‘Cloud’ Hanihany Maro Taorian'ny Niampangàna An'i Shina Tamin'ny Nijirihany Ny Biraon'ny Famantarana Ny Toetrandro Any Aostralia

Storm over Darwin Harbour

Rivodoza tao amin'ny Seranantsambo Darwin. Tolotra maimaimpoana avy amin'i Geoff Whalan, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Nampangaina ireo Shinoa jiolahin'ny teknolojia ho nanao fanafihana ny Birao Aostraliana Famantarana ny Toetrandro  (BOM), nampiely tsahotsaho be tamin'ny Aterineto mikasika izay mombamomba ireo nanao izany, ary ny vokatr'ilay fidirana antsokosoko. Ny hevitra nivoaka sy neken'ny maro amin'izany tranga izany dia hoe ‘Shina’ sy ‘Shinoa’ midika hoe ny governemantan'ny Repoblikam-bahoaka ao Shina .

Araka ny ABC, “Hitentina an-tapitrisany dolara ny fanamboarana ny fanentsenana ilay lavaky ny fiarovana, satria voakasika ihany koa ireo masoivoho hafa”:

Manana ny iray amin'ireo solosaina matanjaka indrindra ao Aostralia ilay birao ary manome loharanom-baovao saropady ho an'ireo masoivoho maro.

Nanenika ny fanjakana ireo fitaovany, tafiditra tamin'izany ny rohy iray ao amin'ny Departemantan'ny Fiarovana any amin'ireo Birao Russell any Canberra.

Shina, teo ankilany, nandà ny fidirany tamin'ilay raharaha.

Nisy eritreritra ratsy kely ihany mikasika ireo antony nanosika ny fanaovana ilay fanafihana:

Misy olona afaka manazava ao anatin'ny litera 140 ve hoe maninona no mety hisy olona maniry hijirika ilay Birao Famatarana ny Toetrandro?

Nampifandraisin'ireo sasany mpampiasa media sosialy ilay lavaky ny fiarovana sy ilay tolotra vao haingana nahatonga resabe hivarotana ny Seranantsambo Aostraliana ao Darwin amin'ny orinasa Shinoa iray. Ho fanampin'ny tsikera eo an-toerana, noresahan'ny Filoha Amerikana Barack Obama ilay olana fony izy nihaona tamin'ny Praiminisitra Aostraliana Malcolm Turnbull sy ny filohan'ny firaisan'ireo antoko “Liberal National”.

Asa tsara avy amin'ireo adalan'ny Antoko Liberal National

Voakapoka tamin'ny maritoa ihany koa tao amin'ny Twitter ilay fifanarahana vao haingana, Fifanarahana Varotra Malalaka (#CHAFTA) eo amin'ny Aostralia sy Shina :

Manontany tena fotsiny hoe namidin'izy ireo tamin'ilay fifanarahana #FTA sa #Chafta ve ny Birao Famantarana ny Toetrandro ? Toa mieritreritra ny Shinoa hoe natao varoboba ratsy ny fifanarahana #auspol

Toa mihatra amin'ireo angon-drakitra avy tamin'ny birao famantarana ny toetrandro ihany koa ilay fifanarahana fifanakalozana malalaka an'i Shina #auspol #qt

Nanipika haingana ilay manampahaizana manokana amin'ny teknolojiam-pifandraisana, ZDNET, hoe mety ampahany amin'ny fifanarahana io, nanasongadina ny fifampizaràn'ireo sampam-pitsikilovana ny tambajotra Five Eyes izay misy an'i Aostralia:

Voarohirohy matetika amin'ny fanaovana fanafihana amin'ny Aterineto amin'ireo fanjakàna ao anatin'ny fifanarahana Five Eyes i Shina — ao anatin'io i Amerika, i UK, Kanadà, Aostralia, ary New Zealand.

Na tsy nisy nandray ilay resaka ho toy ny eso ratsy aza, noraisina tamin'ny hanihany maro io, indrindra ireo hanihany momba ny toetrandro:

Tsy namindra ny setroky Pékin hivoaka any ivelany ny fijirihan'i Shina ny Birao Famantarana ny toetrandro #fyi

Fampahatsahivana ho an'i Shina, re: Fijirihana ny Biraon'ny Famantarana ny toetrandro: Jiriho lavidavitra koa “mateys”! Tsy hahay ny fomba famantarana ny toetrandro any  Melbourne mihitsy ianareo!

Manandrana mangalatra ny toetrandrontsika i Shina!

Nalaza tamin'ny fanehoankevitra tamin'ny Aterineto i Wordplay, indrindra ny kilalaon-teny hoe ‘cloud – rahona':

Efa nisy nanao hanihany tamin'ny resaka fijirihana ny Birao Famantarana ny toetrandro sy ny fitahirizana ‘cloud’ ve

Voajirika ny BoM, ampangaiko ny rahona #security #humanquality #testing BBC News – Birao Famantarana ny toetrandro any Aostralia ‘voajirika’

PLA hack

Fanafangaroana nataon'ny mpanoratra tamin'ny sainan'ny Tafi-panafahan'ny vahoaka PLA (sehatra ho an'ny daholobe) sy ny fango Hacker Inside avy tamin'i Dagmar d'Surreal (CC BY-SA 3.0)

David Glance, talen'ny Ivontoerana ho an'ny Fampiharana ny Rindrambaiko ao amin'ny Anjerimanontolon'i Aostralia Andrefana, nanadihady ny hoe ‘iza, inona ary ahoana, tamin'ilay fijirihana’ tao amin'ny  The Conversation, vohikalan'ireo vaovao sy fanehoankevitra tsy miankina :

Raha toa ka mpijirika notohanan'ny fanjakana Shinoa ireo mpijirika Aterineto ireo, sahala amin'ny People’s Liberation Army [PLA] Unit 61398, tokony ho manerana ny tany ny tanjon'ny fijirihana, fa mety hoe niompana bebe kokoa tamin'ny loharanom-baovao mikasika ireo sampana fiarovana sy fiadiana Aostraliana ary ireo fahafahany manao zavatra.

…Raha toa ka nataon'ny PLA Shinoa ilay fanafihana, kely ny fanantenana hoe hahomby tanteraka na inona na inona fomba napetraka hiarovana hisakanana izany fanafihana izany.

Dr. Malcolm Davis, mpampianatra mpanampy momba ny fifandraisan'i Shina sy ny Tandrefana ao amin'ny Anjerimanontolo Bond any Robina, Aostralia, naninavina ny mety fisian'ny fifamatorana  akaiky amin'ny resaka fiarovana eo amin'ireo firenena roa ireo:

Manome fahefàna feno an'i #Shina hanao fanafihana amin'ny Aterineto ny fifandraisana nohatsaraina tamin'ny herinandro teo  #ausdef-PLA.

Na miresaka tsy ankiato mikasika ny toetrandro aza ny olona rehetra, tsy matetika malaza ao amin'ny media sosialy ny Birao Famantarana ny toetrandro .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.