza izy fa hevi-diso ny fanonganana an'i Assad.
This WAS said: “ISIS and Iran have declared war on America.” Cruz #GOPDebate. — Mahsa Alimardani (@maasalan) December 16, 2015
Nolazaina hoe: “Nihantsy ady tamin'i Amerika ny ISIS sy Iran.” Cruz
When these clowns conflate ISIS & Iran, just rmmbr this is the party that invaded Iraq when Saudis attacked us from Afghanistan. #GOPDebate — banafsheh ghassemi (@IAmBanafsheh) December 16, 2015
Rehefa manafangaro an'ny ISIS sy Iran ireo mpanao hatsikana ireo, dia tsarovy fotsiny fa ity no antoko nanafika an'i Iraka raha nanafika antsika avy ao Afghanistana ny Saodiana.
Raha nanontany an'ireo mpanjohy ahy ao amin'ny Twitter aho mikasika ny hevitr'izy ireo izay fanehoan-kevitra “adaladala” indrindra momba an'i Iran, dia nilaza ity fehezanteny noforonin'i Cruz ity momba ny adin'i Iran amin'i Etazonia ity ny mpisera iray.
When I asked my Twitter followers what they thought was the most “batty” comment on Iran, one user pointed to this fabricated statement of Iran's war on the US by Cruz.
@maasalan how about Ted Cruz saying Iran has declared war on the US — 😀 (@Ivaban) December 16, 2015
Ahoana ny amin'i Ted Cruz milaza fa nihantsy ady tamin'i Etazonia i Iran 😀
Fotoana iray voamarika ihany koa raha nanazava ny fikasany hanafoana ny asa tamin'ny fifanarahana ara-nokleary natao sonia tamin'ny volana Jolay teo amin'i Iran sy ny firenena P5 + i Carly Fiorina, tale jeneralin'ny Hewlett-Packard teo aloha, ary mangataka tamin'ny mpitarika fara-tampony ao Iran mba hanaovana “fifanarahana vaovao. ” Mpanao gazetin'ny BBC, Bahman Kalbasi nanamarika izay mety ho valintenin'ny mpitarika fara-tampony:
Fiorina wants to call #Iran’s Leader and say “New Deal” I am guessing Iran’s leader won’t take the call but if he did he’ll say: #NoDeal — Bahman Kalbasi (@BahmanKalbasi) December 16, 2015
Te-hiantso ny Mpitarika ao Iran i Fiorina ary mitady “Fifanarahana Vaovao” Mitsatoka aho hoe tsy handray ny fitakiana ny mpitarika an'i Iran fa raha nandray izy dia hilaza hoe: Tsy misy Adihevitra
Mpanao gazety Iraniana-Amerikana Hooman Majd namehy tamin-kanihany ny fijery Repoblikana ratsy amin'i Iran:
Iranian-American journalist Hooman Majd had a ready quip to summarize the Republicans negativity toward Iran:
Hating on Iran means never having to say you're sorry. #GOPDebate #CNNDebate — Hooman Majd (@hmajd) December 16, 2015
Ny fankahalana an'i Iran tsy midika mihitsy fa miala tsiny ianao