Tantara tamin'ny 05 Janoary 2016
Iza No Hieritreritra Fa Any Kazakhstan Ny “Everest”?
"Manana fakantsary reflex tranainy koa aho, Nikon D70 - tena mavesatra, angamba. Nalaina tamina haavo efa ho 6,500 metatra ambonin'ny ranomasina io sary io."
Ahoana No Hiarovan'i Venezoelà Tsara Ny Zon'ireo Vazimba Teratany? Anontanio Fotsiny Ny Vondrom-piarahamonina Warao.
Na dia manana fikambanana mifofotra manokana ny androny ho amin'ny fahasambaran-dry zareo aza ireo vondrom-piarahamonina indizena ao Venezoelà, dia miatrika fitanilàna marobe isankarazany ry zareo
Nahazo Aingam-panahy Tamin'ny Fomba Nentim-paharazana, Mirona Amin'ny Fomba Fitsaboana Natoraly Ny Taovam-pananahany Ireo Vehivavy Any Amerika Latina
Mampiditra ny fahalalàna nentim-paharazana mikarakara tena samirery amin'ny fiainana maoderina andavanandrony ireo vehivavy. Tsy ny hoe hiala tanteraka amin'ny fitsaboan'ny manampahaizana akory ny tanjona, fa kosa mba mahalala ireo fomba rehetra hafa azo atao .
Manampy an'i Brezila Hanangana Ny Fahatsiarovana Varotra Andevo Ny Tanora Amerikanina Iray Mpanao Maritanàna
Nopongarina vao haingana indray ny sisim-piantsonana nidiran'ny andevo tao Rio ary notendrena i Sara Zewde hanoritsoritra tsangambato amin'ny manodidina ity toerana nitrangan-javatra mampalahelo ity.
Fahatsiarovana Ireo Nanjavona Tao Orogoay Jerena Avy Amin'ny Mason'ny Mpakasary
Nandany 12 taona tany an-tsesitany i Juan Urruzola nandritry ny fitondràna jadona tao amin'ny fireneny. Nataony ho iraka tsy maintsy vitainy ny mampahatsiaro amin'ny alàlan'ny saripika ireo nanjavona nandritra io fitondràna io.
Famoretana Ataon'ny Milina Mibaiko Tenan'ny Ayatollah Amin'ny Twitter, Ireo Mpanao Gazety No Mizaka Ny Tsy Natao
Marobe ireo mpanangona vaovao no voabahana ao amin'ny Twitter noho ny nandefasany vontoaty mifandraika amin'i Khamenei sy ny fampielezankeviny.