Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsy Nametraka Ireo Poloney Hanana Famindram-po Ilay Famelàna Nahatonga Resabe Nataon'ny Filoha Duda

9851867824_fed3b28638_k

Ny Aogositra 2015, niandraikitra ny toeran'ny filoham-pirenena ilay Poloney mpanao lalàna sady mpanao politika Andrzej Duda. Sary avy tamin'i Lukas Plewnia, 12 Septambra 2013. CC 2.0.

Ny fiandohan'ity volana ity, andro iray monja taorian'ny nianianan'ny governemanta Poloney vaovao, nandray ilay fanapahankevitra nahatonga resabe ny Filoha Andrzej Duda, ny famelàna an'i Mariusz Kaminski, mpikambana tao amin'ny antoko teo alohan'i Duda, Lalàna sy Rariny.

Voaheloka ho nanao fanamparam-pahefana i Kaminski tamin'ny naha-filohan'ny Birao Foiben'ny Fiadiana amin'ny Kolikoly ao Pôlônina azy, izay niasàny hatramin'ny 2009, nandritra izany fotoana izany, nitantana ny governemanta Poloney ny antoko Lalàna sy Rariny. Talohan'ny famelàna azy, tsy mbola nihatra ny sazy nomena an'i Kaminski, satria teo ampiandrasana ny fandravàna didy izy.

Na niteraka resabe aza ny nahatonga izany fanapahan-kevitra izany, ary ny sasany mahita io ho hetsika ara-politika nataon'ny governemanta teo aloha (notantanan'ny mpanohitra ao amin'ny Sehatry ny Fanabehazana Olom-pirenena), maro ireo milaza fa nahagaga ary tsy amin'ny fotoanany ilay fanapahankevitr'i Duda hamela heloka an'i Kaminski. Raha resy tamin'ny fampakarana didy i Kaminski, tokony tsy nahazo nitazona toerana asampanjakana intsony izy, ary mety nalefa tany am-ponja an-taonany maro. miandraikitra ny toeran'ny filohan'ny sampana manokana ao amin'ny governemanta vaovao ao Pôlônina ankehitriny i Kaminski.

Naneho ireo heviny tao amn'ny Twitter haingana ireo Pôlôney mpampiasa media sosialy . Nanoratra izao i Konrad Niklewicz:

Tia hampahatsiahy anareo rehetra aho fa manamafy ilay didy ny famelàna. Manomboka izao, afaka antsointsika hoe “olo-meloka” ilay olona

Naneho hevitra ao amin'ny Twitter ihany koa i Filip Lachert:

Mieritreritra aho fa nanao fanampiana ratsy an'i Kaminski ny PAD [Filoha Anrzej Duda], satria tsy midika hoe “tsy meloka” ny famotsorankeloka. Tsy mitovy amin'ny hoe fanesorana ny fanamelohana io. Tsy manam-pahaizana aho fa mieritrertra aho hoe tena hadalàna io.

Mpampiasa Twitter hafa iray, Aronsem, nampitaha ireo famelànkelok'ireo filohan'i Pôlônina ankehitriny sy ireo tany aloha. Araka ny asehon'ny sary miaraka amin'ny bitsika, fehezanteny lava iray fotsiny ny famelànkelok'i Duda.

Amin'ilay sary miaraka aminy io, afaka hita tsara hoe ahoana ny tena fihetsika famelankeloka marina, ary ohatra ny ahoana ny tsy tena izy

Nanoratra nikasika ilay famelankeloka ihany koa i Irena Szafrańska:

Izany no antony nifidianako ny PiS [Lalàna sy Rariny] sy ny Filoha Andrzej Duda, amin'izay izy ireo afaka maka ny fanjakana ary manala azy io eny an-tànan'ireo mpangalatra sy mpamadika

Mpikambana maro ao amin'ny andrim-panjakana no nitaraina fa nanitsakitsaka ny tsy tokony hombàn'ny mpitondra firenena amin'ny atsy na aroa i Duda, ary koa ny andraikiny ny hanao ny tombotsoam-pirenena tamin'ny famelàny ny heloky ny mpomba azy ara-politika. Raha tsy voararan'ny lalàna aza ho an'ny filoha ny mamela heloka ny mpiara miasa teo aloha, nitondra tamin'ny tsikera ny fanapahankevitr'i Duda hoe nanitsakitsaka ny fanahin'ireo adidy aman'andraikiny amin'ny maha-filohan'i Pôlônina azy izy.

Efa nivaky taorian'ireo fifidianana, mbola manohy tsy miray hevitra amin'ireo hetsik'i Duda ireo olom-pirenena Pôlôney.

Nandefa izao ilay mpitoraka bilaogy malaza sy mpampiasa Twitter, katarynaaa:

Mahatsapa aho fa mety hampiakatra ny zavatra tsy fantatra ataon'ny mpisolo toerana azy io resaka be manodidina ny famotsorankeloka io

Nanoratra izao i Paweł Wimmer, mpanely vaovao sy mpitoraka bilaogy:

Mampatsiahy ahy ilay hanihany fahizany mikasika ilay akanjo mafana tsy nisy tao aminà toeram-pisakafoana ny famelankeloka an'i MK [Mariusz Kaminski]: “Tsy manana io izahay, dia inona izany no hataonao?”

Nanoratra izao i Marek Migalski:

Hitako tena mampahonena ilay didy navoaka tamin'ny raharahan'ingahy Kaminski. Hitako ho mahonena ihany koa ilay famelankeloka nomen'ny Filoha

Iray amin'ireo zavatra maro tato ho ato nataon'ny antoko Lalàna sy Rariny izay nahatonga olana ho an'ilay vondrona ilay fanapahankevitra famelàna ny helok'i Kaminski. Nandresy tamin'ireo fifidianana tany Pôlônina farany teo ny faramparan'ny volana Oktobra ilay antoko, lasa ho ny vondrona voalohany nahazo ny maro an'isa tany Pôlônina taorian'ny nirodanan'ny kaominisma, ary nanokatra filoha izay mpikambana teo aloha tao aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.