- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Satan'i Porto Rico Eo Anoloan'ny Fitsaràna an-Tampon'i Etazonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Etazonia, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
Según el Procurador General de los Estados Unidos, Donald B. Verrilli, la Constitución de Puerto Rico no es comparable con la constitución de un estado, sino con una carta puebla (town charter). Imagen tomada de Wikimedia Commons y utilizada bajo una licencia Creative Commons Atribución - Compartir Igual 3.0 (CC BY-SA 3.0). [1]

Ho an'ny lehiben'ny fampanoavana ao Etazonia, Donald B. Verrilli, tsy mifanaraka amin'ny maha- Fanjakàna ny lalàmpanorenan'i Porto Rico, fa toy ny hoe lalàn'ny tanàna iray

Nanokatra pejy vaovao indray tato anatin'ny herinandro faramparany ny tantaran'ny sata politikan'i Porto Rico noho ilay raharaha nentina nanoloana ny Fitsaràna An-tampon'i Etazonia, izay nampametra-panontaniana hoe raha samy manana ny fiandrianam-pireneny i Porto Rico sy ny governemanta federalin'i Etazonia amin'ny sehatr'ilay tranganà “fisehoana indroa” hita ao amin'ny lalàmpanorenan'i Etazonia (miaro ny tsy ahafahana miampanga anao indroa amin'ny antony mitovy).

Raharaha nentina teo anatrehan'ny fitsaràna an-tampony ny an'i Sánchez Valle, vs Porto Rico, izay niantomboka sahala amin'ny raharaha heloka bevava fivarotana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna ilay izy, avy eo niova ho iray amin'ireo raharaha mahatalanjona indrindra mikasika ny fifandraisan'i Porto Rico amin'i Etazonia. Tsy mbola nahitàna toy izany mihitsy hatramin'ilay raharaha nalaza Casos Insulares [2] tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha XX iny, izay nahavitàna nametraka tamin'ny toerany ny politika mbola miasa hatramin'izao

Efa hatramin'ny volana Oktobra no nahita ny ho fandehan-javatra [3] i Richard Pildes [4], mpianatra amin'ny sampana lalàna momba ny lalàmpanorenana, hoe hihitatra be io raharaha io ho an'i Porto Rico ary ho an'i Etazonia ihany koa.

Los asuntos son histórica y legalmente fascinantes, pero también son los más políticamente explosivos y divisorios en Puerto Rico: van a la pregunta existencial de qué es Puerto Rico y cuál es y cuál será probablemente la actual y futura relación con los Estados Unidos.

Olana tsy azo ialàna intsony na ara-tantara na araky ny lalàna ireo fanontaniana ireo, fa fanontaniana mampipoaka zavatra hafa ara-politika ihany koa ireo , izay mampisaraka ny hevitra ao Porto Rico: mametraka fanontaniana momba ny olan'ny fisian'i Porto Rico ilay izy, ny amin'ny fifandraisany ankehitriny sy hoavy miaraka amin'i Etazonia, ny mety hoavin'izany fifandraisana izanyany aoriana.

Namoaka didy nanome vahana ny toriana ny fitsaràna an-tampon'i Porto Rico taorian'ireo fifandirana maro, io toriana io izay nilaza ho fiarovan-tenany hoe noho ny tsy fananan'i Porto Rico fiandrianam-pirenena manokana, dia tsy ho afaka natao ny nanomboka fitsaràna teo anatrehan'ireo fitsaràna eo amin'io faritra io taorinan'ny fitsaràna anao aminà heloka iray mitovy eo anatrehan'ny fitsaràna federaly. Nampiahiahy ny governoran'i Porto Rico, Alejandro García Padilla, ny fidiran'ireo voalaza ireo, ny governora izay ao anatin'ilay Antoko Demokratikan'ny Vahoaka tena ofisialy, ary nanapa-kevitra ny hametraka ny raharaha eo anatrehan'ny fitsaràna an-tampon'i Etazonia ny sampandraharahany.

Ny filohan'ny mpampanoa lalàna an'i Etazonia, Donald B. Verrilli, indray, naneho tatitra teo amin'ny fitsaràna [5] amin'ny maha amicus curiae (ara-bakiteny hoe: “naman'ny fitsaràna”) azy, izay nanaovany famintinana ny fivoarana araka ny lalàna ny satan'i Porto Rico teo ambany fiandrianan'i Etazonia. Nanao tsoakevitra i Verrilli tamin'ilay fanadihadiany hoe marina tokoa fa tsy nanana ary tsy nanana fiandrianana azy manokana velively i Porto Rico, fa teo am-pelatanan'ny Kogresy ny fiandrianany.

Nahatonga fanehoankevitra teo noho eo avy amin'ny governora García Padilla io famerenana ny firesahana indray ny natiora miendrika fanjanahantanin'ny fifandraisana eo amin'ny Porto Rico sy Etazonia io, niampanga araka ny nolazainy tao amin'ny taratasy [6] nalefany ho an'ny ONU, ny fiovàn-toetra tampoky ny governemanta federaly:

En un escrito legal sometido ante el Tribunal Supremo de los Estados Unidos el 23 de diciembre de 2015 […] el Gobierno de los Estados Unidos abruptamente cambió de postura y plantea que la Constitución y las leyes del Estado Libre Asociado de Puerto Rico no emanan del pueblo de Puerto Rico. […] El Estado Libre Asociado cree que la reciente interpretación del Procurador General de parte de los Estados Unidos de América está errada y no debe prevalecer en el Tribunal Supremo. No obstante, a la luz de la grave importancia de este asunto, por este medio cumplo mi deber con el pueblo de Puerto Rico y la comunidad internacional al informarle sobre este acontecimiento.

“Ao amin'ny soratra ofisialy natolotra ny fitsaràna an-tampon'i Etazonia ny 23 desambra 2015 […] nanova tampoka ny toerana raisiny ny governemantan'i Etazonia, tamin'ny fanapahany hevitra fa tsy avy amin'ireo vahoakan'i Porto Rico ny lalàmpanorenana sy ireo lalànan'ny “Fanjakàna malalaka mpiara-miombon'antoka” […] Mieritreritra “ny Fanjakàna malalaka mpiara-miombon'antoka” fa diso ny eritreritra sy voalazan'ny lehiben'ny fampanoavan'i Etazonia vao haingana iny, ary tsy tokony raisin'ny fitsaràna an-tampony. Kanefa, noho ny mahazava-dehibe io resaka io, mamita ny adidiko manoloana ny vahoakan'i Porto Rico sy ny fiarahamonina iraisam-pirenena aho amin'ny filazàko anareo io fivoarana io.”

Nanitikitika ny sehatry ny vahoaka io tantara io tao Porto Rico, ka mety ho lasa lohahevitra voalohany amin'ny fampielezankevitra ara-politika amin'ity taona ity mihitsy. Namintina ny tantaran'ny sata politikan'i Porto Rico [7] ny lahatsoratra iray nosoratan'ilay manampahaizana amin'ny sosialy, Emilio Pantojas García, ny taona 2013, ho an'ny gazetiboky 80 degrés. Lasa iray amin'ireo be mpizara indrindra tato ho ato io izao.

Carlos Morell, iray hafa mpandray anjara ao amin'ny gazetiboky 80 degrés, niresaka ankolaka ny toerana noraisin'ny governora, tao aminà lahatsoratra iray izay ilazàny ireo tsy fitoviankeviny manokana [8]:

“Nahagaga hoe nanova ny toerana noraisiny tao anatin'ny zavatra nitranga efa tamin'ny 1952 i Etazonia, manosika fotsiny ho any amin'ny fanadinoana ny tantara efa maherin'ny 50 taona. Tsy hoe fahaverezan'ny fitadidiana kosa io satria sarotra ihany ny hino hoe tsy niniana ny fanadinoana zavatra goavana toy izany.”

Daniel Nina, tao amin'ny lahatsoratra nosoratana ho an'ny El Post Antillano, mahita fa tsy vaovao loatra ny zavatra nolazain'ny lehiben'ny fampanoavana, fa ny zava-dehibe aminy dia ny mahita ny zavatra lazaina ankehitriny ary amin'izao fotoana izao [9] :

Voalohany izao no hoe amin'ny raharaha nentina teo anatrehan'ny fitsaràna an-tampony federaly, manao fanambaràna toy izany ny governemantan'io firenena io, amin'ny alàlan'ny fahefana mpanatanteraka. Na izany aza, mifanaraka amin'ny zotran'ny firenentsika izany, hatramin'ny fanambaràn'ny Trano Fotsy ny amin'ny hoavin'i Porto Rico naseho ny 2005, izay milaza zavatra mitovitovy amin'izany ihany. Tsara ny manamarika fa tamin'ny governemantan'i George W. Bush, nisy nilaza ny toy izany ihany koa efa am-polo taonany lasa izany. Averina indray izany eo ambany governemantan'i Barack Obama. Repoblikana i George W. Bush, ary i Obama kosa demokraty. Samy milaza zavatra mitovy ireo filoha roa ireo, izany izao no vaovao.

Tokony hilaza ny heviny momba io raharaha io amin'ny fitsaràna azon'ny rehetra atrehana ny fitsaràna an-tampon'i Etazonia ny 13 janoary.