Japana Sy Korea Atsimo : Mahatezitra Ireo Akanga Sisa Nanamborana Ilay Fifanarahana Manantantara Momba Ireo “Vehivavy Fampiononana”

_rally_in_front_of_the_Japanese_Embassy_in_Seoul,_August_2011_(2)

Ireo akanga sisa nanamboran'ny vehivavy fampiononana mivory manoloana ny masoivoho Japoney any Seoul, Aogositra 2011.  Sary avy amin'ny Wikipedia.

Tahaka ny vita tamin'ny 28 Desambra 2015 ny fifanarahana teo amin'ny governemantan'i Japana sy Korea Atsimo ho famahàna  ” tanteraka sy tsy azo ivalozana”  ireo olana momba ireo “vehivavy fampiononana”. Na izany aza, raha jerena amin'ny fihetsik'ireo akanga sisa nanamborana tamin'ireo vehivavy fampiononana izy tenany, dia ny fitsaboana ny fifandraisana eo amin'ny governemanta roa tonta no tanjon'ilay fifanarahan'ny Desambra 2015 fa tsy ny hanasitranana ny ratran'ny lasa.

Tamin'ny ady lehibe faharoa, vehivavy hatramin'ny 200.000 avy tamina firenena maherin'ny folo nanerana an'i Azia no noterena ho amin'ny fanandevozana ara-pananahana tamin'ireo Tafiky ny Fanjakana Japoney. Amin'ny fiteny Japoney, notsotsorina hoe ianfu (vehivavy fampiononana ) no fiantso ireo vehivavy fototry ny olana ara-politika hatry ny ela ireo.

Arak'ilay fifanarahana Desambra 2015, dia “naneho ny fialantsininy sy ny fifonany tamin'ny fo madio tamin'ireo vehivavy rehetra izay niaritra ny maharary sy fiainana tsy azo sainina ary niaritra ratra ara-batana sy ara-tsaina tsy azo sitranina tamin'ny naha-vehivavy fampiononana azy” ny Praiminisitra Japoney Shinzo Abe.

Malaza noho ny antony roa ilay fialàntsinin'ny Piraiminisitra Abe. Na dia efa samy nanao fanambaràna fiaikena aza ny Piraiminisitra Japoney teo aloha Murayama Tomiichi sy ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha tamin'ny 1995 (faha-50 taonan'ny fifaranan'ny ady lehibe faharoa) fa noterena ho amin'ny fanandevozana ara-pananahana ireo vehivavy nanerana an'i Azia, dia noraisin'ny Korea sy ireo firenena sasany voakasiky ny olana ho fialantsinin'ny olona manokana izany fa tsy fialantsiny ôfisialin'ny governemanta.

Ary koa, fantatry ny maro fa andrarezin'ny hery ankavanana i Abe sady tazanin'ireo manodidina an'i Japana amin'ahiahy. Tsy nampoizina ny ezaka ho fitsaboana ny fifandraisana amin'i Korea Atsimo amin'ny firesahana ireo olana miavaky ny ady lehibe faharoa.

Ampahany amin'io fifanarahana io, nanokana vola 1 lavitrisa ¥ ( 8.3 million dolara amerikana) ny governemanta Japoney ho an'ireo vehivavy fampiononana, Koreana Tatsimo, 46 sisa velona. Tsy naka ny hevitr'ireo vehivavy ireo sy ny fianakaviany ny governemanta Koreana Tatsimo talohan'ny nanaovany ilay fifanarahana tamin'i Japana, hany ka nisy ny fihetsika mahery.

Ao aminà lahatsary voajery in-587.000 mahery amin'izao fotoana izao, tamin'ny 29 Desambra, ny ampitson'ny nahavitan'ilay fifanarahan’ i Japana sy Korea Tatsimo, nifandona taminà vehivavy fampiononana taloha iray sisa velona tsy fantatra anarana ny lefitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Koreana Tatsimo Sung Nam-Lin.

reaction to comfort women agreement

Dikasarinà fàfana avy amin'ny  lahatsarin'ny CBS Notcutnews, naparitaka be tamin'ny haino aman-jery sosialy. Fanazavana amin'ny teny Anglisy nataon'i Hyun-Soo Lim.

Namoaka fanambaràna manameloka ilay fifanarahana ny  filànkevitra Koreana ho an'ireo vehivavy voantso tamin'ny fanandevozana ara-pananahana nataon'ny tafika Japoney :

Manafin-tohina ny fihetsiky ny governemanta Koreana manoloana io Fifanarahana tsy mazava sy tsy feno io. Neken'ny governemanta fa vahaolana “farany, tsy azo ivalozana” amin'ireo olana no entin'ilay fifanarahana raha mbola eken'ny fitondrana japoney koa ny handray an-tànana maharitra sy matotra izany amin'ny manaraka. Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny governemanta Koreana fa hikaroka vahaolana amin'ilay raharaha Tsangambaton'ny Fandriampahalemana eo anoloan'ny masoivoho japoney any Seoul mba hitazonana ny fahamendrehan'ny masoivoho sy hamerana ny fanakianany ny governemanta Japoney eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Fanalàna baràka ara-diplaomatika izany.

Ilay tsangambaton'ny fandriampahalemana manoloana ny masoivohon'i Japana any Seoul  dia sarivonganà vehivavy fampiononana vita amin'ny alimo, ary iray monja ihany amin'ireo tsangambaton'ny fandriampahalemana manerantany natokana ho an'ny vehivavy fampiononana. Amin'ny ankapobeny dia miteraka adihevitra foana ireny sarivongana ireny na aiza na aiza misy azy manerantany.

Politika › Tsy misy vola ho an'ny “vehivavy fampiononana” mandra-pialan'ny sarivongana ao Seoul : Loharanom-baovao Japana

Amin'ny ankapobeny dia mankasitraka ilay fifanarahana ny any Japana. Nankasitrahan'ny Praiminisitra Japoney teo aloha Murayama Tomiichi ilay fifanarahana, ny mpitarika ny antoko Kominista Japoney Shii Kazuo, izay nanakiana mafy hatry ny ela ny fandaharam-potoanan'i Abe kosa nilaza fa “namerina ny fahamendrehana sy ny fanajàna” ireo vehivavy fampiononana ilay fifanarahana.

Nifidy ny haino aman-jery sosialy ireo olon-tsotra japoney sasany mba hanamafisana fa tsy noteren'ny tafi-panjakana Japoney mihitsy — sy ny governemanta Japoney raha hitarina — ireo vehivavy fampiononana ireo fa nantsoinà mpandraharaha tsy miankina  izay hany tompon'andraikitra tamin'ny toe-javatra nampihoron-koditra aminà herisetra sy ny sarintsarinà fanandevozana niaretan'ireo vehivavy ireo.

Nofintinin'i Tamogami Toshio, fatra-pitahiry ny fomban-drazana, jeneraly taloha tao amin'ny tafika an'habakabaka sady filohan'ny etamazaoro, ary mpikambana voafidy ao amin'ny Diet ( Parlemanta) nasionalin'i Japana  amin'izao fotoana izao, ny mety ho ao an-tsain'ny maro amin'ireo ao amin'ny hery ankavanana Japoney momba ilay fifanarahana. Fanambaran'i Tamogami ao anaty bitsika iray  naparitaka in-1.400 ny hoe :

Nolazain'i Kishida, Minisitry ny Raharaham-bahiny Japoney, tao amin'ny resadresaka niarahana ho an'ny mpanao gazety fa, amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa, afaka manampy amin'ny famerenana ny fahamendrehana sy ny fanajàna ireo vehivavy fampiononana taloha ny fitondrana Japoney sy ny fitondrana Koreana Tatsimo, ary ny fanasitranana ny ratran'ny lasa no tanjon'ny hetsika. Tsy hafahafa ve izany ? Iza no hamerina ireo laza voaloton'ny tafika Japoney sy ireo lehilahy mpiady ? Te-hanontany ny antoko Demokraty Liberaly [ izay tarihan'ny Praiminisitra Abe sy misy an'i Tamogami] aho : tena liana amin'ny famerenana ny reharehan'i Japana firenentsika marina ve ianareo?

Mahatezitra ahy izany rehetra izany, saingy inona no azo atao ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.