Kere Ao Madaya : Ireo Sary Ao Siria Tsy Tian'ny Olona Hojerena Akory

Forty thousand people live in this Syria town, Madaya, where they have been starving to death and surrounded by landmines for the past six months. Photo credit: Madaya page on Facebook

Olona efatra alina no monina ao amin'ny tanàna Siriana antsoina hoe Madaya, voahodidina vanja milevina, ary matin'ny hoanana efa ho volana enina izao. Sary : pejy Facebook an'i Madaya

Olona efatra alina, monina ao an-tanànan'i Madaya, any amin'ny havoanan'i Qalamoun ao Siria, no mety ho fatin'ny hanoanana noho ny tsy firaharahian'izao tontolo izao, hoy ireo ireo mpikatroka mafàna fo. Ataon'ny tafi-panjakàna tohanan'ireo milisy Hezbollah fahirano, sakanan-dry zareo tsy hisy sakafo na fanampiana hiditra, efa hatramin'ny Jolay,  ity tanana kely any amin'ny 1.400m any an-tendrombohitra ity, 40 km avaratr'i Damas ao amin'ny fari-piadidian'i Rif Dimashq, manamorona ny sisintany Libaney.

Tafiditra eo anelanelan'ny adin'ireo mpifanandrina samihafa amin'ny ady an-trano ao Siria izy, ary  ny vahoakany no mizaka ny tsy eran'ny aina.

Tao anaty lahatsoratra navoaka ny andron'ny 4 Janoary, narahana sary nampivarahontsana ahitàna ireo Siriana ireo mponina ao Madaya miaritra na matin'ny hanoanana, nanazava ny zavamisy ny Syrian Observatory for Human Rights (SOHR) – Sehatra Siriana Fanaraahana Maso ny Zon'Olombeona, manana ny foibeny any Angletera hoe :

Efa ho 174 izao ny lona ao Madaya no niaritra hanoanana noho ny fahirano henjana ataon'ny tafi-panjakana sy ny Hezbollah, misy mponina 40.000 ao an-tanàna izay olon-tsotra nandao ny tranony  tany Zabdani ny 20.000 amin'izany, toerana misy fifandonana mahery setra sy daroka baomba henjana ataon'ny tafi-panjakana ar ny tafika an'habakabaka.

Nahamarika toerana an-jatony nandevenan'ny Hezbollah sy ny tafika al-Assad vanja milevina manodidina ny tanànan'i Madaya ny SOHR, fanampin'ny fanapahana ny fifandraisan'ilay tanàna amin'ny manodidina azy tamin'ny nametrahana tariby misy tsilony sy fefy vy hanakànana izay rehetra mety ho fivoahana na fidirana mankao, misy trangan'aretina 1.200 ao an-tanàna, ary ankizy 300 iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo sy karazana aretina samihafa, ao anatin'ny tsy fahampiana goavana amin'ny resaka vokatra fihinana sy fanafody, izay miteraka fidangànan'ny vidin'entana fihinana, siramamy na vary 1 kg misanda 3600 livres sirana, eo amin'ny 90 dolara amerikàna eo, fahafatesanà sivily 17 izay saiky vehivavy sy ankizy no maro taminy no voarakitry ny SOHR, maty noho ny tsy fahampian-tsakafo sy fanafody, na noho ireo vanja milevina, sy ireo mpitily mitifitra azy ireny rehefa manandrana mivoaka manangona sakafo manodidina ny tanàna.

Taterin'ny vaovao fa mihinana ravina, bibikely, ary hatramin'ny saka aza ankehitriny ireo mponina ao Madaya hatramin'ny nahalanian'ny tahirin-dry zareo. Ao amin'ny pejiny Facebook, “Hand in Hand for Syria” (Mifanome Tanana Ho An'i Siria) manome sary henjankenjana kokoa :

Mahery setra loatra tsy maha-te-hizara ny ankamaroan'ireo sary mivoaka avy ao amin'ilay tanàna kelin'i Madaya (any amin'ny manodidina an'i Damas). Maneho ny tna endriky ny fahaverezan-toky ho an'ny olombelona ireny sary manohina ireny; olona lasa toy ny talana mifono hoditra, maso milentika anaty tata-maso, tenda mitrakotrako, miandry fotsiny ny anjara fiantsoana ny anarany ho any amin'ny fahafatesana.

Volana enina izao ny mponina ao Madaya no natao fahirano. Tapitra ny vokatra azo nojinjaina sy ny tahiry, tsy namela afa-tsy fahaverezan-toky sisa. Lasa lafo be ka tsy vidan'ny ankamaroan'ny olona intsony ny mividy mba hihinana izay sisa sakafo mety ho sisa tavela ao an-tanàna.

Nanomboka nahandro ireo vokatra nojinjainy ry zareo. Rehefa tsy nisy intsony ireny, ny bozaka no nahandroiny…avy eo ny bibikely. Rehefa nanomboka tsy tanty ny tsy fahampian-tsakafo, nikimpy nihinana saka ry zareo.

Saka.

Hatramin'ny anio,  olona dimampolo no efa nindaosin'ny fahafatesana noho ny hanoanana. Miely patrana ny tsy fahampian-tsakafo, ary miaraka amin'ny hirifirin'ny ririnina efa maka toerana, dia an'arivony ny olona no tandindonin-doza ateraky ny fahatantesana hatsiaka mamanàla.

KAnefa tsy mihetska izao tontolo izao, hoy ny fanamarihan'ilay bilaogera BSyria :

Ataon'i Assad kere i Madaya. Matin'ny hanoanana na ankizy, na vehivavy, na lehilahy. Tsy manao afa-tsy ny mijery fotsiny izao tontolo izao.

Araka ny lazain'i Raed Bourhan, siriana mpandamina fihaonana, monina ao Beyrouth , Libanona, vao mainka manaratsy ny toedraharaha izay efa henjana rahateo ao Madaya ny fahatongavan'ny ririnina :

An'arivono ireo miaina anaty hatsiaka henjana be , fanàla hatramin'ny  -5°, solika sy hazo fitaina rehefa ririnina zara raha mahita ho raisina

Ao anaty bitsika iray hafa, mizara sarin'ankizy “very zo” noho ny fitohizan'ny ady ao Siria izy :

Very ny zo fototra tokony hiadanany, hahazo fanabeazana, hafanana ary fanantenana ireo ankizy #Madaya_maty_noana

Bitsika iray fahatelo no mamaritra ny fomba nidangànan'ny vidin'entana any amin'ireo faritra iharan'ny fahirano, izay voahodidin'ny vanja milevina sy ireo mpitily miafina mandràra ny mponina tsy hiala ao :

Tratran'ny vidin-tsakafo ny fetra ambony indrindra amin'ny voa madinika sy vary 1 kg sandaina 100$  #Madaya_maty_noana

Nandefa antso ny pejy Facebook-n'i Madaya mba hanaovan'ireo mpikatroka mafàna fo fihetsiketsehana fanehoana firaisankina amin'i Madaya manoloana ireo masoivoho Rosiana (Rosia no mitarika ny daroka an'habakabaka ao Siria) sy ireo masoivohon'ny Firenena Mikambana :

Fanasàna ho an'ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo mpiaro zon'olombelona ary fikambananam iahy ny maha-olona manerana ny tany, ary fihetsiketsehana iray ho fanehoana firaisankina amin'i Madaya iharan'ny fahirano, manoloana ireo masoivoho Rosiana sy ireo biraon'ny Firenena Mikambana.
‪#vonjeo_i_madaya‬
‪#valio_izahay

Fampidirana iray hafa no miangavy izao tontolo izao hamonjy ireo ankizy ao Madaya :

A Syrian child from Madaya, besieged for the past six months. Photo credit: Madaya page on Facebook

Ankizy siriana iray ao Madaya, iharan'ny fahirano efa ho volana enina izao. Sary: Pejy Facebook-n'i Madaya

Ao amin'ny Facebook, mizara saripika ahitàna ireo mponina ao Madaya matin'ny hanoanana ilay Siriana, Kenan Rahbani, sady maneho hevitra hoe:

Manao azafady aho amin'ny famoahako ireto sary manohina ireto, fa tsy maintsy ataoko.

Tsy matin'ny hanoanana noho ny fahantrany ireto olona ireto, na satria tsy misy ny sakafo. Ny Hezbollah sy ny fitondràna no manao izay hahafaty noana ny tanànan'i Madaya. Fahirano tanteraka izy, ary na sakafo, na fanafody, na rano tsy misy avela hiditra ao. Eo ny Firenena Mikambana saingy tsy afaka miditra ao an-tanàna satria tsy avelan'ny Hezbollah sy ny fitondrana Assad hiditra ry zareo.

Mitranga ao Siria izany amin'izao 2016 izao. Ary tsy misy idiran'ny Fanjakana Islamika na kely aza.

Manontany tena ilay siriana mpikatroka, Rafif Joueati, hoe olona firy no mbola tokony ho faty vao hihetsika izao tontolo izao :

Tsy i Madaya no voalohany sy ho farany amin'ny miaritra fahirano. Ny fanontaniana dia hoe, olona hafa ampolony firy no ho faty vao hisy hetsika iraisampirenena ? #Siria

Fanontaniana iray hafa avy aminy :

Ary rehefa tsy hisy ravina hohanina intsony, inona no hitranga?

Manontany ihany koa izy :

Jamba. Raha miteny isika hoe alikakely 40.000 no mety ho faty noana, mety ho izao tontolo izao no hanao diabe ho fanoherana. Olombelona hoe ? Tsy dia mankaiza.

Vakio koa

[amin'ny teny Anglisy]

 

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Lova Rakotomalala

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.